Ahoana no Azonao Anampiana?

Ahoana no Azonao Anampiana?

Ahoana no Azonao Anampiana?

“Mila fanampiana ny ankizy ketraka. Tsy afaka manampy ny tenany anefa izy ireo. Tsy maintsy misy olon-dehibe aloha mamantatra ilay olana, ka mihevitra izany akaiky. Izay no sarotra indrindra.”—Dr. Mark Gold.

INONA no azonao atao raha ahinao ho ketraka ny zanakao zatovo? Aza mikoropaka, aloha. Mety ho zavatra hafa mihitsy mantsy no asehon’ireo soritr’aretina. a Misy fotoana koa mampalahelohelo ny tanora. Mety ho tsara anefa ny manatona dokotera, raha mitohy izany, ka toa tsy dia tena alahelohelo fotsiny ilay izy. Tsara amin’izay ny mitadidy ireto tenin’i Jesosy ireto: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody [dokotera], fa ny marary.”—Matio 9:12.

Lazao tsara amin’ny dokotera izay fanazavana rehetra azonao omena, ka mety hanampy azy, anisan’izany ny fiovana vao haingana teo amin’ny fiainan’ny zanakao, ka mety ho nampalahelo azy. Ataovy azo antoka fa manokana fotoana hihainoana ireo soritr’aretina ilay dokotera, alohan’ny hilazany an’ilay aretina. “Tsy ho vita ao anatin’ny fihaonana indray mandeha mandritra ny 20 minitra mihitsy ny famantarana ireo fanazavana rehetra ilaina mba hamantarana ny aretin’ny zaza iray”, hoy ny fampitandreman’ny Dr. David Fassler.

Anontanio an’ilay dokotera daholo izay tianao hanontaniana. Raha heverin’ilay dokotera, ohatra, fa ketraka ny zanakao, dia mety ho tianao ny hanontany hoe nahoana izy no tsy nieritreritra aretina hafa. Raha mampisalasala anao ny zavatra nolazainy, dia lazao aminy fa maniry hanontany dokotera hafa ianao. Azo antoka fa tsy hanakana anao amin’izany ny dokotera marina sy tsotra.

Miatrika ilay toe-javatra

Aza menatra raha voan’ny fahaketrahana ny zanakao. Mety ho voan’ny fahaketrahana, na dia ny tanora tsara taiza indrindra aza. Asehon’ny Baiboly fa nanana fihetseham-po mampanaintaina na dia ny olona miezaka mafy indrindra hanompo an’Andriamanitra aza, na firy taona izy na firy. Jereo i Joba nahatoky, izay nahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra, ka nilaza fa leon’ny fiainana. (Joba 10:1; 29:2, 4, 5) Mpanompon’Andriamanitra i Hana, nefa nanjary “nalahelo fanahy”, ka tsy nahinan-kanina. (1 Samoela 1:4-10) Teo koa i Jakoba tia an’Andriamanitra, izay nitomany nandritra ny andro maro, rehefa maty ny zanany. “Tsy nety nampiononina izy”, ary nilaza mihitsy fa naniry hanaraka ny zanany tany am-pasana! (Genesisy 37:33-35) Tsy voatery ho vokatry ny fahalemena ara-panahy, araka izany, ny fahoriam-po.

Na izany aza, dia mety handreraka ny ray aman-dreny ny fahaketrahan’ny zatovo. Hoy ny reny iray manan-janaka ketraka: “Tsy maintsy mitandrina izay lazaiko sy ataoko aho. Manahy aho, matahotra, kizitina, tezitra, trotraka.” Hoy koa ny iray hafa: “Vaky ny foko, rehefa mivoaka ny trano aho, ka mahita reny miara-miantsena amin’ny zanany vavy, satria heveriko fa tsy afaka hanao izany miaraka amin’ny zanako aho, sady mety tsy ho afaka hanao izany intsony.”

Ara-dalàna izany fihetseham-po izany. Mety havesatra loatra anefa izany, indraindray. Azonao atao amin’izay ny miresaka amin’ny namana itokisanao. Hoy mantsy ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Aza atao tsirambina koa ny vavaka. Manome toky antsika ny Baiboly fa hanohana antsika Andriamanitra, raha apetratsika aminy ny entantsika.—Salamo 55:22.

Manome tsiny ny tena

Kivy loatra ny maro amin’ireo manan-janaka zatovo ketraka, ka somary manome tsiny ny tenany, noho ilay toe-javatra. Niaiky toy izao ny reny iray: “Tena manamelo-tena ianao rehefa ketraka ny zanakao, ary tsy misy afaka milaza aminao fa tsy ianao no diso. Manontany tena foana ianao hoe: ‘Fa inona no tsy nety? Taiza no nanova ny zava-drehetra? Inona no andraikitro tamin’izany?’ ” Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anamboarana ny sainy amin’io lafiny io?

Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny ankizy ny fahasiahana ao an-trano. Mety indrindra àry izao torohevitry ny Baiboly ho an’ny ray izao: “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21) Tokony hodinihin’ny ray aman-dreny, araka izany, ny fomba itondrany ny zanany, ka hanao fanitsiana izy ireo, raha ilaina izany.

Tsy voatery ho ny ray aman-dreny foana anefa no ratsy, raha ketraka ny ankizy. Mety ho hita ao amin’ny tokantrano tena feno fitiavana mantsy io aretina io. Tsy voatery hanome tsiny ny tenany, araka izany, ireo ray aman-dreny efa manao izay azony atao.

Zava-dehibe toy izany koa ny tsy hanomezan-tsiny an’ilay zatovo ketraka. Azo inoana fa tsy afaka mifehy an’ilay aretina akory izy. Hoy ny reny iray: “Tsy nanome tsiny azy mihitsy aho rehefa voan’ny nendram-boalavo na pnemonia izy. Nanao izany kosa anefa aho rehefa voan’ny fahaketrahana izy. Nomeko tsiny noho ny aretiny izy. Mahatsiravina ahy ny tenako, noho izany.” Hahay hifantoka amin’ny fanampiana an’ilay marary ireo ray aman-dreny sy ny hafa, raha mitadidy fa aretina ny fahaketrahana, fa tsy kileman-toetra.

Mety hihenjana be ny fifandraisan’ny ray aman-dreny, noho ny fitaizana zatovo ketraka. Hoy ny vehivavy iray: “Nifanome tsiny izahay mivady, indrindra fa rehefa nieritreritra ny fiainana nantenainay hananana sy ny tena fiainanay noho ilay zanakay.” Miaiky toy izao i Tim, manan-janaka vavy ketraka: “Mora ny manome tsiny ny vadinao. Ny toetra hafahafan’ilay ankizy no nety ho nampipoaka ny zava-drehetra, raha efa tsy nifanaraka ireo mpivady, talohan’ny nahitana ireo soritr’aretin’ny fahaketrahana tao amin’ny zanany.” Aza avela hampiady anareo mivady ny fahaketrahan’ny zaza iray! Tsy misy soa azo mihitsy raha omena tsiny ianao, na ny zanakao, na ny vadinao. Ny fanohanana an’ilay marary no zava-dehibe.

Fanohanana

Mampirisika ny Kristianina toy izao ny Baiboly: “Omeo toky ny malemy saina.” (1 Tesaloniana 5:14) Afaka manampy ny tanora mihevi-tena ho tsy misy vidiny ianao. Amin’ny fomba ahoana? Mazava ho azy fa tsy hiteny aminy ianao hoe: “Tsy tokony hihevi-tena toy izany ianao”, na hoe “Izay mihitsy ilay toetra tsy tokony hananana.” Miezaha kosa hiombom-pihetseham-po aminy, ka ‘hiaraka ory’ aminy. (1 Petera 3:8) Nampirisika ny Kristianina mba ‘hiara-mitomany amin’izay mitomany’ i Paoly. (Romana 12:15) Tadidio fa tena mahatsiaro manaintaina ny olona tena ketraka. Tena misy ilay fanaintainana, fa tsy hoe mody lazainy mba hisarihana ny saina fotsiny. Miezaha hampiresaka an’ilay marary, rehefa avy nihaino azy ianao. Anontanio izy hoe nahoana izy no mahatsiaro ho toy izany. Avy eo dia ampio amin-katsaram-panahy sy faharetana ilay zatovo mba hahita hoe nahoana no tsy marim-pototra ny fiheveran-tena ho ambany toy izany. Mety hanamaivana ny fanahiany ny fanomezan-toky azy ny amin’ny fitiavana sy famindram-pon’Andriamanitra.—1 Petera 5:6, 7.

Mety hisy dingana hafa azonao atao koa. Mety ho tsara, ohatra, ny hanarahanao maso raha miala sasatra sy misakafo ary manao fanatanjahan-tena antonony ilay tanora ketraka. (Mpitoriteny 4:6) Ho tsara ny hanamafisana amin’ilay zatovo fa zava-dehibe ny mihinana fanafody, raha misy nomen’ny dokotera. Aza kivy manohana azy, ary aza atsahatra ny fanehoam-pitiavana.

Tena mety hampijaly an’ilay zatovo ketraka sy ny mpianakavy rehetra ny fahaketrahana. Ny faharetana sy ny fikirizana ary ny fitiavana, amin’ny farany, no fototra hanampiana ilay zatovo ketraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Voalaza fa mety hiteraka soritry ny fahaketrahana ny aretina toy ny mononucléose, diabeta, anemia, hypothyroïdie, ary ny tsy fahampian’ny siramamy ao amin’ny ra.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Tena mahatsiaro manaintaina ilay olona tena ketraka. Tena misy ilay fanaintainana

[Efajoro, pejy 13]

HO AN’NY ZATOVO KETRAKA

Tsy ianao irery no mandalo izany, ary misy fanantenana ho anao. Mety ho ny iray amin’ireto no mahatonga anao ho ketraka: 1) tsy fifandanjan’ny zavatra simika, na 2) zava-mitranga tsy miankina aminao. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy ianao no diso amin’izany. Inona anefa no azonao atao momba azy io?

Milaza ny Baiboly fa “misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” (Ohabolana 18:24) Nahoana raha mitady namana toy izany ka milaza ny fihetseham-ponao aminy? Mety hanampy anao indrindra hiady amin’ny fahaketrahana ny ray na ny reninao, na ny olon-dehibe matotra hafa.

Mety hitondra anao any amin’ny dokotera mahay mitsabo ny fahaketrahana ny ray aman-dreninao, raha miahiahy anao ho tratran’io aretina io izy ireo. Fahendrena ny manao izany, satria matetika no sitran’ny fitsaboana ny fahaketrahana, rehefa misy izany fitsaboana izany. Mety homena fanafody manalefaka fahaketrahana, ohatra, ny olona iray, raha tsy mifandanja ny zavatra simika ao aminy. Aza menatra mihinana fanafody, raha izay no mahazo anao. Mampifandanja indray ny zavatra simika ao amin’ny vatanao fotsiny izany, ary mety ho izay no hanampy anao ho falifaly sy hitombina tsara kokoa indray amin’ny fiainana.

Olona ketraka maro no nahazo fiononam-po rehefa namaky ny Baiboly sy nanatona kokoa an’Andriamanitra tamin’ny vavaka. Manome toky toy izao ny Baiboly: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” bSalamo 34:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe... Tokony Holazaiko Amin’olona ve hoe Ketraka Aho?”, tao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2000.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

FANAMPIANA SY FANANTENANA HO AN’NY KETRAKA

Tsy ho voaresaka ato amin’ity andian-dahatsoratra fohy ity avokoa ny lafiny rehetra amin’ny fahaketrahana, satria zavatra iray tena sarotra izy io. Matoky anefa ny mpampanonta ny Mifohaza! fa afaka manampy ny zatovo sy ny ray aman-dreniny hiaritra an’io aretin-dratsy io ireo hevitra voalaza tato.

Mety ho voamarikao fa miorina amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ireo tari-dalana tao amin’ilay lahatsoratra talohan’ity. Marina fa boky tranainy izy io. Mbola azo ampiharina hatramin’izao anefa ny toroheviny. Nahoana? Satria tsy niova ny maha izy ny olona, na dia efa nandeha aza ny fotoana. Mitovy ny zava-manahirana atrehintsika sy ny an’ireo taranaka teo aloha. Lehibe kokoa sy mitatra kokoa fotsiny ireo zava-manahirana ireo ankehitriny.

Izao koa anefa no antony maha azo ampiharina ny Baiboly: Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io. (2 Timoty 3:16) Fantany izay ilaintsika mba hahasambatra antsika, satria izy no Mpamorona antsika.

Mazava ho azy fa tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly. Noho izany, dia tsy mandrara ny hanatonantsika dokotera mba hitsaboana aretina toy ny fahaketrahana, izy io. Misy torohevitra manampy antsika hampionona ny ketraka kosa anefa ao anatiny. Ankoatra izany, dia misy fampanantenan’Andriamanitra hanasitrana tsy ho ela ny aretintsika rehetra ao. (Salamo 103:3) Eny, mampanantena ny “hamelombelona ny fon’ny torotoro fo” i Jehovah.—Isaia 57:15.

Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa an’io fanantenana lehibe io? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

[Sary, pejy 10]

Miezaha mafy hahatakatra ny fihetseham-pony

[Sary, pejy 11]

Tsara ny manatona dokotera, raha mitohy ny fahaketrahan’ny zatovo

[Sary, pejy 12]

Aza maika loatra hanome tsiny ny tenanareo na ny vadinareo na ny zanakareo, ianareo ray aman-dreny