Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe

Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe

Mila asehontsika foana fa tia an’i Jehovah sy ny namantsika isika, indrindra fa mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. (Mt 22:37-39) Ahoana no ataonao raha tena tia namana ianao? Hoy ny 1 Korintianina 13:4-8: ‘Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’ Jereo indray àry ilay video hoe Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe, ka eritrereto izay azonao atao mba hampiharana ny hevitra resahina ao.

AHOANA NO HAMPISEHOANA HOE TIA OLONA ISIKA...

  • rehefa mamandrika toerana?

  • rehefa hanomboka ny mozika?

  • rehefa any amin’ny hotely na toerana filasiana?

  • rehefa misy asa an-tsitrapo mila atao?