Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

‘Atahorana kokoa ho faty eo am-pitondrana vohoka na eo am-piterahana ny vehivavy any amin’ny tany mahantra. Tsy ho toy izany anefa izy, raha tany amin’ny tany manankarena.’—BUSINESSWORLD, PHILIPPINES.

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Alemaina fa ny 40 isan-jaton’ny ankizy 11 ka hatramin’ny 15 taona any no tsy mahalala hoe miposaka any atsinanana ny masoandro, ary ny 60 isan-jatony no tsy mahalala hoe fenomanana ny volana isaky ny efatra herinandro.—WELT ONLINE, ALEMAINA.

Nahita tempolin’ny Filistinina tany Gata fahiny ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Andry roa lehibe teo afovoany no nanohana an’ilay tempoly. Mampahatsiahy antsika ny tantaran’i Samsona ao amin’ny Baiboly izany. Andry toy izany no nitehenany, ka nahatonga an’ilay tempoly hianjera.—THE JERUSALEM POST, ISRAELY.

Manafatra Vady

Hoy ny gazety BusinessWorld any Philippines: “Mihamaro ny lehilahy aziatika any amin’ny tany manankarena, toa an’i Japon sy Korea Atsimo, mitady vady avy any amin’ny [tany aziatika] mahantra kokoa, toa an’i Vietnam sy Philippines.” Nitombo 73 isan-jato ny lehilahy japoney nanambady vehivavy vahiny, teo anelanelan’ny 1995 sy 2006. Nahoana? Milaza ilay gazety fa “mahavita tena ireo vehivavy eo an-toerana ka miaingitraingitra” ary malaina kokoa ny hanambady. Ireo vehivavy avy any amin’ny tany mahantra kosa mazoto hanambady, na dia lehilahy mahantra any amin’ny tany manankarena kokoa aza, satria “mety ho tsara kokoa ny fiainany.”

Nohatsaraina ny Fampirafesana

Misy tranonkala iray natao hihaonan’ny olon-droa te hiaraka, any amin’ny firenena dimy samihafa. Izao no teny fanevan’izy io: “Fohy ny fiainana ka manaova sipa.” Milaza ny mpamorona an’ilay tranonkala fa tsy natao hampirisihana ny olona hampirafy ilay tranonkala, satria “efa nanapa-kevitra ny hanao izany” izay miditra ao. Hoy ihany izy: ‘Mipoitra ny ankamaroan’ny olana rehefa tratra ilay mpampirafy. Avelanay hiaraka mangingina izay te hanao izany. Tsy izahay no namorona ny fampirafesana, fa nohatsarainay fotsiny izy io.’ Mirehareha erỳ izy ireo hoe 6 400 000 eo ho eo izao no mpikambana ao aminy.

Natao Hahay Handihy

Hoy ny tatitry ny mpikaroka ao amin’ny oniversite any York, Angletera, sy any Jyväskylä, Failandy: “Ny olombelona irery no mahay mampifanaraka ny fihetsiny amin’ny feo reny. Ataony mipaipaika amin’ny tany, ohatra, ny tongony na mandihy izy, rehefa misy hira mandeha.” Hitan’ireo mpikaroka ireo fa miezaka ho azy ny zaza mba hanaraka ny gadon’izay mozika reny, na dia mbola tsy mianatra miteny aza. Arakaraka ny hahaizany manaraka an’ilay izy no mahafalifaly azy. Hita avy amin’izany hoe tsy ianarana ny fahaizana mamantatra gadona sy ny faniriana hihetsika rehefa mandre mozika fa efa voajanahary.