Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanaratoana teo Amin’ny Ranomasin’i Galilia

Fanaratoana teo Amin’ny Ranomasin’i Galilia

Fanaratoana teo Amin’ny Ranomasin’i Galilia

NANAO ahoana ny fiainan’ny mpanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, tamin’ny taonjato voalohany? Manampy antsika hahatakatra an’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara, toy ilay tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ny valin’izany.

Tsy “ranomasina” izy io, raha ny marina, fa farihy. Mirefy 21 kilaometatra ny lavany ary 12 kilaometatra ny sakany. Maro ny trondro efa azon’ny mpanarato tao. Azo antoka fa toerana fivarotana trondro ilay Vavahadin-trondro tao Jerosalema. (Nehemia 3:3) Anisan’ny namidy tao ny trondro avy tao amin’ny Ranomasin’i Galilia.

Avy tao Betsaida, tanàna teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, ny apostoly Petera. Mety hidika izy io hoe “Tranon’ny Mpanarato.” Nisy tanàna iray nantsoina hoe Magadana koa teo akaikin’io farihy io. Nentin’i Jesosy tao ireo mpianany, rehefa avy nandeha teo ambony rano izy. (Matio 15:39) Milaza ny mpanoratra iray fa azo adika hoe “Tanàna Fikarakarana Trondro” ny anaran’io tanàna io. Nisy orinasa lehibe fikarakarana trondro mantsy tao. Nohamainina ireo trondro ary nasiana sira na nalona tao anaty vinaingitra, mba hanamboarana saosy natao tao anaty siny tanimanga. Nofonosina izany avy eo ary naondrana an-tsambo, angamba nanerana ny Israely sy tany an-toeran-kafa mihitsy aza.

Fandraharahana be mpanao tany Galilia àry ny fanaratoana sy fikarakarana ary fivarotana trondro, tamin’ny andron’i Jesosy. Nahazo vola be ve ny ankamaroan’ny olona tao? Tsy voatery. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tsy hoe ‘asa tsy niankina tamin’ny fanjakana’, araka ny mety hiheveran’ireo mpamaky ny Testamenta Vaovao azy, ny fanaratoana tamin’izany.” Anisan’ny “fidiram-bolan’ny fanjakana sy ireo olona ambony” kosa izy io.

I Heroda Antipasy no notendren’i Roma ho lehibem-paritr’i Galilia tamin’izany. Izy àry no niandraikitra ny lalana sy ny seranan-tsambo ary ny harena voajanahary, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ala, fambolena, ary fanaratoana. Ireo harena voajanahary no tena nahazoan’i Heroda hetra. Tsy haintsika ny tsipiriany momba ny fanangonana hetra tany Galilia, tamin’ny taonjato voalohany. Toa nitovitovy tamin’ny nataon’ireo mpitondra grika, na ny nataon’ny Romanina tany amin’ireo faritra atsinanana hafa anefa ny nataon’i Heroda. Lasan’ny olona ambony ny ankamaroan’ny tombony azo avy tamin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny asa hafa, fa tsy azon’ny sarambabem-bahoaka. Ireo anefa no tena niasa mafy.

Nidangana ny hetra

Tamin’ny andron’i Jesosy, dia an’ny mpanjaka ireo tany tsara indrindra tany Galilia, ary nozarazaraina ho tany lehibe maromaro. Nomen’i Heroda Antipasy an’ireo olo-manan-kajany sy ny olon-kafa tiany izy ireny. Ny olom-pehezin’i Heroda no nandoa vola mba hisahanana ny fiainany feno haitraitra, hanorenana trano lehibe, hampandrosoana ny fanjakany, ary homeny an’ireo namany na hanaovany asa fanampiana tanàna. Voalaza fa nidangana loatra ny hetra sy ny fadin-tseranana nalaina tamin’ny vahoaka.

I Heroda irery koa no nitantana ny fanaratoana tao amin’ilay faritra. Izy mihitsy no nanao izany na ireo olona nomeny tany teo akaikin’ireo farihy. Ahoana ny amin’ireo faritra niadidian’ny fanjakana? Nankany amin’i Heroda ireo olona nanan-karena, ary nividy fahazoan-dalana hanangona hetra. Lasa lehiben’ny mpamory hetra àry izy ireo. Ry zareo avy eo no nifanaraka tamin’ny mpanarato sy nanome alalana azy ireo hanarato. Misy mpivaofy teny milaza fa mety ho niasa ho an’ireo lehiben’ny mpamory hetra ireo i Matio, mba hikarakara “fahazoan-dalana hanjono tao amin’ny farihin’ny fanjakana.” Niasa tao Kapernaomy mantsy izy, ary tanàna foiben’ny fanaratoana teo amin’ny Ranomasin’i Galilia izy io. *

Asehon’ireo zavatra nampiasaina tamin’ny taonjato faharoa sy voalohany Talohan’i Kristy, fa naloa tamin’ny alalan’ny “zavatra” ny hetra tany Palestina fa tsy naloa vola. Nanome ny 25 ka hatramin’ny 40 isan-jaton’ny trondro azony àry ny mpanarato sasany, mba hahazoana alalana hanarato. Lazain’ireo asa soratra fahiny fa mbola ny Fanjakana ihany no nitantana ny fanaratoana tany amin’ny faritra sasany teo ambany fahefan’ny Romanina, ary nisy mpanara-maso izy ireny. Nasiana karazana polisin’ny fanaratoana tany Pisidia, mba hanara-maso raha nahazo alalana ireo mpanarato. Nohamarininy koa raha tamin’ireo mpivarotra ambongadiny nahazo alalana ihany ny mpanarato no nivarotra ny trondrony. Niasa ho an’ny Fanjakana sy nandoa hetra koa anefa ireo mpivarotra ambongadiny ireo.

Inona no dikan’ireo fanaraha-maso sy fitakiana hetra ireo? Hoy ny mpikaroka iray: “Lasan’ny mpanjaka na ireo olona nomeny tany ny ankamaroan’ny tombony azo, fa kely dia kely ny an’ny mpanarato.” Kely koa ny tombony azon’ireo nanao varotra hafa, satria nidangana be ny hetra. Tsy tian’ny olona mihitsy àry ny nandoa hetra. Hita ao amin’ireo Filazantsara fa nankahalain’ny vahoaka ny mpamory hetra. Azo inoana anefa fa vao mainka nitombo izany, satria tena tsy nanao ny marina sy tia vola ireo mpamory hetra. Lasa nanan-karena izy ireo satria nitsentsitra ny vahoaka.—Lioka 3:13; 19:2, 8.

Ireo mpanarato ao amin’ny Filazantsara

Lazain’ny Filazantsara fa niara-niasa tamin’olon-kafa i Simona Petera rehefa nanarato. Nanampy azy, ohatra, ny “namany teny amin’ny sambokely hafa” mba hibata an’ireo trondro azony tamin’ny fomba mahagaga. (Lioka 5:3-7) Milaza ny manam-pahaizana fa ‘afaka nanangana “fikambanana” ireo mpanarato mba hahafahany hangataka fahazoan-dalana hanarato na hanofa fitaovana.’ Nety ho nahazo alalana hanarato tamin’izany fomba izany ny zanak’i Zebedio, Petera sy Andrea, ary ireo namany.

Tsy voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina raha nanana sambo sy nampiasa ny fitaovany manokana ireo mpanarato galilianina ireo. Misy mihevitra an’izany. Voalaza fa niakatra tao amin’ny sambokely iray “izay an’i Simona” i Jesosy. (Lioka 5:3) Milaza anefa ny lahatsoratra iray momba ny fanaratoana fa “an’ireo lehiben’ny mpamory hetra angamba ny sambo, ary nampiasain’ny fikambanan’ny mpanarato.” Na izany na tsy izany, dia milaza ny Soratra Masina fa nanamboatra ny haratony i Jakoba sy Jaona. Azo inoana fa tsy maintsy nifanaraka tamin’ny lehiben’ny mpamory hetra ireo mpanarato mba hahafahany hivarotra ny trondrony, sy hanakaramany mpiasa raha ilaina izany.

Maro àry ny zavatra tafiditra tamin’ny fanaratoana tany Galilia, tamin’ny taonjato voalohany. Nisy zavatra maro nifampidipiditra tamin’ilay izy. Ny fitadidiana izany dia manampy antsika hamantatra ny hevitr’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara, sy hahatakatra ny tenin’i Jesosy momba ny fanaratoana sy ny mpanarato. Manampy antsika hahatakatra ny finoan’i Petera, Andrea, Jakoba ary Jaona koa izany. Ny fanaratoana mantsy no fivelomany. Tsy hay na nanam-bola be izy ireo na tsia, tamin’i Jesosy niantso azy mba ho lasa “mpanarato olona.” (Matio 4:19) Nilaozan’izy ireo avy hatrany anefa ilay asa nahazatra azy, izay fidiram-bola azo antoka ho azy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Toa niala tao Betsaida ny apostoly Petera ary nankany Kapernaomy. Nivelona tamin’ny fanaratoana izy tany, niaraka tamin’i Andrea rahalahiny sy ireo zanak’i Zebedio. Nipetraka kelikely tany koa i Jesosy.—Matio 4:13-16.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Farihin’i Hola

Betsaida

Kapernaomy

Magadana

Ranomasin’i Galilia

Jerosalema

Ranomasina Maty

[Sary nahazoan-dalana]

Todd Bolen/Bible Places.com

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Todd Bolen/Bible Places.com