Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahafahana Miatrika Olana?

Ahoana no Ahafahana Miatrika Olana?

“Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.”—SAL. 46:1.

1, 2. Inona no olana atrehin’ny olona maro, ary inona no irintsika mpanompon’i Jehovah tsirairay?

MIAINA amin’ny fotoan-tsarotra isika ankehitriny, satria mihamaro foana ny olana. Mampijaly ny olona ny horohoron-tany, tsunami, hain-trano, tondra-drano, fipoahan’ny volkano, tafio-drivotra mahery vaika, ary rivo-doza. Miteraka tahotra sy alahelo koa ny olana ara-pianakaviana na olana hafa mahazo ny tsirairay. Marina tokoa ilay tenin’ny Baiboly hoe mety ho tratran’ny olana isika tsirairay amin’ny “fotoana tsy ampoizina.”—Mpito. 9:11.

2 Marina fa afaka niatrika an’ireny olana ireny ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany. Efa tena akaiky anefa ny farany, ka tiantsika tsirairay ny hahay hiatrika an’izay olana mbola hitranga amin’ny hoavy. Ahoana no hahafahantsika manao izany, sady tsy ho kivy? Ary inona no hanampy antsika hanana hery hiatrehana zava-tsarotra?

TAHAFO IREO NAHAVITA NIATRIKA OLANA

3. Inona no hanampy antsika hiatrika olana, araka ny Romanina 15:4?

3 Marina fa vao mainka mampijaly ny olombelona ny olana ankehitriny, kanefa tsy vaovao amin’ny olombelona izany. Andeha àry hodinihintsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, nahavita niatrika an’ireo olana teo amin’ny fiainana.—Rom. 15:4.

4. Inona ny olana natrehin’i Davida, ary inona no nanampy azy hiatrika izany?

4 Diniho ny olana sasany tsy maintsy natrehin’i Davida: Te hamono azy i Saoly Mpanjaka. Niady taminy ny fahavalony, ary lasan’izy ireo ho babo ny vadiny. Namadika azy koa ny namany sy ny fianakaviany, ary kivy be izy indraindray. (1 Sam. 18:8, 9; 30:1-5; 2 Sam. 17:1-3; 24:15, 17; Sal. 38:4-8) Tena nampijaly an’i Davida ireny olana ireny, rehefa jerena ny tantarany ao amin’ny Baiboly. Tsy nampihena ny finoany an’i Jehovah anefa izany. Nilaza mihitsy aza izy hoe: “I Jehovah no manda miaro ny aiko, koa iza no haharaiki-tahotra ahy?”—Sal. 27:1; vakio ny Salamo 27:5, 10.

5. Inona no nanampy an’i Abrahama sy Saraha hiatrika olana?

5 Nipetraka an-day kosa i Abrahama sy Saraha, tamin’ny ankamaroan’ny fotoana niainany. Niaina toy ny mpivahiny tany amin’ny toerana tsy fantany izy ireo. Tsy mora anefa ny fiainan’izy ireo tamin’izany. Tratran’ny mosary, ohatra, izy ireo indray mandeha, ary niatrika zava-tsarotra koa noho ny nataon’ny mponina nanodidina. Vitan’izy ireo anefa ny niatrika izany. (Gen. 12:10; 14:14-16) Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa ‘niandry an’ilay tanàna manana fototra tena izy i Abrahama, dia ilay tanàna naorin’Andriamanitra sy nataony.’ (Heb. 11:8-10) Nifantoka tamin’ny hoavy foana i Abrahama sy Saraha, fa tsy nanaiky ho kivy noho ny olana nahazo azy.

6. Ahoana no anahafantsika an’i Joba?

6 Niatrika olana tena mafy koa i Joba. Alao sary an-tsaina izay tsapany, rehefa be dia be ny olana nahazo azy, ka toa tsy nisy nandeha tsara ny zava-drehetra teo amin’ny fiainany. (Joba 3:3, 11) Tsy vitan’izany fa tsy takany hoe nahoana no nitranga taminy ireny olana ireny. Tsy kivy anefa izy. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ary nanam-pinoana foana. (Vakio ny Joba 27:5.) Ohatra tsara tokoa izy ka tokony hotahafintsika!

7. Inona no nanjo an’i Paoly nandritra ny fanompoany, nefa inona no nanampy azy tsy ho kivy?

7 Diniho koa izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly. Saika nahita loza izy ‘tao an-tanàna sy tany an-tany efitra ary tany an-dranomasina.’ Nilaza koa izy fa efa tratran’ny ‘hanoanana sy ny hetaheta, ary ny hatsiaka sy ny fitanjahana.’ Nisy fotoana koa izy tavela teny afovoan-dranomasina “indray andro sy indray alina” satria vaky sambo. (2 Kor. 11:23-27) Tsy kivy anefa izy. Hoy izy indray mandeha, tamin’izy saika maty noho ny fanompoana: “Izany dia mba hitokisanay amin’Andriamanitra izay manangana ny maty, fa tsy amin’ny tenanay. Nanafaka anay tamin’ny loza saika nahafaty anay mantsy izy, ary mbola hanafaka anay koa.” (2 Kor. 1:8-10) Vitsy ihany ny olona niatrika olana be dia be toa an’i Paoly, kanefa afaka mahatakatra ny fihetseham-pony ny ankamaroantsika, ary mahazo fampaherezana avy amin’ny ohatra navelany.

AZA KIVY REHEFA MIATRIKA OLANA

8. Inona no mety ho vokatry ny olana, eo amintsika? Hazavao amin’ny ohatra.

8 Be loatra ny loza sy olana ankehitriny, ka olona maro no kivy. Tratran’izany indraindray na dia ny Kristianina aza. Anisan’izany i Lani, * any Aostralia. Faly izy nanompo manontolo andro niaraka tamin’ny vadiny, kanefa kivy be izy rehefa nahafantatra hoe voan’ny kanseran’ny nono. Nilaza izy fa toy ny nilatsaham-baratra izy rehefa nandre an’ilay vaovao. Hoy koa izy: “Lasa narary be aho vokatr’ilay fitsaboana, ary nahatsiaro tena ho tsy misy dikany.” Tsy vitan’izany fa mbola nila nikarakara ny vadiny koa i Lani, satria nodidiana tao amin’ny hazondamosiny izy io. Inona no azonao atao raha mitranga aminao izany?

9, 10. a) Inona no tsy tokony havelantsika ataon’i Satana amintsika? b) Ahoana no ahafahantsika miatrika an’ireo fahoriana voalazan’ny Asan’ny Apostoly 14:22?

9 Tokony hotadidintsika fa te hampihena ny finoantsika i Satana, rehefa misy zava-tsarotra manjo antsika, mba hahatonga antsika tsy ho faly intsony. Tsy tokony havelantsika hanao izany anefa izy. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Hanana herim-po hiatrehana olana ianao, raha misaintsaina an’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly, toy ireo nodinihintsika terỳ aloha.

10 Tokony hotadidintsika koa fa tsy voatery ho voavahantsika daholo ny olana rehetra manjo antsika. Efa fantatsika mantsy fa tsy maintsy hisy foana ny olana. (2 Tim. 3:12) Hoy ny Asan’ny Apostoly 14:22: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Aza kivy àry raha misy ny olana, fa hararaoty kosa izy ireny mba hampisehoana fa tena mino ianao hoe afaka manampy anao Andriamanitra.

11. Inona no hanampy antsika tsy ho kivy rehefa misy olana?

11 Mila mifantoka amin’ny zavatra tsara isika. Hoy ny Baiboly: “Mahamiramirana endrika ny fo falifaly, fa mahakivy kosa ny fahoriam-po.” (Ohab. 15:13) Hitan’ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana fa mahasalama ny mifantoka amin’ny zavatra tsara. Marary maro, ohatra, no nomena pilina mamy fotsiny, fa tsy tena fanafody. Nihatsara anefa ny fahasalamany rehefa mino izy fa tena ho sitran’ilay pilina. Mifanohitra amin’izany kosa anefa, fa niharatsy ny fahasalaman’ny marary rehefa nilazana izy hoe misy vokany ratsy ilay pilina. Toy izany koa fa ho kivy fotsiny isika raha mifantoka foana amin’ny zavatra ratsy, izay tsy azontsika ovana. Tsy toy ny dokotera manome “pilina mamy” anefa i Jehovah, fa manome ny tena fanampiana ilaintsika. Rehefa misy olana, ohatra, dia mampahery antsika izy amin’ny alalan’ny Teniny, sy ireo rahalahy, ary manome hery antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Mampitraka antsika ny fieritreretana an’ireny fanampiana omen’i Jehovah ireny. Rehefa misy olana àry, dia miezaha miatrika an’ilay izy ary mifantoha amin’ny zavatra tsara.—Ohab. 17:22.

12, 13. a) Inona no manampy ny mpanompon’i Jehovah hiaritra rehefa misy loza? Manomeza ohatra. b) Nahoana no manampy antsika hahita izay tena zava-dehibe indrindra ny loza mitranga?

12 Nisy loza nitranga tany amin’ny tany sasany, tato ho ato, kanefa hain’ireo mpiara-manompo ny niatrika an’izany. Tsy midika anefa izany hoe mora tamin’izy ireo ilay izy. Nisy horohoron-tany lehibe sy tsunami, ohatra, tany Silia tamin’ny Febroary 2010. Simba ny trano sy ny fananan’ny mpiara-manompo maro. Nisy koa very asa. Na izany aza, dia nanohy nanompo an’i Jehovah izy ireo. Hoy i Samuel, izay rava tanteraka ny tranony: “Nivory sy nitory foana izahay mivady, na dia mafy aza ny nahazo anay. Mino aho fa izany fahazaranay izany no nanampy anay tsy ho kivy.” Tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo azy izy ireo, fa nanompo an’i Jehovah foana. Maro koa no nanao toy izany.

13 Tratran’ny tondra-drano ny ankamaroan’ny tanànan’i Manille, any Philippines, tamin’ny Septambra 2009. Nilaza ny lehilahy mpanankarena iray very fananana hoe: “Voan’ilay tondra-drano ny olon-drehetra, ary nijaly sy nahita olana daholo na ny mahantra na ny manankarena.” Mampahatsiahy antsika an’ity torohevitr’i Jesosy ity izany: ‘Manangòna harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.’ (Mat. 6:20) Mandiso fanantenana ny miantehitra amin’ny zavatra ara-nofo, satria mety hanjavona tampoka izy ireny. Hendry kosa isika raha ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no ataontsika loha laharana, satria izany no tsy ho simba mihitsy na inona na inona olana mitranga.—Vakio ny Hebreo 13:5, 6.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HO BE HERIM-PO?

14. Inona no manampy antsika hanana herim-po?

14 Nilaza i Jesosy fa ho be dia be ny zava-tsarotra, mandritra ny fanatrehany. Hoy anefa izy: “Aza raiki-tahotra.” (Lioka 21:9) Tsy misy antony tokony hatahorantsika tokoa satria manampy antsika i Jesosy mpanjakantsika, ary manampy antsika ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. Nilaza toy izao i Paoly, rehefa nampahery an’i Timoty: “Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.”—2 Tim. 1:7.

15. Inona ny tenin’ny mpanompon’i Jehovah sasany mampiseho fa tena natoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo? Inona no hanampy antsika hanana herim-po toy izany?

15 Mariho ny tenin’ireto mpanompon’i Jehovah ireto. Hoy i Davida: “I Jehovah no heriko sy ampingako. Izy no itokian’ny foko. Nanampy ahy izy ka faly ny foko.” (Sal. 28:7) Natoky tanteraka an’i Jehovah koa i Paoly, ka nilaza hoe: “Mivoaka ho mpandresy tanteraka isika amin’izany rehetra izany, amin’ny alalan’ilay tia antsika.” (Rom. 8:37) Diniho koa ny tenin’i Jesosy, rehefa nanakaiky ny fotoana hisamborana azy. Nasehony mazava tsara tamin’ny mpianany fa nifandray akaiky izy sy ny Rainy. Hoy izy: ‘Tsy irery aho satria eo ny Raiko.’ (Jaona 16:32) Inona no tsoahantsika avy amin’ireo andinin-teny ireo? Samy natoky tanteraka an’i Jehovah ireo mpanompony ireo. Manampy antsika hanana herim-po hiatrehana an’izay olana mitranga ny fatokisana an’i Jehovah toy izany.—Vakio ny Salamo 46:1-3.

HARARAOTY IREO FANAMPIANA OMEN’I JEHOVAH

16. Nahoana isika no tena mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra?

16 Tsy hanana herim-po hiatrehana olana isika raha mitoky amin’ny herintsika fotsiny, fa mila mahalala an’i Jehovah sy mitoky aminy isika. Ilaina àry ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Milaza ny anabavy iray voan’ny aretin’ny fahaketrahana, fa nanampy azy ny “namerimberina namaky an’ireo andinin-teny mampahery.” Ary ahoana ireo fampirisihana antsika hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Manao azy io tsy tapaka ve ianao? Hanampy antsika izany mba hanana toe-tsaina toy ny an’ny mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!”—Sal. 119:97.

17. a) Inona no fomba hafa manampy antsika hiatrika olana? b) Efa nanampy anao hiatrika olana ve ny tantaram-piainana tao amin’ny boky sy gazetintsika? Tantarao.

17 Manampy antsika hatoky kokoa an’i Jehovah koa ireo boky sy gazety ara-baiboly. Rahalahy sy anabavy maro no nahazo fampaherezana, rehefa namaky an’ireo tantaram-piainana ao amin’ny gazetintsika. Mora miovaova be, ohatra, ny fihetseham-pon’ny anabavy iray any Azia. Faly izy rehefa namaky ny tantaran’ny rahalahy iray misionera taloha, izay nanana aretina hoatran’ny azy. Hoy ilay anabavy: “Nanampy ahy ilay lahatsoratra, mba hahatakatra kokoa ny olana nahazo ahy sy hanana fanantenana.”

Hararaoty ny fanampiana omen’i Jehovah anao, rehefa miatrika olana ianao

18. Nahoana isika no tokony hivavaka imbetsaka araka izay azo atao?

18 Afaka manampy antsika koa ny vavaka, na inona na inona toe-javatra atrehintsika. Niresaka ny maha zava-dehibe ny vavaka i Paoly. Hoy izy: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 4:6, 7) Ahoana no hataonao rehefa misy olana? Mivavaka imbetsaka araka izay azo atao ve ianao mba hahazoanao hery hiatrehana an’ilay olana? Efa ela i Alex, any Grande-Bretagne, no voan’ny aretin’ny fahaketrahana. Hoy izy: “Tena manampy ahy ny miresaka amin’i Jehovah amin’ny vavaka, sy mihaino ny feony amin’ny alalan’ny famakiana Baiboly.”

19. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivoriana?

19 Tena manampy antsika koa ny fivoriana. Hoy ny mpanao salamo: “Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo.” (Sal. 84:2) Zava-dehibe amintsika toy izany koa ve ny fivoriana? Nilaza i Lani, voaresaka terỳ aloha, fa zava-dehibe aminy ny fivoriana sy ny fiarahana amin’ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Fantatro fa tsy maintsy mivory aho, raha tiako ny hahazo ny fanampian’i Jehovah mba hiatrehana olana.”

20. Nahoana no manampy antsika hiatrika olana ny asa fitoriana?

20 Hahazo hery hiatrehana olana koa isika, raha mazoto foana mitory momba ilay Fanjakana. (1 Tim. 4:16) Tototry ny olana ny anabavy iray any Aostralia, ka hoy izy: “Tsy te hitory mihitsy aho, kanefa nanasa ahy hiara-hitory taminy ny anti-panahy iray, dia nandeha aho. Tena nanampy ahy i Jehovah. Tsapako fa nahatsiaro ho falifaly aho, isaky ny nandeha nitory.” (Ohab. 16:20) Maro no nahatsapa fa mihamatanjaka ny finoany, rehefa manampy ny hafa izy ireo mba hino an’i Jehovah. Rehefa manao izany izy ireo, dia lasa tsy mieritreritra ny olana mahazo azy, ary lasa mifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa.—Fil. 1:10, 11.

21. Inona no toky ananantsika na dia miatrika olana aza isika?

21 Manome fanampiana be dia be ho antsika i Jehovah, mba hananantsika herim-po hiatrehana olana. Mila manararaotra an’ireny fanampiana ireny isika, ary misaintsaina sy manahaka ny ohatr’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, izay nahavita niatrika olana. Raha manao izany isika, dia afaka matoky hoe hahavita hiatrika an’ireo olana manjo antsika. Marina fa mbola ho maro ny olana hitranga, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo ity. Afaka mahatsapa toa an’i Paoly anefa isika hoe: “Azera izahay, nefa tsy maty. ... Tsy kivy izahay.” (2 Kor. 4:9, 16) Afaka manana herim-po hiatrehana ny olana manjo antsika isika, noho ny fanampian’i Jehovah.—Vakio ny 2 Korintianina 4:17, 18.

^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.