Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA MEY 2009

Feno 100 Taona ny Betelan’i Brooklyn

Feno 100 Taona ny Betelan’i Brooklyn

TAONA nanan-tantara ho an’i New York ny 1909. Nisokatra tamin’io ny Tetezana Queensboro, izay mampifandray ny tanànan’i Queens sy Manhattan. Tamin’izay koa no nisokatra ny Tetezana Manhattan, izay mampifandray an’i Manhattan sy Brooklyn.

Betela eo amin’ny 122-124 Columbia Heights

13-17 Hicks Street (1909-1918)

Taona nanan-tantara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah koa io. I Charles Russell no prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society (Fikambanana Tilikambo Fiambenana) tamin’izany. Io no fikambanana ara-dalànan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Talohan’ny 1909, dia efa hitan’i Charles Russell fa azo itarina ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Nieritreritra izy fa ho vita izany raha afindra any Brooklyn, New York, ny foiben’ny Fikambanana tao Pittsburgh, Pennsylvanie. Niomankomana ny hifindra àry ny tao amin’ny foibe, tamin’ny 1908, ary tafafindra ny taona nanaraka.

Nahoana no nafindra tany Brooklyn?

Fantatr’ireo nitarika ny asa fitoriana tamin’izany fotoana izany, fa anisan’ny fomba mandaitra  hitoriana ny fahamarinana ara-baiboly ny famoahana toriteny ao amin’ny gazety. Tamin’ny 1908, dia gazety 11 no namoaka ireo toritenin’i Russell isan-kerinandro, ary 402 000 ny tontalin’ny gazety natao pirinty.

Gazety misy toritenin’i Russell

Hoy anefa i Russell: ‘Milaza ireo rahalahy mahafantatra momba ny famoahana lahatsoratra an-gazety fa hivoaka manerana an’i Etazonia ireo toriteny, raha avy any amin’ny tanàna lehibe kokoa no ampielezana azy. Gazety an-jatony no hamoaka azy ireny tsy tapaka, rehefa afaka herintaona.’ Nanomboka nitady ny toerana tsara indrindra hanitarana ny asa fitoriana àry ny tao amin’ny foibe.

117 Adams Street (1927 ka hatramin’izao)

Nahoana no Brooklyn no nofidina? Hoy i Russell: ‘Niara-nanapaka izahay rehetra, rehefa nitady ny fitarihan’Andriamanitra, fa i Brooklyn, New York, no toerana mety indrindra hatao foiben’ny asa fijinjana. Be mponina ao, sady antsoina hoe “Tanànan’ny Fiangonana.” ’ Tena nety ilay fanapahan-kevitra rehefa jerena ny vokany. Tsy ela mantsy, dia gazety 2 000 no namoaka ny toritenin’i Russell.

Misy antony tsara hafa koa nifidianana an’i Brooklyn. Tamin’ny 1909, dia efa nisy biraon’ny sampana tany Grande-Bretagne, Alemaina, ary Aostralia. Nisy hafa koa nosokafana, tsy ela tatỳ aoriana. Tena mety àry ny namindrana ny foibe ho ao New York, satria misy seranan-tsambo ao, sady misy arabe sy lalamby maro be, ka manamora ny fifandraisana amin’ny sampana hafa.

Nahoana no antsoina hoe Betela?

Tany Allegheny (anisan’i Pittsburgh ankehitriny), any Pennsylvanie, no nisy ny foiben’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ny voalohany. Taoriana kelin’ny taona 1880 izy io no nosokafana, ary nantsoina hoe Tranon’ny Baiboly. Nisy 12 ny mpiasa tao, tamin’ny 1896.

35 Myrtle Avenue (1920-1922)

Nantsoina hoe Betela ny trano fonenan’ny mpiasa, rehefa nafindra tany Brooklyn ny  foibe, tamin’ny 1909. * Nahoana? Mpitondra fivavahana malaza no tompon’ilay trano novidin’ny Watch Tower Society eo amin’ny 13-17 Hicks Street, Brooklyn. Henry Beecher no anarany ary nantsoiny hoe Betelan’i Beecher ilay trano. Novidina koa ny trano fonenan’i Beecher taloha, eo amin’ny 124 Columbia Heights. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1909: “Tena mahagaga fa lasantsika ny Betelan’i Beecher, ary tsy nampoizina koa fa azontsika ny trano fonenany taloha. ... Andeha hantsointsika hoe ‘Betela’ ilay trano fonenana, ary ‘Tranolain’i Brooklyn’ ilay trano misy birao sy efitrano fivoriana. Tsy hampiasaintsika intsony ilay hoe ‘Tranon’ny Baiboly.’ ”

Efa nitarina ireo trano ireo izao. Mbola antsoina hoe Betela izy ireo, sy ny toerana roa hafa ao Wallkill sy Patterson, any New York, izay misy trano fonenana sy fanaovana pirinty ary birao. Firenena 113 ankehitriny no misy Betela. Mpitory 19 000 mahery no miasa any amin’izy ireny, ary mandray anjara amin’ny fampielezana fanazavana ara-baiboly izy ireo.

Fanontam-pirinty any Wallkill

Raisina an-tanan-droa ny mpitsidika

Notokanana ny Betela sy ny Tranolain’i Brooklyn, tamin’ny 31 Janoary 1909. Andro natokana handraisana mpitsidika ny alatsinainy 6 Septambra 1909. Vavolombelon’i Jehovah an-jatony no nitsidika an’ilay toerana. Avy nanatrika fivoriambe tany Saratoga Springs ny ankamaroan’izy ireo. Miala 320 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i New York io tanàna io. I Charles Russell mihitsy no nandray an’ireo mpitsidika. *

Foibem-pampianarana any Patterson

Mbola raisina an-tanan-droa foana izay te hitsidika Betela. Olona 40 000 mahery isan-taona no mitsidika ny Betelan’i Brooklyn. Mbola manana anjara asa lehibe io Betela io eo amin’ny fanitarana ny asa fitoriana ny Fanjakan’i Jehovah. Olona an-tapitrisany no mandray soa amin’izany.

^ feh. 11 Midika hoe “Tranon’Andriamanitra” ilay teny hebreo hoe “Betela.” Tanàna israelita nalaza izy io, raha ny Baiboly no jerena, ary izy io no voatonona matetika indrindra manarakaraka an’i Jerosalema.

^ feh. 14 Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa, dia vakio ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 718-723, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

18 Concord Street (1922-1927)