Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MEY 2013

Manaova Safidy Tsara mba Tsy ho Very ny Lovanao

Manaova Safidy Tsara mba Tsy ho Very ny Lovanao

“Ankahalao ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.”—ROM. 12:9.

1, 2. a) Inona no nanampy anao hisafidy ny hanompo an’Andriamanitra? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika momba ny lovantsika?

AN-TAPITRISANY isika no nanao safidy tsara, dia ny hanompo an’i Jehovah sy hanaraka akaiky ny dian’i Kristy. (Mat. 16:24; 1 Pet. 2:21) Nanokan-tena ho an’Andriamanitra isika, ary tena zava-dehibe amintsika izany. Tsy fianarana andinin-teny vitsivitsy fotsiny no nahatonga antsika hanao an’io safidy io, fa fianarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Nianatra zavatra maro manatanjaka finoana koa isika, momba an’ireo lova ampanantenain’i Jehovah, dia lova ho an’ireo ‘mianatra hahalala azy sy Jesosy Kristy.’—Jaona 17:3; Rom. 12:2.

2 Tsy maintsy manao safidy mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra anefa isika, raha te hifandray tsara aminy foana. Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity àry hoe: Inona avy ny lovantsika? Ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? Inona no tokony hataontsika mba ho azo antoka hoe hahazo azy ireo isika? Ary inona no hanampy antsika hanao safidy tsara?

INONA AVY NY LOVANTSIKA?

3. a) Inona no lova miandry an’ireo voahosotra? b) Inona no lova miandry ny “ondry hafa”?

3 Misy Kristianina vitsivitsy manantena hahazo “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra”, dia ny tombontsoa hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (1 Pet. 1:3, 4) Tsy maintsy “ateraka indray” izy ireo vao ho afaka hahazo an’io lova io. (Jaona 3:1-3) Ary inona kosa no lovan’ny “ondry hafa” an-tapitrisany, izay manampy an’ireo voahosotra amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? (Jaona 10:16) Hahazo an’ilay lova tsy azon’i Adama sy Eva izy ireo, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny  paradisa eto an-tany. Tsy hisy intsony amin’izay ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny alahelo. (Apok. 21:1-4) Io lova io no nampanantenain’i Jesosy an’ilay olona nofantsihana teo akaikiny. Hoy izy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:43.

4. Inona avy ny fitahiana efa ananantsika ankehitriny?

4 Efa mahazo ampahany amin’ireo lovantsika sahady isika ankehitriny. Mahatsiaro ho milamin-tsaina, ohatra, isika, sady mifandray akaiky amin’Andriamanitra, satria mino ny “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.” (Rom. 3:23-25) Mazava tsara amintsika koa ireo fampanantenana momba ny hoavy resahin’ny Tenin’Andriamanitra. Tena faly koa isika manana an’ireo rahalahy sy anabavy maneran-tany, izay tia antsika. Tsy vitan’izany fa voninahitra lehibe ho antsika ny hoe Vavolombelon’i Jehovah! Tsy mahagaga àry raha sarobidy amintsika ny lovantsika!

5. Inona foana ny ezaka ataon’i Satana, ary inona no hanampy antsika hahatohitra ny teti-dratsiny?

5 Mila mailo foana anefa isika amin’ireo tetik’i Satana, raha tiantsika tsy ho very ny lovantsika. Nanandrana nitaona ny mpanompon’i Jehovah foana i Satana hatramin’izay, mba hahatonga azy ireo hanao safidy ratsy, ka hamoy ny lovany. (Nom. 25:1-3, 9) Vao mainka miezaka mamitaka antsika izy izao, satria fantany fa efa kely sisa dia horinganina izy. (Vakio ny Apokalypsy 12:12, 17.) Tsy maintsy mihevitra ny lovantsika ho sarobidy foana isika, raha tiantsika ny “hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efes. 6:11) Fampitandremana ho antsika ny nataon’i Esao, zanak’i Isaka.

AZA MANAHAKA AN’I ESAO

6, 7. Iza i Esao, ary inona no lova niandry azy?

6 Niteraka kambana roa lahy atao hoe Esao sy Jakoba i Isaka sy Rebeka, efa ho 4 000 taona lasa izay. Tena tsy nitovy izy roa lahy, ary samy hafa ny zavatra nataony. “Lasa lehilahy nahay nihaza i Esao, sady mpankeny an-tsaha.” I Jakoba kosa “lehilahy tsy nanan-tsiny, nipetraka an-tranolay.” (Gen. 25:27) Milaza ilay mpandika Baiboly atao hoe Robert Alter, fa ilay teny hebreo nadika hoe ‘tsy manan-tsiny’ dia midika hoe “manao ny marina, na koa hoe tsy mba manao ratsy.”

7 Maty i Abrahama, raiben’i Esao sy Jakoba, tamin’izy ireo 15 taona. Tsy maty kosa anefa ny fampanantenana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. Namerina an’io fampanantenana io tamin’i Isaka i Jehovah tatỳ aoriana, sady nilaza fa hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ny firenena rehetra. (Vakio ny Genesisy 26:3-5.) Hita amin’io fampanantenana io hoe ho avy amin’ny taranak’i Abrahama ny Mesia, izany hoe ilay ‘taranaka’ resahin’ny Genesisy 3:15. Koa satria i Esao no lahimatoan’i Isaka, dia nanana tombontsoa be izy. Tokony ho avy amin’ny taranany no hipoiran’ny Mesia. Lova sarobidy tokoa no niandry azy! Nankasitraka azy io ve anefa izy?

Mitandrema sao hafoinao ny lovanao

8, 9. a) Inona ny safidy nataon’i Esao? b) Inona no tsapan’i Esao tatỳ aoriana momba ny safidy nataony, ary nanao ahoana ny fihetsiny?

8 Nahita an’i Jakoba nahandro lantihy i Esao indray mandeha, rehefa nody avy tany an-tsaha. Niteny tamin’i Jakoba izy hoe: “Mba omeo indray mandrapaka amin’io mena io aho! Haingana fa reraka aho! Omeo amin’io mena io aho ho’aho!” Namaly i Jakoba hoe: “Amidio amiko àry aloha ny zonao amin’ny maha lahimatoa anao!” Inona no safidy nataon’i Esao? Nahagaga fa nilaza izy hoe: “Inona no soa azoko amin’izay zon’ny lahimatoa?” Lantihy iray vilia no tiany kokoa, ka nomeny an’i Jakoba ny zon’ny lahimatoa. Mba hahatonga izany ho ara-dalàna anefa, dia nilaza i Jakoba hoe:  “Mianiàna amiko aloha e!” Tsy nisalasala akory i Esao fa nianiana, ary nafoiny ny zon’ny lahimatoa. “Nomen’i Jakoba mofo sy lantihy izy” taorian’izay, “ka nihinana sy nisotro. Dia nitsangana izy ka lasa. Toy izany no nanaovan’i Esao tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa.”—Gen. 25:29-34.

9 Rehefa akaiky ho faty i Isaka taona maro tatỳ aoriana, dia nanao zavatra i Rebeka mba ho azo antoka hoe ho azon’i Jakoba ilay zon’ny lahimatoa. Nanenina i Esao tamin’izay, noho ny safidy ratsy nataony, ka niangavy an’i Isaka izy hoe: “Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô! ... Tsy mba nitahiry tsodrano ho ahy ve ianao?” Nilaza anefa i Isaka fa tsy azony novana intsony ny tsodrano nomeny an’i Jakoba, ka “nidradradradra nitomany i Esao.”—Gen. 27:30-38.

10. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’i Esao sy Jakoba, ary nahoana?

10 Inona no asongadin’ny Soratra Masina momba an’i Esao? Hita hoe zava-dehibe kokoa taminy ny nanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony, toy izay hahazo an’ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah ho lovany. Tsy sarobidy taminy ny zon’ny lahimatoa, ka hita hoe tsy tena tia an’Andriamanitra izy. Tsy noeritreretiny koa hoe hisy vokany eo amin’ny taranany izay safidy ataony. Mifanohitra amin’izany i Jakoba. Tena nankasitraka ny lovany izy. Hita, ohatra, izany rehefa nifidy vady izy. (Gen. 27:46–28:3) Nankatò ny ray aman-dreniny izy, na dia nitaky faharetana sy ezaka be taminy aza izany. Novalian-tsoa anefa izy satria lasa razamben’ny Mesia. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’i Esao sy Jakoba? Hoy izy: ‘Tiako i Jakoba, fa halako i Esao.’—Mal. 1:2, 3.

11. a) Nahoana ny tantaran’i Esao no mbola mahasoa antsika ankehitriny? b) Nahoana i Paoly no nampifandray ny fijangajangana tamin’ny zavatra nataon’i Esao?

11 Tena mahasoa antsika ankehitriny ny tantaran’i Esao. Nampitandrina ny mpiara-manompo taminy ny apostoly Paoly hoe: ‘Tandremo sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao, izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.’ (Heb. 12:16) Mbola mihatra amintsika izany fampitandremana izany. Mila mankasitraka foana ny zava-masina isika, mba tsy hahatonga antsika ho resin’ny fanirian’ny nofo, ka hamoy ny lovantsika. Nahoana anefa no nampifandraisin’i Paoly tamin’ny zavatra nataon’i Esao ny fijangajangana? Satria raha baikoin’ny fanirian’ny nofontsika toa an’i Esao isika, dia tsy hampaninona antsika ny hamoy ny lovantsika, mba hanaovana zava-dratsy hahazoana fahafinaretana, toy ny fijangajangana.

 OMANO DIENY IZAO NY FONAO

12. a) Ahoana no ataon’i Satana mba hakana fanahy antsika? b) Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly afaka manampy antsika rehefa miatrika fakam-panahy?

12 Manao izay rehetra azo atao isika mpanompon’i Jehovah, mba hanalavirana an’ireo toe-javatra mety hahatonga antsika hijangajanga. Mivavaka amin’i Jehovah isika, mba tsy ho resin’ny fakam-panahy rehefa misy mitaona antsika tsy hankatò azy. (Mat. 6:13) Na dia miezaka mba tsy hivadika aza anefa isika eto amin’ity tontolo ratsy ity, dia ataon’i Satana foana izay hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Efes. 6:12) I Satana no andriamanitr’ity tontolo ity, ka hainy ny manararaotra an’ireo faniriana ao anatintsika. Ataony izay hisian’ny fakam-panahy, mba hahatonga antsika hanatanteraka an’ireny fanirian-dratsy ireny. (1 Kor. 10:8, 13) Saintsaino àry hoe ahoana no hataonao, raha sendra misy toe-javatra mamela anao hanatanteraka ny fanirian-dratsy ao anatinao. Hanao toa an’i Esao ve ianao, izay nilaza hoe: ‘Omeo ahy haingana io!’ Sa ve ianao hanohitra fakam-panahy sy handositra an’ilay izy, toy ny nataon’i Josefa zanak’i Jakoba, rehefa naka fanahy azy ny vadin’i Potifara?—Vakio ny Genesisy 39:10-12.

13. a) Inona no mampiseho fa manahaka an’i Josefa ny Kristianina maro, ary manao toa an’i Esao ny sasany? b) Inona no tsy maintsy hataontsika raha tsy te hanao toa an’i Esao isika?

13 Maro ny rahalahy sy anabavy niatrika fakam-panahy, ka tsy maintsy nisafidy hoe hanao toa an’i Esao, sa hanao toa an’i Josefa. Nanao safidy tsara ny ankamaroany, ka nampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohab. 27:11) Misy kosa anefa mifidy ny hanao toa an’i Esao, ka mety hamoy ny lovany. Raha ny marina aza, dia noho ny fijangajangana no mahatonga ny ankamaroan’ny fananarana sy ny fandroahana eo anivon’ny fiangonana isan-taona. Tena ilaina àry ny manomana ny fontsika dieny izao, izany hoe dieny mbola tsy misy fakam-panahy. (Sal. 78:8) Misy zavatra roa, fara fahakeliny, azontsika atao mba hahafahantsika hanohitra fakam-panahy sy hanao safidy tsara.

Miomana hanohitra fakam-panahy isika, raha miezaka hanana ny fahendrena omen’i Jehovah

ILAINA NY MISAINTSAINA TSARA SY MIOMANA

14. Inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika, raha tiantsika ny ‘hankahala ny ratsy’ sy ‘hifikitra amin’ny tsara’?

14 Voalohany, saintsaino ny ho vokatry ny ataonao. Raha tena tia an’i Jehovah isika, dia tena hankasitraka ny lova omeny antsika. Tsy te hampalahelo azy koa isika, fa hiezaka mafy hampifaly azy. Ilaina àry ny misaintsaina hoe inona no ho vokany eo amintsika sy eo amin’ny hafa, raha manatanteraka fanirian-dratsy isika. Mila manontany tena isika hoe: ‘Hanao ahoana ny fifandraisako amin’i Jehovah, raha manatanteraka an’ilay faniriako aho? Inona no ho vokany eo amin’ny fianakaviako? Inona no ho vokany eo amin’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana? Mety hampihemotra ny olona sasany ve ny ataoko?’ (Fil. 1:10) Afaka misaintsaina koa isika hoe: ‘Tiako ve ny hahazo fahafinaretana vetivety, nefa avy eo hizaka vokany mangidy? Te ho ratsy fiafara toa an’i Esao ve aho, ka higogogogo hitomany rehefa takatro hoe tsy nety ny nataoko?’ (Heb. 12:17) Hanampy antsika ‘hankahala ny ratsy’ sy ‘hifikitra amin’ny tsara’ ny fisaintsainana toy izany. (Rom. 12:9) Hanao izay rehetra azo atao isika mba tsy hahavery ny lovantsika, raha tena tiantsika i Jehovah.—Sal. 73:28.

15. Inona no hanampy antsika mba hiomana hanohitra fakam-panahy?

15 Faharoa, miomàna hanohitra fakam-panahy. Misy fandaharana be dia be nataon’i Jehovah, mba hahafahantsika miomana ka hahatohitra fakam-panahy sy hiaro ny fifandraisantsika aminy. Anisan’izany ny fianarana Baiboly, ny fivoriana, ny fanompoana, ary ny vavaka. (1 Kor. 15:58) Miomana hiatrika fakam-panahy isika,  isaky ny mamboraka ny fihetseham-pontsika amin’i Jehovah, sy isaky ny miezaka mafy manao tsara ny fanompoana. (Vakio ny 1 Timoty 6:12, 19.) Miankina amin’ny ezaka ataontsika no hahatonga antsika hanana hery hanoherana fakam-panahy. (Gal. 6:7) Izany no asongadina ao amin’ny Ohabolana toko faharoa.

‘AZA MITSAHATRA MITADY’ FAHENDRENA

16, 17. Inona no hanampy antsika hahay hanao safidy tsara?

16 Mampirisika antsika mba hiezaka hanana fahendrena sy fahaiza-misaina ny Ohabolana toko faharoa. Hanampy antsika izany mba hisafidy hoe hanao ny tsara isika sa hanao ny ratsy, ary hanaram-po sa hifehy tena. Tsy hahavita hanao safidy tsara anefa isika, raha tsy vonona hiezaka. Hoy ny Baiboly: “Anaka, raha henoinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka manongilan-tsofina hihaino ny fahendrena ianao, ary ataonao izay hananan’ny fonao fahaiza-manavaka, raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazoana fahaiza-manavaka, raha tsy mitsahatra mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary tsy mitsahatra mikaroka azy toy ny fikaroka harena miafina, dia ho takatrao ny atao hoe fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa i Jehovah no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka.”—Ohab. 2:1-6.

17 Hahay hanao safidy tsara àry isika, raha miezaka hahafeno an’ireo fepetra resahin’ny Ohabolana. Hahavita hahatohitra fakam-panahy isika, raha avelantsika hamolavola antsika ny tenin’i Jehovah, raha tsy mitsahatra mivavaka isika mba hahazoana ny tari-dalany, ary raha tsy mitsahatra mikaroka ny fahalalana an’Andriamanitra isika toy ny fikaroka harena miafina.

18. Tapa-kevitra hanao inona foana ianao, ary nahoana?

18 Omen’i Jehovah fahalalana, fahiratan-tsaina, fahaiza-manavaka, ary fahendrena izay olona miezaka hahazo azy ireo. Arakaraka ny hitadiavantsika sy hampiasantsika an’ireo fanomezana ireo, dia vao mainka isika ho akaiky an’i Jehovah. Ary rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah isika sady matahotra azy, dia ho voaro rehefa misy fakam-panahy, ka ho voasakana tsy hanao ratsy. (Sal. 25:14; Jak. 4:8) Enga anie isika hifandray akaiky amin’i Jehovah foana sy hiezaka hahazo ny fahendrena omeny. Hahay hanao safidy tsara mampifaly ny fony isika amin’izay, ka tsy ho very mihitsy ny lovantsika.