Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA APRILY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 16-20

Ataovy Mahafinaritra sy Mampahery ny Teny Lazainao

Ataovy Mahafinaritra sy Mampahery ny Teny Lazainao

Tokony hampahery ny torohevitra fa tsy vao mainka hahakivy

16:4, 5

  • Nijaly be i Joba sady tena kivy, ka mba nila olona hanampy sy hampahery azy

  • Tsy mba nampahery an’i Joba akory ireo namany telo lahy. Vao mainka aza izy ireo nanome tsiny azy sy nanampy trotraka ny fahoriany

Vao mainka nampitaraina an’i Joba ny tenin’i Bildada

19:2, 25

  • Te ho afaka tamin’ny fijaliana i Joba, dia nitaraina tamin’Andriamanitra. Nangataka ny ho faty mihitsy izy

  • Nieritreritra ny fitsanganana amin’ny maty foana i Joba, ka nahavita niaritra sy tsy nivadika tamin’i Jehovah