Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA APRILY 2016

4-10 Aprily

JOBA 16-20

4-10 Aprily
  • Hira 79 sy Vavaka

  • Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • Ataovy Mahafinaritra sy Mampahery ny Teny Lazainao”: (10 min.)

    • Jb 16:4, 5: Tokony hampahery ny torohevitra fa tsy vao mainka hahakivy (w90 15/6 27-28, “Mampahereza amin’ny alalan’ny teny” § 1-2)

    • Jb 19:2: Vao mainka nampitaraina an’i Joba ny tenin’i Bildada (w06 15/3 15 § 6; w94 1/10 32)

    • Jb 19:25: Nieritreritra ny fitsanganana amin’ny maty i Joba, ka nahavita niaritra na dia faran’izay mafy aza ny nahazo azy (w06 15/3 15 § 5; it “Vidim-panavotana”: “Tsy voatery ho vola na onitra” § 3-4)

  • Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)

    • Jb 19:20: Inona ny dikan’ilay tenin’i Joba hoe: “Ny hoditry ny nifiko sisa no nentiko nandositra”? (w06 15/3 15 § 1; it “Hoditra”: “Heviny an’ohatra” § 1)

    • Jb 19:26: Nahoana i Joba no niteny hoe “hahita an’Andriamanitra”, nefa tsy misy olona afaka mahita an’i Jehovah? (w94 15/11 19 § 17)

    • Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?

    • Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?

  • Famakiana Baiboly: Jb 19:1-23 (4 min. na latsaka)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

  • Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

  • Hira 42

  • Zava-baovao Hoentintsika Mitory”: (10 min.) Fiaraha-midinika. Ampirisiho ny rehetra hampiasa an’ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly?” Hahita hevitra horesahina izy ireo amin’izay, sady hahazo fampianarana Baiboly.

  • Fanontanian’ny Mpamaky: (5 min.) Lahateny ataon’ny anti-panahy. (w15 15/2 30 § 4-6)

  • Fianarana Baiboly: ia toko 12 § 13-25, famerenana (30 min.)

  • Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)

  • Hira 65 sy Vavaka