Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MEY 2013

Ry Ray Aman-dreny sy Zanaka, Miezaha Hifampiresaka Tsara

Ry Ray Aman-dreny sy Zanaka, Miezaha Hifampiresaka Tsara

“Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.”—JAK. 1:19.

1, 2. Inona no tsapan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny ankapobeny, nefa inona no zava-tsarotra atrehin’izy ireo?

“RAHA fantatrao hoe ho faty ny ray aman-dreninao rahampitso, inona no tianao holazaina aminy androany?” Napetraka tamin’ny ankizy an-jatony io fanontaniana io tany Etazonia. Tsy nifantoka tamin’ny olana nisy teo aminy sy ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’izy ireo, rehefa namaly izany. Hilaza amin’ny ray aman-dreniny, hono, izy ireo hoe “Mifona” sy hoe “Tiako be ianareo.” Izany no tatitra nataon’ny boky hoe Ho An’ny Ray Aman-dreny (anglisy), nosoratan’i Shaunti Feldhahn sy Lisa Rice.

2 Tia ray aman-dreny ny zanaka amin’ny ankapobeny, ary tia zanaka ny ray aman-dreny, indrindra fa raha fianakaviana kristianina. Sarotra amin’ny ray aman-dreny sy zanaka anefa ny mifampiresaka indraindray, na dia te hifandray akaiky aza izy ireo. Nahoana izany no mitranga? Ary nahoana no misy zavatra sasany tsy resahin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mihitsy? Ahoana no hahaizan’izy ireo mifampiresaka tsara?

Afaka manokana fotoana bebe kokoa ve ianao mba hiarahana amin’ny fianakavianao, fa tsy manao zavatra hafa?

MITADIAVA FOTOANA IFAMPIRESAHANA

3. a) Nahoana no sarotra amin’ny fianakaviana maro ny mifampiresaka tsara? b) Nahoana no tsy sarotra tamin’ny fianakaviana israelita ny nahita fotoana iarahana?

3 Fianakaviana maro no miaiky fa sarotra amin’izy ireo ny mahita fotoana ampy tsara hifampiresahana. Tsy toy izany anefa taloha. Hoy i Mosesy tamin’ireo ray israelita: “Alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao [ny tenin’Andriamanitra] ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.” (Deot. 6:6, 7) Niaraka tamin’ny reniny tao an-trano ny ankizy nandritra ny andro manontolo, na niaraka tamin’ny rainy tany an-tsaha na tany am-piasana. Nanam-potoana be  iarahana sy ifampiresahana izy ireo. Vokatr’izany, dia fantatry ny ray aman-dreny hoe inona no zavatra ilain’ny zanany, ny faniriany, ary ny toetrany. Afaka nahafantatra tsara ny ray aman-dreniny koa ny ankizy.

4. Nahoana no sarotra amin’ny fianakaviana maro ny mifampiresaka ankehitriny?

4 Hafa mihitsy ny fiainana ankehitriny! Mbola kely ny ankizy dia efa miditra mianatra, indraindray aza vao roa taona. Ray sy reny maro no miasa ivelan’ny tokantranony. Fotoana kely fotsiny no mba iarahan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, kanefa tsy mifampiresaka izy ireo amin’izay fa variana amin’ny ordinatera, tele, na telefaonina. Samy manana ny fiainany izy ireo, ka tsy mifankahalala tsara. Zara raha mifampiresaka aza izy ireo.

5, 6. Ahoana no nataon’ny ray aman-dreny sasany mba hahitana fotoana iarahana amin’ny zanany?

5 Afaka mampihena ny fotoana anaovanao zavatra hafa ve ianao mba hiarahana kokoa amin’ny fianakavianao? (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Mifanaraka ny fianakaviana sasany fa hampihena ny fotoana ijereny tele na ampiasany ordinatera. Ny hafa indray miezaka hiara-misakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny. Fotoana mahafinaritra koa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hifankahalalan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka sady hianarany Baiboly. Efa tsara aloha raha manokana adiny iray isan-kerinandro ny fianakaviana, mba hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tsy ampy anefa izany mba hahafahan’ny fianakaviana mifampiresaka tsara. Tokony hanokana fotoana hifampiresahana foana izy ireo isan’andro. Alohan’ny andehanan’ny zanakao hianatra, ohatra, dia milazà zavatra mampahery azy, na miaraha manao teny vakina, na miaraha mivavaka aminy. Hanampy be azy ireo izany mandritra ny andro.

6 Nahavita nanao fanovana ny ray aman-dreny sasany mba hananana fotoana iarahana kokoa amin’ny zanany. Niala tamin’ny asa manontolo andro nataony, ohatra, i Laura, * reny manan-janaka roa. Hoy izy: “Samy nikoropaka  izahay taloha isa-maraina. Ny sasany namonjy asa, ny sasany nandeha nianatra. Rehefa niverina avy niasa aho tamin’ny hariva, dia efa natory ny zanako. Ny mpitaiza no nampatory azy ireo. Lasa kely kokoa ny volanay rehefa niala tamin’ny asako aho, kanefa lasa fantatro kokoa izao ny hevitry ny zanako sy ny olana mahazo azy. Mihaino an’izay lazain’izy ireo amin’ny vavaka aho, ka afaka manoro hevitra azy ireo, mampahery azy ireo, ary mampianatra azy ireo.”

AOKA IANAO “HO MAILAKA HIHAINO”

7. Inona no tena mampitaraina ny ray aman-dreny sy ny zanaka?

7 Niresaka olana hafa momba ny fifampiresahana koa ilay boky hoe Ho An’ny Ray Aman-dreny. Hoy ilay boky: ‘Ny tena nampitaraina an’ireo ankizy, dia hoe tsy mihaino azy ny ray aman-dreniny.’ Matetika koa anefa ny ray aman-dreny no mitaraina hoe tsy mihaino azy ny zanany. Raha te hifampiresaka tsara àry ny ray aman-dreny sy zanaka, dia mila mihaino izy ireo rehefa miresaka ny anankiray, ary tena mihaino tsara.—Vakio ny Jakoba 1:19.

8. Ahoana no hampisehoan’ny ray aman-dreny fa tena mihaino ny zanany izy?

8 Ry ray aman-dreny, tena mihaino ny zanakao ve ianao? Mety ho sarotra izany rehefa reraka ianao, na hitanao hoe hoatran’ny tsy misy dikany ny zavatra resahiny. Tadidio anefa fa mety ho tsy misy dikany aminao ilay izy, fa zava-dehibe amin’ny zanakao. Ilay hoe “mailaka hihaino” dia tsy midika fotsiny hoe mihaino ny zavatra lazaina, fa midika koa hoe mamantatra tsara ny fomba ilazana azy. Hahatakatra ny fihetseham-pon’ny zanakao ianao, raha mandinika ny toe-peony sy ny fihetsiny ary ny endriny. Tena ilaina koa ny mametraka fanontaniana. Hoy ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.” (Ohab. 20:5) Tena ilaina ny fahaiza-manavaka, izany hoe mandinika tsara, indrindra amin’ny resaka mahasadaikatra ny zanakao, mba hahatonga azy ireo hamboraka ny ao am-pony.

9. Nahoana ny ankizy no tokony hihaino ny ray aman-dreniny?

9 Rankizy, mihaino ny ray aman-dreninao ve ianao? Hoy ny Baiboly: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohab. 1:8) Tadidio fa tia anao ny ray aman-dreninao, ary izay tena hahasoa anao no tadiaviny. Hendry àry ianao raha mihaino sy mankatò azy ireo. (Efes. 6:1) Mora kokoa ny mankatò raha tadidinao fa tia anao ny ray aman-dreninao ary raha mifampiresaka tsara ianareo. Resaho amin’ny ray aman-dreninao àry izay tsapanao. Hanampy azy ireo izany mba hahatakatra ny fihetseham-ponao. Tokony hiezaka koa ianao mba hahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo.

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Rehoboama?

10 Tia manaraka ny torohevitry ny ankizy mitovy taona aminao ve ianao? Mila mitandrina ianao raha izany. Mety ho izay tianao ho re no lazain’izy ireo, nefa mety tsy hahasoa anao ilay izy, na mety hampidi-doza anao mihitsy. Tanora maro no tsy mahatsinjo lavitra sy tsy mahatakatra mialoha ny vokatry ny zavatra ataony, satria tsy manana ny fahendrena sy ny traikefan’ny olon-dehibe izy ireo. Tadidio i Rehoboama zanak’i Solomona Mpanjaka. Rehefa lasa mpanjakan’ny Israely izy, dia tokony ho nihaino ny torohevitr’ireo zokiolona. Naleony anefa nanaraka ny torohevitra ratsy nomen’ireo nitovy taona taminy, ka nikomy taminy ny ankamaroan’ny vahoakany. (1 Mpanj. 12:1-17) Aza manahaka an’i Rehoboama, fa miezaha kosa hifampiresaka tsara amin’ny ray aman-dreninao. Resaho amin’izy ireo izay ao an-tsainao. Araho ny torohevitr’izy ireo, ary makà lesona avy amin’ny fahendreny.—Ohab. 13:20.

11. Inona no mety ho vokany raha tsy mora hatonina ny ray aman-dreny?

 11 Ry ray aman-dreny, raha tsy tianao hankany amin’ny namany ny zanakao rehefa mila torohevitra, dia miezaha mba ho mora hatonina. Hoy ny anabavy tanora iray: “Tonga dia taitra be ny ray aman-dreniko, raha vao manonona anaran’ankizilahy fotsiny aho. Lasa sorena sy tsy te hiresaka intsony aho aorian’izay.” Hoy koa ny anabavy iray: “Ankizy maro no te haka hevitra any amin’ny ray aman-dreniny. Raha tsy tena mihaino azy anefa ny ray aman-dreniny, dia handeha any amin’izay olona mihaino azy kokoa izy, na dia tsy nandia fiainana aza ilay olona.” Raha vonona hihaino ny zanakao ianao, ary hiezaka hahatakatra ny fihetseham-pony na inona na inona holazainy aminao, dia hiresaka tsara aminao izy, ary harahiny ny torohevitrao.

AZA “MAIKA HITENY”

12. Inona no ataon’ny ray aman-dreny ka mety hanapaka ny fifampiresahany amin’ny zanany?

12 Tapaka avy hatrany ny fifampiresahana, raha tonga dia hita amin’ny fihetsiky ny ray aman-dreny hoe tsy tiany ny zavatra noresahin’ny zanany. Marina fa maro ny zavatra mampidi-doza amin’izao “andro farany” izao, ary te hiaro ny zanany ny ray aman-dreny. (2 Tim. 3:1-5) Tsy voatery ho takatry ny zanakao avy hatrany anefa izany. Mety hihevitra mihitsy aza izy hoe maneritery be ny fiainany ianao.

13. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hitandrina mba tsy hilaza ny heviny avy hatrany?

13 Tsara raha tsy tonga dia milaza ny heviny avy hatrany ny ray aman-dreny. Marina aloha fa sarotra ny mangina rehefa milaza zavatra mahasosotra ny zanakao. Tena ilaina anefa ny mihaino tsara aloha, vao miteny. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” (Ohab. 18:13) Raha tony foana ianao, dia hahafantatra zavatra betsaka kokoa, ary hanohy hiresaka ny zanakao. Tsy ho afaka hanampy ny zanakao ianao, raha tsy fantatrao daholo aloha ny zava-drehetra. Mety ho tsapanao avy amin’ny teniny aza hoe mikorontana ny fihetseham-pony matoa izy ‘mirediredy.’ (Joba 6:1-3) Tianao ny zanakao, ka ampiasao ny sofinao mba hihainoana tsara ary ampiasao ny lelanao mba hanasitranana.

14. Nahoana no tsy tokony ho maika hiteny ny zanaka?

14 Tsy tokony ho “maika hiteny” koa ianareo, rankizy. Aza toherina avy hatrany izay lazain’ny ray aman-dreninao, satria izy ireo no nasain’Andriamanitra nanabe anao. (Ohab. 22:6) Mety ho efa nandalo toe-javatra mitovy amin’ny anao izy ireo. Mety ho nanenenan’izy ireo koa ny fahadisoana nataony tamin’izy ireo tanora, ka tsy tiany hanao toy izany koa ianao. Raiso ho namana sy mpanoro hevitra àry ny ray aman-dreninao, fa aza heverina ho fahavalo. (Vakio ny Ohabolana 1:5.) “Hajao ny rainao sy ny reninao”, ary asehoy hoe tianao izy ireo toy ny itiavan’izy ireo anao. Ho mora kokoa amin’izy ireo amin’izay ny hitaiza anao “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efes. 6:2, 4.

AZA “MORA TEZITRA”

15. Inona no hanampy antsika hanam-paharetana sy tsy ho mora tezitra amin’ny mpianakavintsika?

15 Matetika isika no tsy manam-paharetana amin’ireo olona tiantsika. Hoy anefa ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina: “Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.” (Kol. 1:1, 2; 3:19, 21) Hoy koa i Paoly tamin’ireo Efesianina: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.”  (Efes. 4:31) Manampy antsika ho tony foana ny vokatry ny fanahy, toy ny faharetana sy ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena, na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza isika.—Gal. 5:22, 23.

16. Ahoana no nanitsian’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana izany no tena miavaka?

16 Diniho ny nataon’i Jesosy. Eritrereto ny adin-tsainy, tamin’ilay alina farany niarahany nisakafo tamin’ny apostoly. Fantany fa hijaly sy ho faty izy rehefa afaka ora vitsivitsy. Ary miankina amin’ny tsy fivadihany ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy sy ny hamonjena ny olombelona. “Nifanditra mafy” anefa ireo apostoly nandritra ilay sakafo. Niady hevitra izy ireo hoe iza no “lehibe indrindra” amin’izy ireo. Tsy nivazavaza anefa i Jesosy, na nampiseho hatezerana. Tony kosa izy nampisaintsaina azy ireo. Nampahatsiahy azy ireo i Jesosy hoe izy ireo no nifikitra taminy tao anatin’ny sarotra. Nilaza i Jesosy fa na dia tian’i Satana hosivanina toy ny vary aza ny mpianany, izany hoe tiany hotsapaina, dia natoky izy hoe tsy hivadika izy ireo. Nanao fifanekena tamin’izy ireo mihitsy aza izy.—Lioka 22:24-32.

Tena mihaino ny zanakao ve ianao?

17. Inona no hanampy ny ankizy ho tony foana?

17 Tokony ho tony foana koa ny zanaka. Mety tsy ho tian’ny tanora ny omena torohevitra, satria mety hahatsapa izy hoe tsy matoky azy ny ray aman-dreniny. Na izany aza no tsapanao, dia tadidio fa fitiavan’ny ray aman-dreny anao no mahatonga azy ireo hanome torohevitra anao. Miezaha ho tony rehefa miteny izy ireo, henoy tsara ny teniny, ary ekeo ny toroheviny. Hanaja anao izy ireo amin’izay, ary ho hitan’izy ireo fa azo atokisana ianao. Mety hahazo fahafahana bebe kokoa ianao raha manao izany. Fahendrena koa ny mifehy tena. Hoy ny Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.”

18. Nahoana no manatsara ny fifampiresahana ny fitiavana?

18 Aza kivy àry ry ray aman-dreny sy zanaka, raha mbola tsy mifampiresaka tsara araka ny itiavanao azy ianareo. Tohizo foana ny ezaka, ary araho foana ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. (3 Jaona 4) Ho lasa lavorary ny rehetra ao amin’ny tontolo vaovao, ka ho afaka hifandray tsara, ary tsy hisy intsony ny hevitra tsy mifankahazo. Amin’izao anefa aloha dia mety hanao zavatra anenenantsika isika rehetra. Aza misalasala àry miala tsiny. Mifamelà heloka tanteraka. Aoka ianareo ho “tafakambana mirindra tsara ao amin’ny fitiavana.” (Kol. 2:2) Mahery ny fitiavana. ‘Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra.’ (1 Kor. 13:4-7) Miezaha foana hanana fitiavana, dia ho afaka hifampiresaka tsara ianareo, ka ho faly sy hanome voninahitra an’i Jehovah.

^ feh. 6 Novana ny anarana.