Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanohitra Fakam-panahy i Jesosy

Nanohitra Fakam-panahy i Jesosy

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nanohitra Fakam-panahy i Jesosy

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY MATIO 4:1-11.

Hoatran’ny ahoana ilay tany efitra nitoeran’i Jesosy 40 andro?

․․․․․

Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny feon’ilay Mpaka fanahy? Ary ny an’i Jesosy?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Ahoana no ahitanao fa mpanararaotra i Satana? (Vakio indray ny andininy 2.)

․․․․․

Efa nasehon’ny Devoly an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, nefa mbola nasehony azy koa ny “voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Nahoana? (Vakio indray ny andininy 8.)

․․․․․

Ny fitondrana an’izao tontolo izao no nofidin’i Satana hakana fanahy an’i Jesosy. Inona no mety ho antony?

․․․․․

a) Inona no toe-tsain’i Satana hita ao amin’ny fakam-panahy tsirairay? ․․․․․

b) Inona kosa no toe-tsain’i Jesosy hita amin’ny valin-teniny tsirairay? ․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fotoana mety hitrangan’ny fakam-panahy.

․․․․․

Fomba isan-karazany mety hakan’i Satana fanahy antsika.

․․․․․

Fomba hanoherana fakam-panahy.

․․․․․

INONA NO HEVITRA HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO, AO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․