Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho na dia Sembana Aza

Faly Aho na dia Sembana Aza

Faly Aho na dia Sembana Aza

Notantarain’i Paulette Gaspar

Nilanja telo kilao aho tamin’izaho vao teraka, ary antonony ihany izany. Fantatry ny dokotera anefa fa tsy ara-dalàna mihitsy ny toe-batako. Tapaka mantsy ny taolako sasany tamin’izaho vao teraka, satria narefo be. Nentina haingana tany amin’ny efitra fandidiana aho. Nihevitra anefa ny dokotera fa tsy ho tratry ny ampitso intsony aho.

TERAKA tao Canberra, renivohitr’i Aostralia aho, tamin’ny 14 Jona 1972. Mbola velona ihany aho ny ampitson’io, nefa voan’ny pnemonia indray. Tsy nomen’ny dokotera fanafody aho, satria noheveriny fa tsy maintsy ho faty. Tsy maty anefa aho.

Azoko an-tsaina ny fahorian’i Dada sy Neny tamin’izany. Nilaza ny dokotera fa tsy tokony hiraiki-po be amiko ny ray aman-dreniko, satria efa tsy nantenaina ho velona intsony aho. Tsy navela hikasika ahy akory aza izy ireo nandritra ireo telo volana voalohany nijanonako tany amin’ny hopitaly. Tena nety hanimba ny taolako mantsy izany. Rehefa hitan’ny dokotera fa ho velona ihany aho, dia nampirisihiny handefa ahy tany amin’ny trano fitaizana zaza sembana i Dada sy Neny.

Nentin’i Dada sy Neny nody anefa aho. Vao nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny tamin’izay. Takany tamin’ny zavatra nianarany fa adidiny ny mikarakara ahy. Tsy maintsy ho sarotra taminy anefa ny niraiki-po tamiko. Nila fikarakarana mafy mantsy aho, ka nety ho nandreraka sy nahakivy azy izany. Nentina matetika tany amin’ny hopitaly aho, satria zavatra tsotra toy ny mandro, dia efa nety ho nahatapaka ny taolako. Nety ho vaky koa ny taolako, na dia nievina fotsiny aza aho.

Nanjary kivy aho

Nandeha tamin’ny seza misy kodiarana foana aho hatramin’ny mbola kely. Nofy izany handeha tongotra izany. Nokarakarain’i Dada sy Neny tsara foana anefa aho, na dia tsy mora aza izany.

Niezaka nampianatra ahy an’ireo hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly koa i Neny. Nampianariny ahy, ohatra, fa hovan’Andriamanitra ho paradisa ny tany amin’ny hoavy. Ho salama tsara ara-batana sy ara-tsaina ny olona rehetra amin’izay, ary hifandray tsara amin’Andriamanitra. (Salamo 37:10, 11; Isaia 33:24) Niaiky anefa i Neny fa toa tsy ho afaka hankafy fiainana mihitsy aho raha tsy lasa paradisa ny tany.

Nianatra tany amin’ny sekoly ho an’ny sembana aho tamin’ny voalohany. Tsy nampirisika ahy hanana tanjona ny mpampianatra, ary izaho koa moa tsy nanana tanjona rahateo. Tena mafy tamiko ny nijanona tany am-pianarana, satria nampijalin’ny ankizy aho. Nifindra tany amin’ny sekoly tsotra aho, tatỳ aoriana. Niezaka nifandray tsara tamin’ny ankizy aho, nefa tena sarotra tamiko izany. Na izany aza dia tapa-kevitra ny hamita ny fianarako teny amin’ny lise aho.

Tsapako tamin’izaho nianatra teny amin’ny lise fa toa tsy nanana fanantenana ireo mpiara-mianatra tamiko, ary tsy nisy dikany ny fiainany. Nosaintsainiko koa ireo zavatra nampianarin’i Neny ahy avy tao amin’ny Baiboly. Niaiky aho fa nampianatra ny fahamarinana izy. Mbola tsy nanohina ny foko anefa ny fampianaran’ny Baiboly, tamin’izany. Nandritra ny fotoana kelikely, dia niezaka niala voly sy nifalifaly tamin’ny fiainana aho, fa tsy mba nieritreritra ny hoavy.

Niala tao an-trano aho tamin’izaho 18 taona, ary niara-nipetraka tamin’ny tanora sembana vitsivitsy. Nahafaly ilay izy nefa nampatahotra koa. Tena nahafinaritra ny hoe nahazo fahalalahana, nahaleo tena, nana-namana sy niaraka tamin’izy ireo. Nanambady ny ankamaroan’ireo namako. Mba naniry ny hanambady sy hotiavina koa aho. Toa tsy hisy olona hanambady ahy mihitsy anefa amin’izao toe-batako izao. Nampalahelo ahy izany.

Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy anefa aho. Efa nisinisy ihany ny zavatra nianarako momba Azy, ka fantatro fa sanatria aminy ny hanao ny tsy rariny. (Joba 34:10) Niezaka nanaiky ny zava-misy àry aho. Kivy be ihany anefa aho na izany aza.

Nisinda tsikelikely ny hakiviako

Soa ihany fa nahafantatra izay nahazo ahy i Neny, ka niresaka tamin’ny anti-panahy iray nipetraka tany akaikinay. Niantso ahy an-telefaonina ilay anti-panahy, ary nanasa ahy hanatrika fivoriana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nampianatra Baiboly ahy isan-kerinandro koa ny rahavavy iray teo anivon’ny fiangonana.

Naverin’ilay rahavavy tao an-tsaiko indray ireo fahamarinana ara-baiboly nampianarin’i Neny ahy, ka nanjary niova ny fahitako ny fiainana. Tiako ny niaraka tamin’ireo namana kristianina. Tsy noresahiko tamin’izy ireo mihitsy anefa ny fihetseham-poko, sao handratra ny foko izany any aoriana any. Izany no toa nahatonga ahy tsy ho tena tia an’Andriamanitra. Fantatro ihany anefa fa tokony hanokan-tena ho azy aho. Natao batisa aho tamin’ny Desambra 1991.

Tsy niara-nipetraka tamin’ireo namako sembana intsony aho, fa nipetra-drery. Nahasoa ahy ilay izy nefa nahitako olana koa. Natahotra, ohatra, aho sao hisy lehilahy hiditra an-keriny tao amiko. Tena nanirery koa aho. Tsy ela dia kivy be indray aho. Niseho ho falifaly anefa aho na dia nijaly aza. Tena nila namana tsara sy azo ianteherana aho.

Nomen’i Jehovah Andriamanitra namana toy izany aho. Nasain’ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonana nampianatra Baiboly ahy mantsy i Suzie. Efa manambady izy, ary tsy mpampianatra fotsiny izy tamiko, fa namana akaiky.

Nampiofanin’i Suzie hitory isan-trano sy hitory tsy ara-potoana aho, ka lasa nankasitraka kokoa ny toetran’Andriamanitra. Mbola tsy tena tia an’i Jehovah anefa aho, na dia efa vita batisa aza. Efa nieritreritra ny tsy hanompo azy intsony aza aho. Namboraka an’izany tamin’i Suzie aho, ary tena nanampy ahy izy.

I Suzie koa no nanampy ahy hahatsapa fa ny fiarahako tamin’ireo olona tsy tena tia an’i Jehovah no anisan’ny nahatonga ahy tsy ho sambatra. Nanomboka ninamana tamin’ireo olona matotra kokoa àry aho, indrindra fa tamin’ireo zokiolona. Tsy nifankahazo koa izahay sy Neny, ka nihavana taminy sy tamin’ny zokiko lahy indray aho. Nahatsiaro ho sambatra aho, ary mbola tsy nahatsapa toy izany mihitsy taloha. Mahafaly sy mankahery ahy ireo anadahy sy rahavavy eo anivon’ny fiangonana, ny fianakaviako, ary indrindra fa i Jehovah.—Salamo 28:7.

Asa vaovao

Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra aho, indray mandeha, ary nandre lahateny iray niresaka momba ny fifaliana tsapan’ireo mpitory manontolo andro. Nieritreritra aho taorian’izay hoe: ‘Inona moa no misakana ahy tsy hanao izany?’ Takatro aloha fa mety ho sarotra amiko izany, noho ny toe-batako. Nivavaka momba ilay izy anefa aho, ary nanapa-kevitra fa hameno taratasy fangatahana mba hanompo manontolo andro. Lasa mpitory manontolo andro aho tamin’ny Aprily 1998.

Ahoana no ataoko mba hitoriana? Tsy milanja afa-tsy 19 kilao aho, nefa tsy tia miantehitra amin’ny hafa. Tsy tiako ny hanahirana olona, ka hoe hangataka ny hoentin’izy ireo amin’ny fiarany na hangataka fanampiana hafa. Nanoro hevitra ahy àry i Suzie sy Michael vadiny mba hividy môtô. Ahoana anefa no hahafahako hitondra an’ilay izy? Namboarina ho ahy mihitsy izy io, araka ny hita eo amin’ny sary. Tsy mila miala eo ambonin’ilay seza misy kodiarana akory aza aho, rehefa hitaingina azy io!

Lasa mahaleo tena kokoa aho, noho ilay môtô. Afaka mitsidika ny olona sy mampianatra Baiboly azy ireo aho, amin’ny fotoana mety aminay. Tiako ny mitaingina an’ilay môtô sy tsotsofin’ny rivotra. Anisan’ny mahafinaritra ahy eo amin’ny fiainana izany!

Tiako ny mitory tsy ara-potoana eny an-dalana. Tsara fanahy sy manaja ahy mantsy ny olona amin’ny ankapobeny. Mahafinaritra ahy koa ny manampy ny hafa hianatra ny Baiboly. Niara-nitory isan-trano tamin’ny anadahy iray lava be izay aho, indray mandeha. Niarahaba an’ilay tompon-trano izy. Gaga ilay ramatoa sady nandinika ahy tsara, ary nanontany azy hoe: “Afaka miteny ve io?” Toran’ny hehy izahay mianadahy. Azo antoka fa fantatr’ilay ramatoa hoe tena afaka niteny aho, rehefa avy nitory taminy!

Mankafy fiainana aho izao, ary nianatra ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitra. Isaorako i Neny nampianatra ahy ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Manantena aho fa tsy ho ela intsony dia hataon’Andriamanitra “vaovao ny zava-drehetra”, anisan’izany ity vatana keliko ity.—Apokalypsy 21:4, 5.

[Teny Notsongaina, pejy 30]

‘Niezaka nanaiky ny zava-misy aho. Kivy be ihany anefa aho na izany aza’