Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina?

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina?

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina?

HO LASA Kristianina daholo ve ny olon-drehetra indray andro any? Sa tsy hisy intsony ny Fivavahana Kristianina? Tsy misy tsininy mihitsy ve hatramin’izao ny Fivavahana Kristianina, ka toy ny fanilo manazava tontolo iray ao anaty haizina? Sa kosa izy io efa nahitana tsininy? Mbola mitady ny valin’izany isika hatramin’izao.

Nilaza i Jesosy fa hisy fahavalo hanakorontana avy hatrany ny Fivavahana Kristianina, raha vao avy nanorina azy io izy. Tsy iza io fahavalo io fa i Satana. Nanao fanoharana tsotra i Jesosy, mba hampisehoana izany. (Matio 13:24, 25) Tsy kisendrasendra fotsiny àry raha niova ny Fivavahana Kristianina, nandritra ireo taonjato vitsivitsy taorian’ny nanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. Fahavalo kosa no nahatonga izany, dia i Satana. Mbola mamerina ny fahadisoana nataony tamin’ny lasa ihany ireo fivavahana mitonona ho Kristianina, ka mizaka ny vokany.—2 Korintianina 11:14, 15; Jakoba 4:4.

Nisy nanakorontana mangingina ny Fivavahana Kristianina

Nilaza i Jesosy fa hisy hanova ny fampianarany. Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara tany an-tanimbariny. Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary teo amin’ny vary, dia lasa.” Nankany amin’ilay lehilahy ny mpanompony mba hilaza taminy momba izany hasomparana izany, ary nanontany azy raha afaka manala an’ireo tsimparifary. Mahagaga fa hoy ilay lehilahy: “Tsia, sao manongotra ny vary koa ianareo rehefa manangona ny tsimparifary. Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Hilaza amin’ny mpijinja aho amin’izay fotoana izay hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana, ary avy eo vao angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitahirizako vokatra.”—Matio 13:24-30.

Nohazavain’i Jesosy avy eo fa izy ilay lehilahy namafy vary tany an-tanimbary, ary ny tena Kristianina ireo vary nafafiny. “Ny Devoly” ilay fahavalo namafy tsimparifary teo amin’ny vary. Ny tsimparifary kosa dia ireo olona mpandika lalàna sy mpivadi-pinoana, nefa misandoka ho mpanompon’Andriamanitra. (Matio 13:36-42) Nanazava bebe kokoa momba izay hitranga ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.”—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

Niova ny Fivavahana Kristianina

Tanteraka ve ny fanoharan’i Jesosy sy ny tenin’i Paoly? Izany tokoa. Nisy olona te hanana fahefana, ka nifehy ny fiangonana naorin’i Jesosy, ary nampiasa izany mba hahazoana tombontsoa. Tsy narahin’izy ireo koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Nanao fifanekena tamin’ny mpitondra fanjakana mantsy izy ireo, ka namorona an’ilay antsoina hoe fivavaham-panjakana. Nahazo fahefana sy harena be ireny fivavahana ireny. ‘Nanolana hevi-teny’ koa izy ireny, izany hoe nampianatra hevi-diso. Nampianariny ho tia tanindrazana tafahoatra, ohatra, ny olona, ka hanolo-tena ho faty ho an’ny taniny amin’ny ady. Nandray anjara tamin’ny ady nifanaovan’ny fivavahana àry ny olona nitonona ho Kristianina, ka namono an’izay rehetra noheveriny fa tsy mino an’Andriamanitra. Nirotsaka tamin’ny ady hafa koa izy ireo, ka ny mpiara-mivavaka aminy mihitsy no novonoiny. Tena tsy nankatoavin’izy ireo ny tenin’i Jesosy hoe tsy tokony hanao politika, ary tokony ho tia ny mpiara-belona.—Matio 22:37-39; Jaona 15:19; 2 Korintianina 10:3-5; 1 Jaona 4:8, 11.

Sandoka fotsiny àry ireo fivavahana nitonona ho Kristianina nandritra ny taonjato maro. Izany no mahatonga azy ireo tsy hitsahatra hizarazara ho sekta, hanao politika, ary tsy hiraharaha ny lalàn’Andriamanitra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hita mihitsy hoe Fivavahana Kristianina sandoka noforonin’ny Devoly izy ireo, fa tsy ilay naorin’i Jesosy. Inona no hiafaran’ireny fivavahan-diso ireny? Hita avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy fa tsy ho foana fotsiny amin’izao izy ireny, satria hoe tsy hisy mpiangona intsony ao aminy. Hotsarain’Andriamanitra kosa ny fivavahan-diso, ary horinganiny.

Mamirapiratra ao anatin’ny haizina ny tena Kristianina

Mbola misy zavatra hafa tsy maintsy hitranga alohan’ny hanangonana sy handorana ny “tsimparifary”, na ny Fivavahana Kristianina sandoka, araka ny hita avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy. Niroborobo be ny “tsimparifary”, nandritra ny taonjato maro, ka zara raha hita ny “vary”, na ny tena Kristianina. Nilaza anefa i Jesosy fa hosarahina izy ireo amin’ny “fotoam-pijinjana”, izany hoe ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hoy koa izy: “Ny olo-marina kosa hamirapiratra tahaka ny masoandro.” (Matio 13:39-43) Voaporofo fa efa ao anatin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity isika nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I, izay nitranga 90 taona mahery lasa izay. (Matio 24:3, 7-12) Efa tanteraka koa àry ve ilay faminanian’i Jesosy hoe ‘ny olo-marina hamirapiratra tahaka ny masoandro’?

Nosarahina tamin’ny “tsimparifary” na ny Fivavahana Kristianina sandoka ny tena Kristianina. ‘Mamirapiratra tahaka ny masoandro’ ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manampy ny olona hahalala an’i Jehovah Andriamanitra. Tsy manamaivana ny lalàn’Andriamanitra ny Vavolombelona. Matetika àry no tsy maintsy manova tanteraka ny fiainany ny olona lasa Vavolombelona, ho fankatoavana ny toro lalan’i Kristy ao amin’ny Baiboly.

Tsy mampiala voly olona ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fivoriany. Mampianatra Baiboly maimaim-poana kosa izy ireo. Mifankatia koa ny Vavolombelona, satria izany no nianarany tao amin’ny Soratra Masina. Mino izy ireo fa ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany hoe hovana ho paradisa ny tany, ka ny mpandefitra ihany no honina eo. Tsy maintsy diovina anefa aloha ity tontolo ity. Tsy havela hitaona ny olona hanao ratsy intsony ny fivavahan-diso, izay antsoina hoe Babylona Lehibe ao amin’ny Baiboly. Tsy ho ela i Jehovah dia hanao izany fanovana lehibe izany, rehefa jerena ny faminaniana ao amin’izy io.—Matio 5:5; Apokalypsy 18:9, 10, 21.

Tsy ho voafitaky ny fivavahan-diso intsony ny olombelona mankatò amin’izay. Ho tena Kristianina daholo ny mponina eto an-tany. Ho tsara fiafara tokoa ilay Fivavahana Kristianina naorin’i Jesosy! Ho lasa paradisa indray ny tany, ary hanjaka ny fiadanana. Tsy hisy intsony ny fivavahana miteraka ady sy korontana!

[Sary, pejy 7]

“Tonga ny fahavalony namafy tsimparifary.”—Matio 13:25

[Sary, pejy 8, 9]

Misy fampianarana Baiboly maimaim-poana any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manasa anao izahay ho any

[Sary, pejy 9]

‘Angony avy eo ny vary ka ataovy ao an-trano fitahirizako vokatra.’—Matio 13:30