Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FPG/The Image Bank via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Milaza ny Mpanao Politika hoe ho Avy Aramagedona: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Milaza ny Mpanao Politika hoe ho Avy Aramagedona: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Nisy bala afomanga nalefan’i Rosia nanerana an’i Ukraine, ny marainan’ny alatsinainy 10 Oktobra 2022. Te hamaly faty mantsy i Rosia satria nisy baomba be nipoaka tany, roa andro talohan’izay, dia rava ny tetezana mampitohy an’i Crimée sy Rosia. Vao nisy mpanao politika niteny mihitsy taloha kelin’izay hoe mety ho avy Aramagedona.

  •   “Tamin’ny andron’i Kennedy [Prezidàn’i Etazonia], tamin’ilay aferana fitaovam-piadiana niokleary tany Cuba, isika no natahotra be farany hoe ho avy Aramagedona, dia izao indray miverina ilay izy. ... Azoko antoka hoe raha raikitra ny ady ka misy mampiasa fitaovam-piadiana niokleary, dia tsy maintsy Aramagedona no hiafarany.”​—Joe Biden, Prezidàn’i Etazonia, 6 Oktobra 2022.

  •   “Tena efa ho avy Aramagedona dia ny tany manontolo mihitsy no atahorana hiharany.”​—Volodymyr Zelensky, Prezidàn’i Ukraine, tamin’izy nanontaniana hoe inona no ho vokany raha misy mampiasa fitaovam-piadiana niokleary, BBC News, 8 Oktobra 2022.

 Tena Aramagedona tokoa ve no hiafarany raha misy mampiasa fitaovam-piadiana niokleary? Inona no lazain’ny Baiboly?

Aramagedona ve no hiafarany raha misy mampiasa fitaovam-piadiana niokleary?

 Tsia. Ao amin’ny Apokalypsy 16:16 ihany no ahitana ny teny hoe “Aramagedona” ao amin’ny Baiboly. Tsy ady eo amin’ny firenena samy firenena ilay izy fa ady ataon’Andriamanitra amin’ny “mpanjakan’ny tany manontolo.” (Apokalypsy 16:14) Hampiasain’Andriamanitra hamaranana ny fitondran’olombelona io ady Aramagedona io.​—Daniela 2:44.

 Vakio ilay lahatsoratra hoe Inona no Atao hoe Ady Hara-magedona? raha tianao ho fantatra hoe hanao ahoana izao tontolo izao aorian’ny Aramagedona.

Ho potiky ny ady niokleary ve ny tany dia ho faty daholo ny olona?

 Tsia. Tsy havelan’Andriamanitra ho potika mihitsy ny tany, na dia mety hampiasa fitaovam-piadiana niokleary aza ny olona. Milaza ny Baiboly hoe:

  •   ‘Maharitra mandrakizay ny tany.’​—Mpitoriteny 1:4.

  •   “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​—Salamo 37:29.

 Na izany aza, dia hita hoe hisy zavatra miavaka be hitranga atsy ho atsy, rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-misy iainantsika. (Matio 24:3-7; 2 Timoty 3:1-5) Raha tianao ho fantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy, dia asainay ianao hianatra Baiboly maimaim-poana.