Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampaherezana avy Amin’ny Ankizy

Fampaherezana avy Amin’ny Ankizy

Namoaka didy ny Fitsarana Tampony any Rosia, tamin’ny Desambra 2009, fa hofoanana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog, any Rosia. Nalain’ny manam-pahefana ny Efitrano Fanjakana, ary boky 34 no voarara satria boky mampidi-doza, hono. Napetraka tao amin’ny tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Internet io vaovao nanaitra io, ary natao tao koa ny sarin’ireo Vavolombelona voakasik’ilay izy, anisan’izany ny ankizy.

Ireo ankizy any Aostralia

Naharay baoritra iray sy taratasy iray ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Avy amin’ny fianakaviana Vavolombelona any Queensland, any Aostralia, io baoritra sy taratasy io. Hitan’izy ireo mantsy ilay tatitra tao amin’ny Internet. Izao no voalaza tao amin’ilay taratasy: “Ry rahalahy malala, tena nanohina ny fon’i Cody sy Larissa zanakay ny finoan’ireo mpiara-manompo any Rosia sy ny fitsapana atrehin’izy ireo. Nanoratra karta sy taratasy izy ireo, ary nanao fanomezana kely ao anaty baoritra. Tian’izy ireo homena an’ireo ankizy any Taganrog ireo fanomezana ireo. Amin’izay tsapan’ireo ankizy ireo fa misy ankizy hafa tsy mivadika amin’i Jehovah koa atỳ lavitra atỳ, ary tena mahatsiaro azy ireo. Mba ilazao ireo ankizy fa tsy manadino azy ireo ny zanakay.”

Nanoratra taratasy fisaorana misy sarisary ho an’ilay fianakaviana any Aostralia ireo ankizy any Taganrog, rehefa naharay an’ireo fanomezana. Nihetsi-po noho ilay fampaherezana avy amin’i Cody sy Larissa koa ny Vavolombelona iray miasa ao amin’ny sampan’i Rosia, ka nanoratra ho azy ireo. Hoy izy: “Fantatrareo fa tsy mahafinaritra izany hoe voasazy noho ny zavatra tsy natao izany, na ankizy ianao na olon-dehibe. Tsy nanao ratsy ireo rahalahy sy anabavintsika any Taganrog, nefa nalaina ny trano fivorian’izy ireo. Tena malahelo izy ireo vokatr’izany. Ho faly izy ireo mahalala hoe misy mahatsiaro azy ireo any an-tany lavitra any. Misaotra betsaka fa tena be fitiavana sy tsara fanahy ianareo!”—Sal. 8:2.

Ankizy any Rosia nahazo fanomezana tamin’ireo ankizy tany Aostralia

Tena anisan’ny fianakaviambe iray ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, ary manampy antsika hiatrika an’ireo fitsapana sy olana eo amin’ny fiainana ny fifankatiavantsika. Ampangaina ho mampirisika ny olona hifankahala ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa mifankatia sy mifampiahy ireo zanatsika, na dia samy hafa fiaviana aza. Asehon’izy ireo amin’izany fa marina ity tenin’i Jesosy ity: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:35.