Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fivoriambe

Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fivoriambe

Tsy andrintsika foana isan-taona ny hahazo an’ireo sakafo ara-panahy any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hanasa olona be dia be araka izay vitantsika àry isika, satria mba tiantsika hanandrana koa izy ireo ka hahita fa tsara i Jehovah. (Sl 34:8) Ny anti-panahy no hiara-hanapa-kevitra hoe inona ny hevitra tena tsara hizarana ny fanasana.

NY TSARA HOTADIDINA

  • Oviana ny fivoriambenay?

  • Oviana ny fiangonanay no manomboka mizara fanasana?

  • Isaky ny inona no misy fivoriana alohan’ny fanompoana?

  • Inona ny tanjoko amin’ity ezaka manokana ity?

  • Iza avy no eritreretiko hasaina?

AHOANA NO HANOLORANA AN’ILAY IZY?

Rehefa avy miarahaba an’ilay olona ianao, dia afaka milaza hoe:

“Mizara an’ity fanasana ity izahay, satria misy fivoriambe atao maneran-tany, tianay hanasana ny olona rehetra. Efa voasoratra ato ny daty sy ny ora ary ny toerana hanaovana an’ilay izy. Faly izahay raha mba tonga ianao amin’io.”

AHOANA NO ATAO RAHA LIANA ILAY OLONA?

Marina fa ny olona rehetra no tiantsika hasaina. Tsara anefa raha mba jerentsika manokana izay hita hoe liana.

Afaka manolotra gazety koa ianao, miaraka amin’ilay fanasana, rehefa faran’ny herinandro.