Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’Andriamanitra Daholo ve ny Fanasitranana Mahagaga?

Avy Amin’Andriamanitra Daholo ve ny Fanasitranana Mahagaga?

Manontany ny Mpamaky

Avy Amin’Andriamanitra Daholo ve ny Fanasitranana Mahagaga?

Azo antoka fa mahay manasitrana i Jehovah Andriamanitra, ary azony omena izany fahaizana izany koa ny mpanompony. Anisan’ny fanomezana manokana avy amin’ny fanahiny masina, ohatra, ny fanasitranana mahagaga nataon’ny apostoly. Hoy ny apostoly Paoly: “Miharihary eo amin’ny tsirairay ny fomba fiasan’ny fanahy mba handraisan-tsoa. Ny iray, ohatra, nomena tenim-pahendrena tamin’ny alalan’ny fanahy, ... ny iray kosa nomen’io fanahy io fahaiza-manasitrana, ... ny iray fahaiza-maminany, ... ny iray fitenenana amin’ny fiteny samihafa.”—1 Korintianina 12:4-11.

Nilaza koa anefa i Paoly tao amin’io taratasy ho an’ny Korintianina io fa hitsahatra ny fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Hoy izy: “Na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana, dia hofoanana izany.”—1 Korintianina 13:8.

I Jesosy Kristy sy ny apostoliny no nanao fanasitranana mahagaga, tamin’ny taonjato voalohany. Vao niandoha ny fiangonana kristianina tamin’izay. Nilaina àry ny fanomezan’ny fanahy, anisan’izany ny fahaiza-manasitrana mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho porofo fa nankasitrahan’i Jehovah sy notahiny ilay fiangonana vaovao. Rehefa nandroso tsara anefa izy io, dia tsy ny fanomezan’ny fanahy intsony no porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra fa ny fananany finoana matanjaka, fanantenana, ary fitiavana. (Jaona 13:35; 1 Korintianina 13:13) Nitsahatra tamin’ny taona 100 tany ho any àry ny fanasitranana mahagaga izay namantarana ny fivavahana nankasitrahan’Andriamanitra. *

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Koa nahoana no mbola misy milaza fa sitrana tamin’ny fomba mahagaga?’ Nisy, ohatra, gazety nitantara momba ny lehilahy iray voalaza fa voan’ny kansera. Nisy nivonto, hono, tao amin’ny lohany sy ny voany ary na dia tany anatin’ny taolany aza. Toa tsy nisy azo nantenaina intsony ny aminy. Niresaka taminy, hono, Andriamanitra ka afaka ilay kansera andro vitsivitsy taorian’izay.

Eritrereto izao, rehefa mandre tantara toy izany ianao: ‘Tena nisy ve ilay izy? Misy porofo ara-pitsaboana ve manamarina izany? Ary na atao hoe sitrana aza ilay olona, moa ve ny Baiboly mampianatra fa avy amin’Andriamanitra daholo izay toa fanasitranana mahagaga?’

Tena zava-dehibe ny valin’io fanontaniana farany io. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka ... Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”—Matio 7:15, 21-23.

Tsy voatery ho avy amin’Andriamanitra àry ireo lazaina fa fanasitranana mahagaga. Tsy tiantsika ny ho voafitak’ireo milaza ho manao fahagagana amin’ny anaran’Andriamanitra. Ilaintsika àry ny mahalala tsara an’Andriamanitra, sy mampiasa ny fahaiza-misaina nomen’Andriamanitra antsika, ary mianatra mamantatra hoe iza no tena manao ny sitrapon’Andriamanitra.—Matio 7:16-19; Jaona 17:3; Romanina 12:1, 2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ireo apostoly no nahazo fahaizana mahagaga avy tamin’ny fanahy ka afaka nampita izany tamin’ny hafa. Nitsahatra tanteraka àry izany fahaizana izany rehefa maty izy ireo sy ny olona nampitany izany.