Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

“Matetika aho no te hividy zavatra tsy tena ilaiko sy tsy takatry ny volako, satria fotsiny hoe mora ilay izy.”—Anna, * Brezila.

“Manasa ahy hiara-miala voly aminy ny namako indraindray. Te hiaraka amin-dry zareo aho, nefa mandany vola be ilay izy. Mahamenatra anefa ny miteny hoe: ‘Tsy afaka aho fa tsy manam-bola.’ ” —Joan, Aostralia.

TOA tsy mety ampy mihitsy ve ny volanao? Mety hiteny ianao hoe: “Raha mba nataon’i Dada sy Neny betsaka kokoa izao ny volako, dia afaka nividy an’ilay kilalao tiako iny aho.” Na: “Raha mba betsaka kokoa izao ny karamako, dia afaka nividy an’ilay kiraro ‘ilaiko’ iny aho.” Toy izay anefa ho sosotra satria tsy ampy ny volanao, nahoana raha mianatra mitsitsy izay vola eo am-pelatanana?

Marina fa mety ho afaka hianatra hitsitsy vola ihany ianao, rehefa tsy mipetraka ao an-trano intsony. Kanefa azo ampitahaina amin’ny olona mitsambikina avy ao anaty sambo mba hilomano izany, izay mbola tsy nianatra nilomano akory. Marina fa mety ho hitany ihany izay hatao, rehefa tena ao anaty rano izy. Tsy ho tsara kokoa anefa ve raha mianatra izay tena ilaina ho fantatra momba ny filomanosana aloha izy vao manao izany? 

Toy izany koa fa dieny mbola tsy miatrika ny adim-piainana ianao no tokony hianatra hitsitsy vola. Amin’izay no fotoana tsara indrindra. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Fialokalofana ny vola.” (Mpitoriteny 7:12) Tsy ho fialokalofana ho anao mihitsy anefa ny vola, raha tsy mianatra mitsitsy azy io ianao. Hihamatoky tena ianao raha manao izany, ary hanjary hanaja anao kokoa ny ray aman-dreninao.

Ianaro izay tena ilaina ho fantatra

Efa nanontany ny ray aman-dreninao ve ianao hoe inona avy no atao rehefa mitantana tokantrano? Fantatrao ve, ohatra, hoe ohatrinona isam-bolana ny vidin-jiro sy rano, ny saran-dalana, ny sakafo, ny hofan-trano? Mety hieritreritra ianao hoe mankaleo be ny miresaka an’izany rehetra izany. Tadidio anefa fa anisan’ny nahatonga an’ireo fandaniana ireo koa ianao. Ankoatra izany, dia tsy maintsy handoa an’ireo ianao rehefa tsy ao an-trano intsony. Tsara ho fantatrao àry ny fandaniana amin’izany. Anontanio ny ray aman-dreninao izany raha azony lazaina anao, ary henoy tsara izy rehefa manazava ny fomba itsinjarany vola ho amin’izany.

Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara.” (Ohabolana 1:5) Hoy i Anna, voaresaka tetsy aloha: “Nampianatra ahy nitsinjara vola i Dada. Nasehony ahy koa hoe tena ilaina ny mahay mitantana ny vola ao an-trano.” Nampianatra zavatra mahasoa hafa an’i Anna koa ny reniny. Hoy i Anna: “Natorony ahy fa tena ilaina ny mampitaha vidin’entana alohan’ny hividianana zavatra. Mahavidy zavatra be dia be i Neny, nefa vola kely no entiny.” Inona no soa noraisin’i Anna tamin’izany? Hoy izy: “Mahay mitantana ny volako aho izao. Mitsitsy vola tsara koa aho, ka milamin-tsaina satria tsy midi-trosa tsy amin’antony.”

Fantaro hoe inona ny olana

Marina aloha fa sarotra ny mitsitsy vola, indrindra raha mbola mipetraka ao an-trano ianao, ka omen’ny ray aman-dreninao vola na efa mandray karama. Nahoana? Satria mety ho ny ray aman-dreninao no misahana ny ankamaroan’ny fandaniana, ka mety ho azonao lanina amin’izay tianao ny ankamaroan’ny volanao. Mety hahafinaritra koa ny mividividy zavatra. Miaiky toy izao i Paresh, tovolahy iray any Inde: “Tena tia mandanilany vola aho.” Mitovy aminy koa i Sarah, avy any Aostralia. Hoy izy: “Tena tia mividividy zavatra aho.”

Mety ho ny namanao koa anefa no mahatonga anao handany vola mihoatra noho ny tokony ho izy. Hoy i Ellena, 21 taona: “Fialam-boly tena fanaon’ny namako ny miantsena. Rehefa miara-mandehandeha izahay, dia toa efa misy fitsipika eken’ny rehetra hoe tsy maintsy mandany vola raha te hahita fahafinaretana.”

Ara-dalàna raha maniry ho tian’ny namanao ianao. Manontania tena anefa hoe: ‘Mandany vola miaraka amin’ny ankizy ve aho, satria manam-bola ho amin’izany, sa satria tsy maintsy manao izany?’ Maro ny olona mandany vola, mba ho tian’ny namany. Tena ho sahirana ara-bola ianao raha manao izany, indrindra fa raha afaka mitrosa. Mampitandrina toy izao i Suze Orman, mpanolo-tsaina momba ny vola: ‘Tena mety ho bokan-trosa ianao, raha ny zavatra anananao no tianao hanaitra ny olona, fa tsy ny toetra tsaranao.’

Tsy aleonao ve manaraka ny torohevitr’i Ellena toy izay handany ny volanao rehetra indray mandeha, na ho bokan-trosa? Hoy izy: “Rehefa hiaraka amin’ny ankizy aho, dia eritreretiko mialoha ny vola holaniko ary ferako izany, ka izay ihany no alaiko any amin’ny banky. Tonga dia mivantana any mantsy ny karamako. Hitako koa hoe tsara ny miara-miantsena amin’ny ankizy mahay mitsitsy vola, sy ny ankizy mampirisika ahy hampitaha vidin-javatra aloha, fa tsy tonga dia mividy izay sendra ahy eo fotsiny.”—Ohabolana 13:20.

Mandraisa lesona rehefa mandà izy ireo

Ahoana raha tsy mahazo vola avy amin’i Dada sy Neny ianao, na mbola tsy miasa? Mbola afaka mianatra lesona mahasoa momba ny vola foana ianao, dieny ao an-trano. Mety handa, ohatra, ny ray aman-dreninao rehefa angatahanao vola, na asainao mividy zavatra ho anao. Nahoana? Satria tsy takatry ny volany angamba ilay izy. Manome modely anao momba ny atao hoe fifehezan-tena àry izy ireo rehefa mandà ny fangatahanao, na dia te hanaiky izany aza. Ary toetra tena ilaina izany mba hahaizana mitantam-bola.

Mety mbola handa ny fangatahanao ihany anefa ny ray aman-dreninao, na dia manam-bola hanatanterahana izany aza. Hihevitra angamba ianao fa mahihitra izy ireo. Mety te hampianatra anao zavatra iray tena lehibe anefa izy ireo, dia hoe tsy ny fahazoana izay rehetra irina no mahasambatra. Hoy ny Baiboly momba izany: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena.”—Mpitoriteny 5:10.

Marina ireo teny ireo, rehefa jerena ny fiainan’ny tanora maro, ividianan’ny ray aman-dreniny an’izay rehetra tiany. Tsy ela dia tsapan’ireny tanora ireny fa tsy mety afa-po mihitsy izy. Mbola te hahazo zavatra foana izy na dia efa manana betsaka aza. Any aoriana any, dia mety ho lasa olon-dehibe tsy mahay mankasitraka ny tanora zatra nahazo izay nangatahiny. Izany no nolazain’i Solomona ao amin’ny Ohabolana 29:21, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Nilaza izy fa hanjary tsy hahay hankasitraka ny mpanompo na zanaka, izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely.

Manary fotoana ny olona mandanilany vola

Misy an’izao ohabolana izao any amin’ny tany sasany: “Vola ny fotoana.” Ny dikan’izany dia hoe mila mandany fotoana ny olona mba hahazoana vola. Mandanilany vola àry ny olona manarinary fotoana. Marina koa ny mifamadika amin’io ohabolana io. Azo atao ny milaza hoe fotoana ny vola. Raha mandanilany vola ianao, dia manary ny fotoana laninao nitadiavana an’iny vola iny. Mianara àry mitsitsy ny volanao, dia tsy ho very ny fotoananao. Ahoana izany?

Hoy i Ellena: “Mihena ny vola tsy maintsy tadiaviko, rehefa miezaka mitsitsy vola aho. Tsinjaraiko tsara ny volako, ary tsy mandany mihoatra noho izay aho. Tsy mila miasa ela aho noho izany mba hoe handoavana trosa be. Voatsitsy kokoa ny fotoanako, ary milamina kokoa ny fiainako.” Tsy mba tianao hilamina toy izany koa ve ny fiainanao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

▪ Sarotra aminao ve ny mitsitsy vola? Nahoana?

▪ Nahoana ianao no tsy tokony ho tia vola?—1 Timoty 6:9, 10.

[Efajoro/​Sary, pejy 12]

MILA MANAM-BOLA KOKOA VE IANAO?

Ny fananana vola bebe kokoa ve no vahaolana raha tsy mahay mitsitsy ianao? Hoy i Suze Orman, mpanolo-tsaina momba ny vola: “Mihevitra isika rehetra fa tsy ho sahirana ara-bola intsony raha betsaka kokoa ny karamantsika. Tsy izany anefa matetika no izy.”

Aoka hatao hoe mitondra fiara ianao nefa tsy mahay akory, na zatra manakimpy ny masonao rehefa mamily. Ny fanampiana solika bebe kokoa amin’ny fiaranao ve no hahatonga anao tsy ho mora voan’ny loza kokoa? Azo antoka ve fa ho tonga soa aman-tsara any amin’izay alehanao ianao? Tsia. Toy izany koa, fa mbola ho sahirana ara-bola foana ianao, na dia mahazo vola betsaka kokoa aza, raha tsy mianatra mitsitsy.

[Efajoro/​Tabilao, pejy 13]

MAHAIZA MITSITSY VOLA

Ohatrinona ny vola laninao tamin’ny volana lasa? Laninao tamin’ny inona ilay izy? Tsy tadidinao ve? Ity misy torohevitra hanampy anao hahay hitsitsy vola, dieny mbola tsy mahita olana ianao.

Manaova lisitra. Fara faharatsiny ao anatin’ny iray volana, dia soraty ny vola voarainao sy ny daty nandraisanao azy. Soraty daholo koa ny zavatra vidinao sy ny vidiny. Amin’ny faran’ny volana, dia atambaro ny vola voarainao. Atambaro koa ny vola laninao.

Mianara mitantam-bola. Manaova tabilao amin’ny taratasy, ary zarao ho tsanganana telo ilay izy. Soraty ao amin’ny tsanganana voalohany ny vola rehetra mety ho voarainao ao anatin’ny volana. Ataovy lisitra ao amin’ilay faharoa ny zavatra eritreretinao handaniana ny volanao. Azonao ampiasaina ilay lisitra voalaza tetsy ambony. Soraty eo amin’ilay tsanganana fahatelo ny vola tena laninao tamin’ny zavatra tsirairay, isaky ny avy mandany vola ianao, mandritra ilay volana. Soraty daholo koa izay zavatra nandanianao vola nefa tsy noeritreretinao mialoha.

Ahenao ny vola holanina. Ahenao ny vola mivoaka, raha betsaka kokoa tsy araka ny nieritreretanao azy ny vola laninao tamin-javatra sasany, ka ananan’olona trosa ianao. Aloavy ny trosanao, ary miezaha hatrany hifehy tena.

[Tabilao]

Hetezo ary ampiasao!

Vola Miditra sy Mivoaka Isam-bolana

Vola miditra Vola holanina Vola tena lany

vola nomena ahy sakafo

asa tapa-potoana fitafiana

zavatra hafa telefaonina

fialam-boly

fanomezana

tahiry

zavatra hafa

 

 

Fitambarany Fitambarany Fitambarany

Ar Ar Ar

[Sary]

Tadidio fa manarinary ny fotoana laninao nitadiavana vola ianao, raha mandanilany ny volanao

[Sary, pejy 11]

Anontanio ny ray aman-dreninao ny fomba fitsinjarana vola