Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Avotana ve ny Tokantranonareo?

Azo Avotana ve ny Tokantranonareo?

Miaiky ny tompon’ilay trano fa tena simba ilay izy. Nanapa-kevitra ny hanamboatra azy io anefa izy ireo.

TIANAREO hatao toy izany koa ve ny tokantranonareo? Raha eny, ahoana no hanaovanareo izany? Andramo ireto soso-kevitra ireto.

1 Tapaho ny hevitra.

Aoka ianareo hifanaraka fa samy hiezaka handamina an’ilay olana. Andramo atao an-tsoratra ny fanapahan-kevitrareo. Raha samy tapa-kevitra ny hanavotra ny tokantranonareo ianareo, dia hiara-miasa mba hahatanteraka izany.—Mpitoriteny 4:9, 10.

2 Fantaro ilay olana.

Inona no nanakorontana ny tokantranonareo? Soraty ao anaty fehezanteny iray hoe inona no tsy ampy na tianao hiova. (Efesianina 4:22-24) Mazava ho azy fa mety tsy hitovy ny olana hitanareo mivady.

3 Manàna tanjona.

Inona avy ny fiovana tianareo ho hita ao an-tokantranonareo, rehefa afaka enim-bolana? Ataovy an-tsoratra ilay tanjona. Ho mora aminareo ny hanatratra izany, rehefa fantatrareo tsara izay ilainareo.—1 Korintianina 9:26.

  4 Ampiharo ny torohevitry ny Baiboly.

Jereo ny torohevitry ny Baiboly, rehefa fantatrareo ilay olana ary efa nofaritanareo ny fiovana tianareo hatao. Tsy mety lany andro mantsy ny toroheviny, ary tena mahomby. (Isaia 48:17; 2 Timoty 3:17) Mampirisika anareo mivady hifamela heloka, ohatra, ny Baiboly. Milaza mihitsy aza izy io fa ‘voninahitra ny mamela fahadisoana.’—Ohabolana 19:11; Efesianina 4:32.

Aza kivy na dia toa mandamòka aza ny ezaka ataonareo amin’ny voalohany! Mitatitra ny vokatra tsara hita tamin’ny fandinihana iray natao ilay boky hoe Fiarovana ny Tokantrano. Hoy izy io: “Nahavariana ilay izy, satria ny 86 isan-jaton’ireo tsy sambatra am-panambadiana nefa tsy nilavo lefona no nahita fa lasa sambatra izy ireo, dimy taona tatỳ aoriana.” Niova koa na dia ny fiainan’ireo nilaza fa tena tsy sambatra aza.

Afaka ny ho toy izany koa ny tokantranonareo. Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mpampanonta an’ity gazety ity, fa manome toro lalana mahasoa ho an’ny mpivady ny Baiboly. Tokantrano maro, ohatra, no lasa sambatra, rehefa mangoraka sy tsara fanahy ary mifamela heloka tanteraka ny mpivady. Hitan’ny vehivavy fa tsara ny manana “toetra tony sy malemy paika.” Hitan’ny lehilahy koa fa mandray soa izy ireo, rehefa tsy tezitra mafy amin’ny vadiny.—1 Petera 3:4; Kolosianina 3:19.

Mandaitra ireo toro lalan’ny Soratra Masina ireo, satria i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly, no nanorina ny fanambadiana. Nahoana raha manontany Vavolombelon’i Jehovah, raha tianao ho fantatra ny fomba anampian’ny Baiboly anao hanatsara ny tokantranonao? *

^ feh. 14 Mba hanampiana an’ireo fianakaviana, dia namoaka boky 192 pejy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana no lohatenin’izy io. Manorata any amin’ny mpampanonta azy io, any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity, raha mila fanazavana fanampiny.