Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah

Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah

Manatòna An’Andriamanitra

Nampahafantatra ny Mombamomba Azy i Jehovah

Eksodosy 34:6, 7

FANTATRAO ve ny mombamomba an’Andriamanitra sy ny fomba fanaovany zavatra? Aoka hatao hoe afaka manontany azy momba izany ianao, ary iny tokoa izy fa mamaly. Izany mihitsy no nitranga tamin’i Mosesy mpaminany. Nahazo ny fanahy masina izy ka nanoratra izany mba hahasoa antsika.

Niangavy an’i Jehovah i Mosesy, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay hoe: “Mba ataovy mahita ny voninahitrao re aho e!” (Eksodosy 33:18) Nanana tombontsoa hahita sombiny tamin’ny voninahitr’Andriamanitra tokoa izy, ny ampitson’iny. * Tsy nolazainy ny tsipirian’izay hitany tao amin’io fahitana mahatalanjona io. Izay nolazain’Andriamanitra kosa no nosoratany, ary izany no tena sarobidy. Andeha hojerentsika izay nolazain’i Jehovah, ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7.

Ny zavatra nolazain’i Jehovah voalohany dia hoe “Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy” izy. (Andininy 6) Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa ilay teny hebreo nadika hoe “mamindra fo” dia mampiseho ny ‘fangoraham-pon’Andriamanitra toy izay asehon’ny ray amin’ny zanany.’ Ny teny nadika hoe “tsara fanahy” kosa, dia mifandray amin’ny matoanteny “mampiseho olona atosiky ny fony hanampy olon-kafa mila ampiana.” Tian’i Jehovah ho fantatsika àry fa toy ny ray aman-dreny mikarakara ny zanany no ikarakarany ny mpanompony. Be fitiavana sy be fiahiana azy ireo izy, rehefa manao izany.—Salamo 103:8, 13.

Nilaza i Jehovah, avy eo, fa “tsy mora tezitra” izy. (Andininy 6) Tsy mora tezitra amin’ny mpanompony izy fa manam-paharetana amin’izy ireo kosa. Miaritra ny fahalemen’izy ireo izy sady manome fotoana hiovany.—2 Petera 3:9.

Nilaza koa Andriamanitra fa “be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana” izy. (Andininy 6) Toy ny fatorana mafy mampiray an’i Jehovah sy ny vahoakany io toetrany sarobidy io, dia ny hatsaram-panahy feno fitiavana, na ny fitiavana tsy miovaova. (Deoteronomia 7:9) Loharanon’ny fahamarinana koa izy. Tsy mamitaka izy sady tsy azo fitahina. Azo itokisana daholo izay lazainy, anisan’izany ny fampanantenany momba ny hoavy, satria “Andriamanitry ny fahamarinana” izy.—Salamo 31:5.

Anisan’ny fahamarinana lehibe tian’i Jehovah ho fantatsika koa ny hoe mamela “fahadisoana sy heloka ary fahotana” izy. (Andininy 7) ‘Vonona hamela ny heloky’ ny mpanota mibebaka izy. (Salamo 86:5) Tsy milefitra amin’ny fanaovan-dratsy mihitsy anefa izy. Nohazavainy fa “sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina.” (Andininy 7) Andriamanitra masina sy tia rariny izy, ka tsy havelany ho afa-maina ny olona minia manota. Hivaly amin’izy ireny ny ratsy nataony, na ho ela na ho haingana.

Nampahafantatra ny mombamomba azy i Jehovah. Hita avy amin’izany fa tiany ho fantatsika tsara ny toetrany sy ny fomba fanaovany zavatra. Tsy mandrisika anao hianatra bebe kokoa momba ny toetrany mahatehotia ve izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy nahita an’i Jehovah mivantana i Mosesy, satria tsy misy olona afaka mahita an’Andriamanitra ka mbola ho velona ihany. (Eksodosy 33:20) Nampahitany ny voninahiny i Mosesy, ary niresahany tamin’ny alalan’ny anjely.