Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! 2006-06

Nandriaka Foana ny Ra Teto An-tany

Nandriaka Foana ny Ra Teto An-tany

VAO taona vitsivitsy lasa izay, dia toa tany amin’ny toerana sasany fotsiny no nisy fampihorohoroana. Anisan’izany i Irlandy Avaratra sy ny Firenena Basque any amin’ny faritra avaratr’i Espaina ary ny faritra sasany any Moyen-Orient. Mirongatra be anefa izy io izao, ary mitranga eran-tany, indrindra taorian’ny naharavan’ireo Tranobe Kambana tany New York, tamin’ny 11 Septambra 2001. Nisy fampihorohoroana, ohatra, tany amin’ny nosy kanto toa an’i Bali; tany Madrid, Espaina; tany Londres, Angletera; tany Sri Lanka; tany Tailandy; ary tany Népal mihitsy aza. Tsy zava-baovao anefa ny fampihorohoroana. Inona aloha no dikan’io teny io?

Izao no amaritan’ny diksionera iray azy io: “Fampiasana hery na herisetra amin’ny fomba tsy ara-dalàna, na fandrahonana fa hanao izany. Atao amin’olona na amin-javatra izy io, mba hampitahorana na hanerena antokon’olona na firenena. Olon-tokana na fikambanana no manao azy, ary matetika ilay izy no misy ifandraisany amin’ny resaka politika na firehan-kevitra.” Hoy anefa ilay mpanoratra atao hoe Jessica Stern: “An-jatony ny famaritana omena ny mpianatra momba ny atao hoe fampihorohoroana. ... Zavatra roa ihany anefa no tena mampiavaka azy io amin’ny karazana herisetra hafa.” Inona avy izany? “Voalohany, ny olon-tsotra no ataon’ny mpampihorohoro lasibatra. ... Faharoa, ny hampihorohoro ny fahavalony mazàna no zava-dehibe kokoa amin’izy ireo, fa tsy ny fahavoazana aterak’ilay fanafihana. Io tanjona hafakely io no mampiavaka ny fampihorohoroana amin’ny vonoan’olona na fanafihana hafa.”

Efa nisy hatramin’ny ela

Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy andian’olona nahery setra natao hoe Zelôta tany Jodia. Nitaky ny fahaleovan-tenan’ny Jiosy tamin’ny Romanina izy ireo. Lasa nantsoina hoe mpitan-tsabatra ny Zelôta sasany nafana fo indrindra, satria nanafina sabatra fohy tany anaty akanjony. Niharoharo tamin’ny vahoaka namonjy fety tany Jerosalema izy ireo, ka nandidy ny tendan’ny fahavalony, na nanindrona azy tamin’ny sabatra avy ao andamosina. *

Azon’ny Zelôta maromaro ny tanàna mimandan’i Masada,  any akaikin’ny Ranomasina Maty, tamin’ny taona 66. Novonoin’izy ireo ny miaramila romanina tao, ary nataony toeram-pamaharana io tanàna any an-tampon-tendrombohitra io. Avy tao izy ireo no nanafika sy nampijaly ny miaramila romanina, nandritra ny taona maro. Tafaverina tamin’ny Tafika Romanina notarihin’ny Governora Flavius Silva i Masada, tamin’ny taona 73. Tsy resin’izy ireo anefa ny Zelôta tao. Nilaza ny mpahay tantara iray tamin’izany, hoe tsy nisy  nitolo-batana tamin’ny Romanina izy ireo, fa naleony namono tena. Niisa 960 izy ireo. Vehivavy roa sy ankizy dimy no sisa tavela.

Misy milaza fa ny fikomiana nataon’ny Zelôta no fampihorohoroana voalohany. Na izany na tsy izany, dia nisy vokany lehibe eran-tany ny fampihorohoroana nanomboka teo.

Fomba fiadin’ny Kristianisma Anarana

Nivezivezy matetika avy any Eoropa nankany Moyen-Orient ny tafiky ny Fivavahana kristianina, nanomboka tamin’ny taona 1095. Nitohy nandritra ny taonjato roa izany. Niady tamin’izy ireo ny tafika miozolimanina avy any Azia sy Afrika Avaratra. Samy te hahazo an’i Jerosalema mantsy na ny Kristianina na ny Miozolimanina. Niady imbetsaka ireo tafika lazaina fa “mpiady masina” ireo, ka nifamono tamin’ny sabatra sy famaky. Namonoany olona tsy manan-tsiny koa anefa ny fitaovam-piadiany. Nitantara ny fidiran’ny tafiky ny Fivavahana kristianina tany Jerosalema, tamin’ny taona 1099, i William avy any Tyro, mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato faha-12. Hoy izy:

“Niara-nirohotra teny amin’ny arabe izy ireo, nirongo sabatra sy lefona. Novonoiny ho faty izay rehetra nifanena taminy, na lehilahy na vehivavy na ankizy. Tsy nasiany niangana na iray aza. ... Be loatra ny olona matin’izy ireo teny amin’ny arabe, ka nisavovona ny faty. Tsy nisy nasiana ny tongotra intsony, fa tsy maintsy nanitsaka faty izay nandeha teny. ... Be loatra ny ra nandriaka, ka feno ra daholo ny lakan-drano sy ny tatatra. Feno faty koa eran’ny araben’ny tanàna.” *

Nanomboka nampiasa baomba sy basy ny mpampihorohoro, taonjato maromaro tatỳ aoriana, ary tena nampihoron-koditra ny vokany.

An-tapitrisany no maty

Nisy fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’i Eoropa nanomboka tamin’ny 28 Jona 1914, araka ny voalazan’ny mpahay tantara. Nitifitra an’ilay printsin’i Aotrisy atao hoe François-Ferdinand ny tovolahy iray noheverin’ny olona sasany fa mahery fo. Izany no niteraka ny Ady Lehibe I. Olona 20 tapitrisa no maty vao tapitra ilay ady.

Nipoaka ny ady lehibe I tamin’ny 28 Jona 1914

Nipoaka ny Ady Lehibe II, taona maromaro tatỳ aoriana. Nanana ny nampiavaka azy koa izy io. Anisan’izany ny toby fitanana, famonoana sivily tamin’ny alalan’ny daroka baomba, ary valifaty tamin’ny olona tsy nanan-tsiny. Mbola nitohy ny famonoana olona taorian’ny ady. Olona iray tapitrisa mahery no maty an’ady tany Kambodja, tamin’ireo taona 1970. Mbola tsy maty ao an-tsain’ny olona any Rwanda koa ilay famonoana olona 800 000 mahery tany, tamin’ireo taona 1990.

Mijaly noho ny fampihorohoroana foana ny olona any amin’ny tany maro, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’izao. Mbola misy mihevitra anefa fa io no vahaolana tsara indrindra. Olona an-jatony no maty isan’andro noho ny fanafihan’ny mpampihorohoro. An’arivony no lasa kilemaina, ary an-tapitrisany no mikorontan-tsaina sy mitebiteby. Misy baomba mipoaka eny an-tsena. Maro ny tanàna kely kila forehitra, vehivavy novetavetaina, ankizy nalaina an-keriny, ary olona maty. Efa misy lalàna mandrara ny fampihorohoroana. Manameloka azy io koa ny olona eran-tany. Mbola tsy mety hifarana foana anefa io fanao tsy mifaditrovana io. Azo atao àry ve ny manantena fa ho foana izy io indray andro any?

^ feh. 5 Tantarain’ny Asan’ny Apostoly 21:38, fa nendrikendrehin’ny mpitari-tafika romanina iray ho filohan’ny “mpitan-tsabatra” niisa 4 000 ny apostoly Paoly.

^ feh. 10 Nampianarin’i Jesosy ho ‘tia ny fahavalony’ ny mpianany, fa tsy hankahala sy hamono azy ireny.—Matio 5:43-45.