Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nanam-piandohana Tokoa ve Andriamanitra?

Tsy Nanam-piandohana Tokoa ve Andriamanitra?

Manontany ny Mpamaky

Tsy Nanam-piandohana Tokoa ve Andriamanitra?

▪ Milaza ny Baiboly fa tsy nanam-piandohana izy, fa efa nisy foana hatramin’izay. Hisy foana mandrakizay koa izy. Tsy tokony ho lavintsika anefa ireo hevitra ireo, satria fotsiny hoe sarotra ny mahazo ny tena dikany.

Tsy tokony hanantena isika hoe ho fantatsika daholo ny momba an’Andriamanitra. Nahoana? Hoy ny apostoly Paoly: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Romanina 11:33) Tsy afaka mahatakatra tanteraka ny halalin’ny fahendrena sy ny fahalalan’Andriamanitra isika, mitovy amin’ny ankizy iray tsy afaka mahatakatra ny zava-drehetra momba ny ray aman-dreniny. Marina fa niresaka momba ny fahendrena sy ny famindram-po miavaka ananan’Andriamanitra i Paoly teo. Te hilaza koa anefa izy fa tena sarotra ka tsy takatry ny saintsika ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra sy ny zavatra sasany momba azy. Anisan’izany angamba ilay hevitra hoe tsy nanam-piandohana Andriamanitra. Afaka matoky tanteraka izay lazain’ny Soratra Masina momba an’Andriamanitra anefa isika. Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Ny [tenin’Andriamanitra] no fahamarinana.”—Jaona 17:17.

Hoy koa i Mosesy, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Salamo 90:2, Fandikan-teny Protestanta) Nilaza i Mosesy teo fa hisy mandrakizay i Jehovah. Antsoin’ny Baiboly koa hoe “Ilay velona mandrakizay mandrakizay” izy. (Apokalypsy 4:10) Nilaza koa anefa i Mosesy hoe efa nisy hatramin’izay izy, izany hoe tsy nisy namorona.

Sarotra indraindray ny mahatakatra zavatra sasany, nefa ekentsika ihany ilay izy. Anisan’izany, ohatra, ny isa. Tsy misy farany mihitsy izy io, na manisa miakatra isika na manisa midina, satria mbola misy isa ambanin’ny zero. Toy izany koa ny fotoana isian’ny Mpamorona.

Mety tsara àry raha antsoina hoe “Mpanjakan’ny mandrakizay” Andriamanitra. (1 Timoty 1:17) Izy irery no antsoina toy izany. Eritrereto izao: Nanam-piandohana i Jesosy Kristy, ireo anjely maro be, ary ny olombelona rehetra, satria noforonina. (Kolosianina 1:15, 16) Tsy mba toy izany Andriamanitra. Raha manizingizina isika hoe noforonina Andriamanitra, dia mamorona hevitra tsy misy dikany, ka hiteraka fanontaniana hoe: Iza no namorona ny Mpamorona? Ary iza indray no namorona azy io? Dia hitohy foana izany, tsy hisy fiafarany. I Jehovah irery ihany no efa nisy “mandrakizay ka ho mandrakizay.” (Salamo 90:2, Kat.) Efa nisy “hatrizay hatrizay” izy.—Joda 25.

Tsy zavatra tsotra fotsiny anefa ny fahafantarana an’izany. Rehefa mandinika tsara an’ilay vavak’i Mosesy isika, dia mahita hoe ny maha mandrakizay an’Andriamanitra dia manome toky antsika fa ho tanteraka ilay fampanantenana feno fitiavana hoe afaka hiaina mandrakizay isika. Fohy ny androm-piainantsika. Tsy mba toy izany anefa Andriamanitra. Milaza ny Baiboly hoe izy no ‘tena fonenantsika, hatramin’ny taranaka fara mandimby.’ Efa nanampy ny vahoakany io Ray be fitiavana io taloha. Mbola manampy azy ireo izy izao, ary mbola hanampy azy ireo mandrakizay. Mampahery tokoa izany!—Salamo 90:1.