Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hery Ilainao eo Amin’ny Fiainana ny Fanahy Masina

Hery Ilainao eo Amin’ny Fiainana ny Fanahy Masina

Hery Ilainao eo Amin’ny Fiainana ny Fanahy Masina

NANAO fahotana lehibe i Davida Mpanjaka. Nivavaka tamin-kafanam-po izy hoe: “Aza manary ahy tsy ho eo anatrehanao. Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina.”—Salamo 51:11.

Imbetsaka i Davida no nampian’ny fanahy masina. Afaka nandresy an’i Goliata, ilay miaramila goavam-be, izy tamin’ny mbola tanora, noho io hery io. (1 Samoela 17:45-50) Nanampy azy hanoratra an’ireo salamo anisan’ny tsara indrindra koa izy io. Hoy i Davida: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.”—2 Samoela 23:2.

I Jesosy Kristy mihitsy no nilaza fa niasa tamin’i Davida ny fanahy masina. Hoy izy indray mandeha: “I Davida mihitsy no nampitenenin’ny fanahy masina hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.” ’ ” (Marka 12:36; Salamo 110:1) Fantany fa notarihin’ny fanahy masina i Davida rehefa nanoratra ny salamo. Afaka manampy antsika koa ve io fanahy io?

“Mangataha foana, dia homena ianareo”

Mety tsy hanoratra salamo ianao, saingy mety hiatrika olana goavana toa an’i Goliata. Diniho izay nanjo an’i Oly. * Nandao azy ny vadiny, satria nahita vehivavy tanora kokoa. Namela azy ho bokan’ny trosa izy io, ary tsy nanampy azy ara-bola akory mba hamelomany ny zanany roa vavy. Hoy izy: “Voafitaka aho ary nahatsapa ho natao tsinontsinona. Tsapako anefa hoe nanohana ahy ny fanahy masin’Andriamanitra hatramin’izay nandaozany ahy izay.”

Nahazo fanahy masina tamin’izao fotsiny ve i Oly? Tsia, nitalaho tamin’Andriamanitra isan’andro kosa izy mba hahazoana azy io. Fantany fa nila ny herin’Andriamanitra izy mba hiatrehana ny hoavy amin-kerim-po, sy hikarakarany ny zanany, ary hahatsapany indray hoe misy vidiny ny tenany. Nanaraka an’ireto tenin’i Jesosy ireto izy: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo.”—Matio 7:7.

Tsapan’i Rivo koa fa nila ny fanahin’Andriamanitra izy, saingy noho ny antony hafa. Nandevozin’ny sigara sy rongony izy. Niady mafy nandritra ny roa taona i Rivo, nefa resin’ilay fahazaran-dratsy ihany indraindray. Hoy izy: “Mitebiteby be ianao rehefa tsy mifoka zava-mahadomelina. Mitady an’ilay izy foana ny vatanao.”

Hoy ihany izy: “Tapa-kevitra ny hiova anefa aho, mba hanompoako an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. Niezaka nameno ny saiko tamin’ireo hevitra tsara ao amin’ny Baiboly aho. Nivavaka mafy aho isan’andro, mba hanomezan’Andriamanitra ahy hery hanovako ny fiainako. Fantatro mantsy fa tsy ho vitako samirery izany. Hitako fa namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, indrindra rehefa kivy iny aho satria resy indray. Mino aho fa nanome ahy hery vao ny fanahy masin’Andriamanitra. Tsy ho nandresy mihitsy aho raha tsy teo izy io.”—Filipianina 4:6-8.

Manidina “toy ny hoe manana ela-boromahery”

Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no nahatsapa ny fanampian’ny fanahy masina, toa an’i Oly sy Rivo. Afaka mahazo an’io hery nampiasain’i Jehovah tamin’ny famoronana io koa ianao, raha tianao. Vonona hizara aminao ny fanahiny izy, raha tena mangataka azy io ianao. Mila mianatra ny marina momba an’Andriamanitra sy miezaka manao ny sitrapony anefa aloha ianao, vao mahazo azy io.—Isaia 55:6; Hebreo 11:6.

Mety hahazo hery hamitana tsara ny fanompoana an’Andriamanitra ianao sady ho afaka hiatrika olana, noho ny herin’ny fanahy masina. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: ‘Omen’i Jehovah hery ny reraka, ary ataony matanjaka be ny tsy manan-kery. Izay manantena an’i Jehovah hahazo hery indray. Hanidina izy ireo, toy ny hoe manana ela-boromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, ary handeha izy nefa tsy ho reraka.’—Isaia 40:28-31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 8]

‘Nivavaka mafy aho isan’andro, mba hanomezan’Andriamanitra ahy hery hanovako ny fiainako. Fantatro mantsy fa tsy ho vitako samirery izany. Hitako fa namaly ny vavaka nataoko izy’

[Efajoro/Sary, pejy 7]

FIASAN’NY FANAHY MASINA

Nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra mba hamoronana izao rehetra izao, anisan’izany ny tany. Hoy ny mpanao salamo: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany. Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo.”—Salamo 104:24, 30; Genesisy 1:2; Joba 33:4.

Ny fanahy masina no nanampy an’ireo lehilahy natahotra an’Andriamanitra hanoratra ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Timoty 3:16) Notarihin’ny herin’Andriamanitra na ny fanahy masina ireo mpanoratra ny Baiboly mba hanoratra ny “tenin’Andriamanitra.”—1 Tesalonianina 2:13.

Nanampy ny mpanompon’Andriamanitra hilaza ny hoavy tamin’ny fomba marina tsara ny fanahy masina. Hoy ny apostoly Petera: “Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona, satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:20, 21; Joela 2:28.

Nanampy an’i Jesosy sy ny lehilahy nanam-pinoana hafa hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanao fahagagana ny fanahy masina. Hoy i Jesosy: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba.”—Lioka 4:18; Matio 12:28.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

FOMBA ANAMPIAN’NY FANAHY MASINA ANTSIKA

Afaka manome hery hanoheranao fakam-panahy sy handresenao ny fahazaran-dratsinao ny fanahy masina. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’—1 Korintianina 10:13.

Afaka manampy anao hanana an’ireo toetra tian’Andriamanitra ny fanahy masina. ‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.’—Galatianina 5:22, 23.

Afaka manome hery hiaretanao fitsapana ny fanahy masina. “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.