Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Ahoana no Hanazavako Amin’ny Zanako hoe Mety ve ny Misotro Toaka sa Tsia?

Ahoana no Hanazavako Amin’ny Zanako hoe Mety ve ny Misotro Toaka sa Tsia?

 “Vao enin-taona ny zanakay vavy dia efa niresahanay hoe mety ve ny misotro toaka sa tsia. Noheverinay hoe tsy ho azony ilay resaka, kanjo gaga be izahay fa hay izy efa nahay zavatra be dia be momba an’ilay izy.”—Alexander.

 Tsara ho fantatrao

 Mbola kely izy dia efa tokony hiresahana. Aza miandry hoe efa lehibebe ny zanakao vao iresahanao hoe mety sa tsy mety ny misotro toaka. Hoy i Khamit, any Rosia: “Nanenina be aho satria tokony mbola kely ny zanakay lahy, dia efa niresahanay hoe azo atao ny misotro toaka sa tsia. Hay izy vao 13 taona dia efa nisotro, sady nataony fanao mihitsy!”

 Fa nahoana ianao no tena tokony hiresaka aminy?

  •   Mety hoeritreretiny hoe azo atao ilay izy satria izay no hitany na henony any am-pianarana na amin’ny dokam-barotra na amin’ny tele.

  •   Nilaza ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia, fa zaza tsy ampy taona ny 11 isan-jaton’ny olona mpisotro toaka any.

 Tsy mahagaga raha nisy tompon’andraikitra ambony momba ny fahasalamana nilaza hoe mbola kely ny ankizy dia efa tokony hampianarin’ny ray aman-dreniny hoe mampidi-doza ny toaka. Ahoana no hanaovana an’izany?

 Inona no azonao atao?

 Eritrereto mialoha hoe inona no mety hanontaniany. Tia manontanintany ny ankizy, indrindra fa ny ankizy efa lehibebe. Omano mialoha àry izay havalinao azy. Ireto misy ohatra:

  •   Raha manontany anao izy hoe hoatran’ny ahoana ny tsiron’ny toaka, dia azonao valiana hoe: “Raha divay ilay izy, dia hoatran’ny tsirona ranom-boankazo fa marikivikivy. Ny labiera indray mangidingidy.”

  •   Raha manontany anao izy hoe mahazo manandrana kely ve izy, dia azonao atao ny manazava hoe mahery be ny toaka, dia tsy mety amin’ny ankizy. Resaho avy eo ny vokany. Lazao, ohatra, hoe mahafalifaly ny toaka sady mampilamindamina saina. Raha misotro be loatra anefa ny olona iray, dia mety ho fanina, na hanaonao foana, na hiteny zavatra hanenenany.—Ohabolana 23:29-35.

 Manaova fikarohana. Hoy ny Baiboly: “Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra.” (Ohabolana 13:16) Fantaro hoe inona avy ny vokatry ny toaka, dia inona avy ny lalàna momba azy io ao amin’ny tany misy anareo. Ohatra hoe firy taona ny olona iray vao mahazo misotro, dia hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny alkaola azon’ny mpamily fiarakodia sotroina. Ho hainao tsara amin’izay hoe inona no horesahina amin’ny zanakao.

 Aza izy no andrasana hiresaka, fa tonga dia resaho ilay izy. Izany no nataon’i Mark, any Grande-Bretagne. Hoy izy: “Nanontaniako ilay zanako lahy valo taona hoe mety sa tsy mety ny misotro toaka. Tsy voatery ho hain’ny ankizy tsinona izany. Tsy nataoko resaka matotra be anefa ilay izy fa nataoko mahafinaritra, dia nahasahy nilaza ny heviny izy.”

 Miresaha matetitetika amin’ny zanakao raha tianao hisy vokany kokoa izay lazainao. Raha efa lehibebe izy, dia azonao ampidirina tsindraindray ny resaka toaka rehefa mampianatra azy zavatra hafa ianao. Ohatra hoe rehefa manoro azy hoe mila mitandrina tsara izy eny amin’ny arabe, na rehefa miresaka aminy momba ny firaisana.

 Miezaha ho modely. Hoatran’ny spaonjy ny ankizy. Mora mitroka ranon-javatra ny spaonjy. Mora maka tahaka an’izay ataon’ny olon-kafa koa ny ankizy, indrindra fa izay ataon’ny ray aman-dreniny. Izany no hitan’ny mpikaroka. Vao sorena ve ianao na vao miady saina, dia misotro toaka? Raha izany no ataonao, dia hieritreritra ny zanakao hoe mila misotro toaka izy raha te hahavaha olana. Miezaha àry ho modely. Ataovy hitany hoe mahafehy tena ianao, fa tsy misotro be loatra.

Miezaha ho modely ho an’ny zanakao