NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Mey 2013
Ho hitanao ato hoe inona no hanampy antsika hanao tsara ny asa fitoriana, ary inona no toetra ilain’
Ataovy Tsara ny Andraikitrao Amin’ny Maha Mpitory Anao
Hohazavaina ato hoe: Nahoana ny olona no tena mila mandre ny vaovao tsara? Ary inona no azontsika atao mba hanatanterahana tsara ny asa fitoriana?
“Mazoto Amin’ny Asa Tsara” ve Ianao?
Hazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana no manampy ny olona hanatona an’Andriamanitra isika, rehefa mazoto mitory sy tsara fitondran-tena.
Fanontanian’ny Mpamaky
Nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo na hazo ny mpanao heloka bevava, tany amin’ny firenena maro fahiny. Nanao toy izany koa ve ny Israelita?
Mifampiresaha Tsara dia Hihatsara ny Tokantranonareo
Tena ilaina ny mifampiresaka tsara raha te hanana tokantrano sambatra. Ho hitanao ato hoe inona avy no tokony hataon’ny mpivady mba hahafahany mifampiresaka tsara.
Ry Ray Aman-dreny sy Zanaka, Miezaha Hifampiresaka Tsara
Inona ny olana sasany mahatonga ny ray aman-dreny sy zanaka tsy hifampiresaka tsara? Inona no vahaolana amin’izany?
TANTARAM-PIAINANA
Tena Misy Dikany ny Fiainanay
Manan-janaka roa voan’ny aretina manaranaka sy tsy fahita firy i Patricia. Ho hitanao ato hoe nahoana no misy dikany ny fiainan’izy ireo, na dia eo aza ny olana atrehiny.
Manaova Safidy Tsara mba Tsy ho Very ny Lovanao
Ho hitanao ato hoe inona no lova omen’i Jehovah ny Kristianina, ary inona no lesona tsoahantsika avy amin’ny tantaran’i Esao.
FANTARO NY TANTARANTSIKA
Tsy Nivadika tao Anatin’ny “Fitsapana”
Ho hitanao ato fa niharihary tamin’ny rehetra hoe tsy niady ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914.

