Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Mampiavaka Antsika

Toetra Mampiavaka Antsika

Toetra Mampiavaka Antsika

NIANDRY lamasinina teo amin’ny gara iray tany New York ny lehilahy iray 50 taona, izay mpanao fanorenana. Nisy tovolahy tafintohina teo akaiky teo ka nianjera teo amin’ilay lalamby, nefa efa nisy lamasinina nanatona. Avy hatrany ilay lehilahy dia nitsambikina teo amin’ilay tovolahy ary niaro azy, ka tsy naninona izy ireo rehefa nandalo teo amboniny ilay lamasinina.

Tsy nety niteny hoe “Heil Hitler!” ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa, nandritra ny fitondran’ny Nazia, satria midika hoe “famonjena” ilay teny alemà hoe heil. Nino mafy izy ireo fa i Jesosy Kristy no Mpamonjy azy ary “tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Tsy nety nanindrahindra an’i Hitler izy ireo, ka maro taminy no noterena handao ny fonenany ary nalefa tany amin’ny toby fitanana. Mbola nanaraka an’ireo toro lalana efa narahiny izy ireo tany.

Asehon’ireo ohatra ireo fa mahavita mampandefitra an’izay mahasoa azy ny olombelona mba hahasoa ny hafa, na dia tsy fantany mihitsy aza ilay olona. Vonona hamoy ny fahafahany koa izy mba hanajana toro lalana. Raha izany no jerena, biby ambony karazana niova miandalana fotsiny ve ny olombelona, sa zavaboary ambony karazana? Eritrereto izany eo am-pandinihanao an’ireto fanontaniana ireto:

● Nahoana isika no manana feon’ny fieritreretana, izany hoe mahalala ny mety sy tsy mety?

● Nahoana isika no talanjona rehefa mandinika ny hakanton’ny zavaboary?

● Nahoana isika no mankafy mozika, sary hoso-doko, tononkalo, ary zavakanto hafa, nefa tsy ilaina mba hahavelomana akory izy ireny?

● Nahoana ny ankamaroan’ny olona no te hifandray amin’ny andriamanitra iray?

● Nahoana isika no manontany hoe: ‘Inona no antony ahavelomako?’

● Nahoana isika no manaraka fanao sy fombafomba samihafa rehefa misy maty?

● Nahoana no mino ny fiainana any ankoatra ny ankamaroan’ny olona? Nofinofy fotsiny vokatry ny evolisiona ve ny faniriana hiaina mandrakizay?

Aiza no misy ny valiny?

Ao amin’ny Baiboly, izay boky masina miely indrindra, no ahitana ny valiny mitombina indrindra amin’ireo fanontaniana ireo. Diniho izay lazainy momba an’ireto manaraka ireto:

Toetran’ny olombelona. Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olombelona. (Genesisy 1:27) Midika izany fa afaka manahaka ny toetran’ilay namorona antsika isika. “Zanak’Andriamanitra” àry ilay lehilahy voalohany.—Lioka 3:38.

Te hitia sy hotiavina. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny 1 Jaona 4:8. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika ka mila fitiavana foana, manomboka eo am-pahaterahana ka mandra-pahafaty. “Tsinontsinona aho”, hoy ny apostoly Paoly, raha “tsy manam-pitiavana.” (1 Korintianina 13:2) Hoy koa izy: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.”—Efesianina 5:1.

Mila an’Andriamanitra. “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Hita ao amin’ny Baiboly ny teny nolazain’Andriamanitra, ary mampiharihary ny toetrany sy ny fikasany momba antsika. Tsy ho afa-po mihitsy isika raha tsy mahafantatra azy.

Nahoana isika no maty? ‘Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezana omen’Andriamanitra.’ (Romanina 6:23) Mpanota isika, izany hoe tsy mahavita mankatò tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana. Fikasan’Andriamanitra anefa ny hanaisotra ny ota sy hamonjy an’izay tia sy mankatò azy ary hanome azy ireo fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Salamo 37:10, 11, 29; Lioka 23:43.

Te hankafy tanteraka ny fiainana ve ianao? Te hianatra zavatra tsy noeritreretinao ho vita mihitsy ve, ohatra, ianao? Tianao ho fantatra bebe kokoa ve ny Mpamorona anao sy ny zavatra tsara nokasainy ho anao? Diniho àry ny Baiboly izay mirakitra ny fahamarinana fa izany ihany no tena hahasambatra anao, dieny izao sy amin’ny hoavy.—Matio 5:3; Jaona 17:3.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

MBOLA KELY ISIKA DIA EFA MILA FITIAVANA

Hoy i Gerald Schroeder, mpahay siansa: ‘Mila fitiavana ny zaza ary tokony hozarina hiasa ny sainy.’ Tena mila manaraka an’ilay didin’ny Baiboly mba ‘ho tia zanaka’ àry ny ray aman-dreny, indrindra fa ny reny.—Titosy 2:4.

[Sary, pejy 8, 9]

Maro ny zavatra mahafinaritra ankafizintsika, na dia tsy tena ilaina mba hahavelomana aza izy ireny

[Sary, pejy 9]

Tsy sakafo sy rano ihany no ilain’ny olombelona fa ny tari-dalan’ny Mpamorona azy ireo koa