Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’i Jehovah, fa Tsy An’i Satana

Manompoa An’i Jehovah, fa Tsy An’i Satana

Manana safidy avokoa isika rehetra. Na hanompo an’i Jehovah isika na hanompo an’i Satana sy ireo demoniany. Tsy afaka manao azy ireo miaraka isika. Endrey ny fahendren’ny fanompoana an’i Jehovah!

Tsara i Jehovah

Araka ny hitantsika teo aloha, ireo demonia dia faly mampijaly sy mamitaka ny olona. Tsy mba tahaka izany i Jehovah. Tia ny taranak’olombelona toy ny fitiavan’ny ray iray ny zanany izy. Izy no Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Tsy misy zava-tsoa ka tsy omeny ny taranak’olombelona, na dia be dia be aza ny vidiny aloany amin’izany. — Efesiana 2:4-7.

Naneho fitiavana ny olona tamin’ny fanasitranana ny aretin’izy ireo i Jesosy, Zanak’Andriamanitra

Eritrereto ireo zavatra nataon’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, teto an-tany. Nampiteny ny tsy afa-niteny izy ary nampahiratra ny jamba. Nanasitrana ny boka sy ny mandringa izy. Namoaka demonia ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra izy. Nanangana ny maty ho amin’ny fiainana mihitsy aza i Jesosy, noho ny herin’Andriamanitra. — Matio 9:32-35; 15:30, 31; Lioka 7:11-15.

Tsy milaza lainga hamitaka antsika Andriamanitra, fa milaza ny marina mandrakariva kosa. Tsy mamitaka na iza na iza mihitsy izy. — Nomery 23:19.

Mandosira ireo fanao maloto

Tsy misy hafa amin’ny fihazonan’ny tranon-kala mafy ny lalitra iray, dia toy izany koa ny fihazonan’ny finoanoam-poana sy ny lainga ny olona an-tapitrisany maro. Matahotra ny maty izy ireo. Matahotra ny demonia izy ireo. Manahy izy ireo sao iharan’ny ozona, ny fambara, ny zavatra anaovana ho fiarovana amin’ny vintana ary ny sampy natao hahatsara vintana. Voagejan’ny finoana sy ny lovantsofina mifototra amin’ireo laingan’i Satana Devoly izy ireo. Tsy misy na dia iray amin’ireny zavatra ireny aza mamandrika ireo mpanompon’Andriamanitra.

Mahery lavitra noho i Satana i Jehovah. Raha manompo an’i Jehovah ianao, dia hiaro anao amin’ireo demonia izy. (Jakoba 4:7). Tsy hisy vokany eo aminao ireo mosavy. Ohatra, tany Nigéria, dia nisy mpanao ody ratsy telo namosavy ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nanda ny handao ny tanàna. Rehefa tsy nahomby ireo mosavy, dia nanjary natahotra ny iray tamin’ireo mpanao ody ratsy ka nankany amin’ilay Vavolombelona ary nitalaho famindrampo taminy.

Nandoro ireo bokiny momba ny majika ireo Efesiana

Raha mampijalijaly anao tsy an-kijanona ireo demonia, dia azonao atao ny miantso an’i Jehovah amin’ny anarany, ary dia hiaro anao izy. (Ohabolana 18:10). Kanefa, mba hahazoanao ny fiarovan’Andriamanitra, dia tsy maintsy manafa-tena tanteraka amin’izay rehetra mifandray amin’ny spiritisma sy ny fanompoana ireo demonia ianao. Nanao izany ireo mpanompon’Andriamanitra tany Efesosy fahizay. Nangonin’izy ireo avokoa ny boky rehetra momba ny majika teo aminy ary nodorany. (Asan’ny apostoly 19:19, 20). Ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny dia tsy maintsy manao toy izany koa. Esory eo aminao ireo zavatra anaovana ho fiarovana amin’ny vintana, ireo ody atao fiaro, ireo tady “mpiaro”, ireo sampy natao hahatsara vintana, ireo boky momba ny majika, ary izay zavatra hafa rehetra mifandray amin’ny fanao momba ny spiritisma.

Manaraha ny fanompoam-pivavahana marina

Raha tianao ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy ampy ny mamela ny fanompoam-pivavahana diso sy ny mitsahatra tsy manao zavatra ratsy fotsiny. Tsy maintsy manaraka ny fanompoam-pivavahana madio amin’ny alalan’ny asa ianao. Mampiseho izay takina aminao ny Baiboly:

Manatreha ireo fivoriana kristiana. — Hebreo 10:24, 25

Mianara ny Baiboly. — Jaona 17:3

Mitoria amin’ny hafa. — Matio 24:14

Mivavaha amin’i Jehovah. — Filipiana 4:6, 7

Maneke hatao batisa. — Asan’ny apostoly 2:41

Mifaneraserà amin’ny Vavolombelon’i Jehovah

I Satana sy ireo demonia dia manana olona mampianatra sy manao zavatra tsy mety eto an-tany. I Jehovah koa anefa manana vahoaka iray. Ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. (Isaia 43:10). Manerana ny tany, dia misy Vavolombelona enina tapitrisa mahery. Miezaka mafy ny hanao zavatra tsara avokoa izy rehetra ireo, ary mampianatra ny hafa ny fahamarinana. Any amin’ny ankamaroan’ny tany, dia azonao atao ny mahita azy ireny any amin’ny Efitrano Fanjakana, izay handraisany anao amin-kafanam-po.

Ny asany dia ny manampy ny hafa hanompo an’Andriamanitra. Hiara-mianatra ny Baiboly aminao any an-tokantranonao izy ireny, ary hanampy anao hianatra ny fomba fanompoana an’i Jehovah araka ny mety. Tsy mila ny mandoa vola ianao amin’izany. Faly ny Vavolombelona mampianatra ny fahamarinana satria tia ny olona izy ireny sady tia an’i Jehovah Andriamanitra koa.

Hanampy anao hanompo an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah