Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Misy antony telo mahatonga ny ray aman-dreny sy ny zanaka tsy hifampiresaka intsony ankehitriny. “Tsy manao afa-tsy ny mijery tele ny mpianakavy mandritra ny andro, ary tsy miara-misakafo intsony ny ankamaroany. Tsy mifanatrika amin’ny rainy na ny reniny koa ny zazakely rehefa atosika amin’ny posiposin-jaza.” Rehefa miditra mianatra àry izy dia “mila vaniny sy mitabataba”, isaky ny tsy mahalaza ny heviny.—THE INDEPENDENT, GRANDE-BRETAGNE.

Ny 23 isan-jaton’ny ankizy any Espaina no zaza sary. Any Frantsa, dia ny 43 isan-jato no toy izany; 45 isan-jato ny any Danemark; ary 55 isan-jato ny any Soeda.—INSTITUTO DE POLÍTICA FAMILIAR, ESPAINA.

Ny ampahatelon’ny anglisy no matory latsaka ny adiny dimy isan’alina. Vokatr’izany, dia lasa “tsy mahavita mifantoka firy izy ireo, verivery tadidy, [ary] mbetika tezitra mbetika faly.” Ankoatra izany, dia atahorana kokoa “hatavy be, na ho voan’ny diabeta, na ho kivy, na hisara-panambadiana, na ho tratran’ny lozam-piarakodia mahatsiravina” ny olona tsy ampy torimaso.—THE INDEPENDENT, GRANDE-BRETAGNE.

Mihetraketraka “mba Hanalana Andro Fotsiny”

Mitantara ny gazety El País, any Espaina hoe: “Mihabetsaka ny ankizy mandaroka olona na manao izay hahafa-baraka olona. Alain’izy ireo sary amin’ny finday izany.” Mafy loatra ny vono nihatra tamin’ny olona sasany, ka mitondra takaitra mihitsy izy ireo. Fa nahoana ireny ankizy ireny no mahavanon-doza toy izany? Hoy ny gazety XL: “Tsy hoe te hanendaka izy ireo, na manavakava-bolon-koditra, na koa anisan’irony andian-jiolahy irony. Manao izany kosa izy ireo mba hanalana andro fotsiny. Tsy fahita firy izany taloha, ary tena mampalahelo.” Hoy i Vicente Garrido, psikology manam-pahaizana momba ny heloka bevava: “Indraindray izy ireo mamo, ary indraindray tsy mamo akory. Ny antony mampihetraketraka azy ireo anefa matetika, dia satria tsy manameloka azy ny eritreriny.”

Tsy Raharahaina Firy ny Aretin’ny Tany Mafana

Tsy dia raharahain’ny mpikaroka ny ankamaroan’ny aretina mpitranga atỳ amin’ny tany mafana. Nahoana? Hoy i Michael Ferguson, manam-pahaizana any amin’ny Oniversiten’i Dundee, any Ekosy: “Mampalahelo fa tsy mikaroka [fanafody vaovao]” ho an’ny aretina any amin’ny tany mafana “ny orinasa mpanamboatra fanafody.” Tsy te handany vola hanaovana izany izy ireo, satria fantany fa tsy hiverina ny masonkarenany. Aleon’izy ireo manamboatra fanafody ahazoana tombony be. Anisan’izany ny fanafody itsaboana ny aretin’i Alzheimer, ny hatavezana, ary ny fahamombana. Milaza anefa ny gazety New Scientist, fa “olona 1 tapitrisa” eo ho eo “isan-taona no matin’ny tazomoka eran-tany, satria mbola tsy misy fanafody azo antoka sy mandaitra itsaboana azy io.”

Mbola Kely dia Efa “Mpanjifa”

Ankizy telo taona dia efa mahay manavaka ny marika eo amin’ny entana eny an-tsena. Efa “mpanjifa” sahady izy ireo, rehefa feno valo taona. Izany no fanazavana navoakan’ny Oniversiten’i La Sapienza, any Italia. Milaza ny gazety La Repubblica, fa misy vokany be eo amin’ny ankizy ny dokam-barotra ao amin’ny tele, ka mahatonga azy ireo “hanery ny ray aman-dreniny hividy zavatra sasany ho azy. Ny atahorana anefa dia mety hihevitra ny ankizy amin’ny farany, fa tena ilaina daholo izay entana rehetra anaovana dokam-barotra (sy vidina ho azy).”

Saribakoly Fianarana Mampiteraka

Olona foana hatramin’izay no nianaran’ny mpampivelona nampiterahana. “Mihabe mpampiasa” anefa izao ny saribakoly iray atao hoe Noelle, araka ny voalazan’ny gazety Associated Press. Toy ny vehivavy bevohoka mihitsy izy io. Azo baikoina izy io, ka afaka maka tahaka ny fitempon’ny fon’ny vehivavy eo am-piterahana sy ny fitaran’ny vozon-tranonjanany. Afaka mampiseho ny fahasarotana sasantsasany mpitranga eo am-piterahana koa izy io. Mety ho ela be, ohatra, i Noelle no mihetsi-jaza na vetivety ihany. “Zazakely”, izany hoe saribakoly kely karazany roa no mety havoakany. Mavokely ny iray, ka midika izany fa salama ilay izy. Raha “zazakely” manga kosa no avoakany, dia midika izany fa tsy ampy oksizenina ilay izy, ka atahorana ho faty. Nahoana ny mpampivelona no mampiasa saribakoly mba hiofanana? Hoy ilay gazety: “Aleo saribakoly mitentina 20 000 dolara no anaovana fahadisoana, toy izay olona velona.”