Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah

Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah

Tantaram-piainana

Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah

Notantarain’i Henryk Dornik

TERAKA tamin’ny 1926 aho. Katolika nafana fo ny ray aman-dreniko, ary nipetraka tany Ruda Slaska. Toeram-pitrandrahana any akaikin’i Katowice, any amin’ny faritra atsimon’i Polonina, izy io. Nozarin’izy ireo hivavaka sy hamonjy Lamesa izahay efatra mianadahy, dia izaho sy Bernard zokiko lahy, ary Róża sy Edyta, zandriko vavy. Nandray ny sakramentan’ny fivalozana koa izahay.

Nahalala ny fahamarinana izahay

Faly be i Dada, indray andro, rehefa nody tao an-trano, tamin’ny Janoary 1937. Nitondra boky lehibe iray avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Hoy izy: “O rankizy a, jerenareo ange ity e! Ny Soratra Masina!” Izay aho vao nahita Baiboly, izany hoe tamin’izaho folo taona.

Tena nanan-kery tany Ruda Slaska sy ny manodidina azy ny Eglizy Katolika, ary efa ela no nitrangan’izany. Nifankahazo tamin’ny tompon’ny toeram-pitrandrahana ny mpitondra fivavahana, ary nasaina nankatò izay rehetra nolazain’izy ireo ny mpiasa sy ny fianakaviany. Raha nisy mpiasa tsy namonjy Lamesa na tsy nety nikonfesy, dia nampitovina tamin’ny tsy mpino ary noroahina tamin’ny asany. Tsy ela dia nandrahona an’i Dada izy ireo, satria nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Rehefa nitsidika anay anefa ny pretra iray, dia nahariharin’i Dada teo imason’ny rehetra ny fihatsarambelatsihiny. Menatra ilay pretra ary tsy te hahita olana hafa, ka tsy noroahina tamin’ny asany i Dada.

Vao mainka tapa-kevitra hianatra Baiboly aho, taorian’iny resaka iny. Nihatia an’i Jehovah aho, ary lasa nifandray tsara taminy. Volana vitsivitsy taorian’ny resak’i Dada sy ilay pretra, dia nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izahay, niaraka tamin’ny olona 30. Nolazaina tamin’ilay antokon’olona fa ‘anisan’ny Jonadaba’ izy. Fantatro tatỳ aoriana fa ireo Kristianina manantena hiaina eto an-tany no atao hoe “Jonadaba”, ary hitombo isa hatrany izy ireo. *2 Mpanjaka 10:15-17.

“Fantatrao ve ny dikan’ny batisa, ry tovolahy?”

Tsy nisotro toaka intsony i Dada raha vao nanaiky ny fahamarinana, ary lasa raim-pianakaviana tsara sy vady mendrika. Tsy nanaiky ny fahamarinana anefa i Neny. Nilaza foana izy hoe naleony tsy niala tamin’ny fomba fiainany taloha i Dada, ary nijanona ho Katolika. Hitany anefa rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II, fa nisaotra an’Andriamanitra noho ny fandresen’i Alemaina ireo mpitondra fivavahana. Izy ireo ihany anefa teo aloha, no nivavaka mba handresen’i Polonina an’ireo Alemà nanafika azy. Lasa nanompo an’i Jehovah niaraka taminay i Neny, tamin’ny 1941.

Efa niresaka tamin’ny anti-panahy ny faniriako hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa aho, talohan’izay. Nihevitra anefa izy ireo fa mbola kely loatra aho, ka nasainy niandry. Tamin’ny 10 Desambra 1940 anefa, dia niantso ahy mangingina ho ao amin’ny efitra kely iray i Konrad Grabowy, izay maty mahatoky tany amin’ny toby fitanana tatỳ aoriana. Nametraka fanontaniana dimy tamiko izy, ary nataony batisa aho rehefa nahafa-po azy ny valin-teniko. Anisan’ny nanontaniany ahy ny hoe “Fantatrao ve ny dikan’ny batisa, ry tovolahy?” sy ny hoe “Koa satria ao anatin’ny ady isika izao, fantatrao ve fa tsy ho ela ianao dia tsy maintsy hifidy na hiandany amin’i Hitler na hiandany amin’i Jehovah, ary mety hamoizanao ny ainao ny fanapahan-kevitrao?” Tsy nisalasala aho namaly hoe: “Fantatro tsara izany.”

Nanomboka ny fanenjehana

Nahoana i Konrad Grabowy no nametraka fanontaniana voafaritra tsara toy izany? Nanafika an’i Polonina ny tafika alemà tamin’ny 1939, ka niharam-pitsapana mafy ny finoanay sy ny tsy fivadihanay. Nitombo isan’andro ny fitaintainanay, rehefa renay fa nisy rahalahy sy anabavy kristianina nosamborina, natao sesitany, nalefa tany am-ponja na tany amin’ny toby fitanana. Tsy ho ela dia hiatrika fitsapana toy izany koa izahay.

Tian’ny Nazia ho lasa mpanohana ny fitondran’i Hitler ny tanora, anisan’izany izahay efatra mianadahy. Imbetsaka i Dada sy Neny no tsy nety nisoratra anarana tamin’ny lisitr’ireo te hizaka ny zom-pirenena alemà, ka tsy navela hitaiza anay intsony. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Auschwitz i Dada. Nalefa tany amin’ny toerana fitaizana zaza maditra, tany Grottkau, any akaikin’i Nysa, izahay mirahalahy tamin’ny Febroary 1944. Ireo anabavinay kosa nalefa tany amin’ny tranon-drelijiozy tany Czarnowąsy, any akaikin’i Opole. Nihevitra mantsy ny manam-pahefana fa nanana hevi-diso i Dada sy Neny, ka tsy tian’izy ireo hanaraka an’izany izahay. I Neny sisa no tao an-trano.

Natsangana isa-maraina ny saina famantarana ny Nazia, tao amin’ilay toerana fitaizana zaza maditra. Nasaina nanangana ny tananay havanana izahay sady nilaza hoe “Heil Hitler.” Niharam-pitsapana mafy ny finoanay, kanefa tsy nanaiky lembenana mihitsy izahay sy Bernard. Nolazaina àry fa “tsy nanaja” izahay, ka nokapohina mafy. Tsy nahomby ny ezaka rehetra nataon’ny mpiambina SS mba hanakiviana anay hiala tamin’ny finoanay. Hany herin’izy ireo dia ny nandrahona anay hoe: “Mahazo misafidy ianareo: Na hanao sonia fa hanohana ny Fitondrana Alemà sy hirotsaka ao amin’ny tafika, na halefa any amin’ny toby fitanana.”

Nilaza toy izao ny manam-pahefana, tamin’ny Aogositra 1944, rehefa nandefa anay tany amin’ny toby fitanana: “Tsy laitra akisoka amin’ny heviny mihitsy izy ireo. Mahafaly azy ny fampijaliana atao aminy. Tsy mankatò mihitsy izy ireo, ka atahorana hanahaka azy ireo ny ankizy hafa.” Tsy te hijaly aho, kanefa tena faly satria niaritra fahoriana noho ny tsy fivadihako tamin’i Jehovah. Tony foana aho tamin’izany ary nisikina herim-po. (Asan’ny Apostoly 5:41) Tsy ho vitako ny hiaritra ny fahoriana nihatra tamiko taorian’izay, raha ny heriko samirery. Nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah kosa ny vavaka vokatry ny fo, ary tena nanampy ahy izy.—Hebreo 13:6.

Tany amin’ny toby fitanana

Tsy ela aho dia nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Gross-Rosen, any Silezia. Nomena nomerao aho, ary nahazo telozoro volomparasy, izay namantarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza tamiko ny mpiambina SS fa azo nafahana aho ary nety ho lasa manamboninahitra tao amin’ny tafika nazia mihitsy, raha nanaiky an’ity teniny ity: “Tsy maintsy mandà ny zavatra inoan’ny Mpianatra ny Baiboly ianao, satria manohintohina ny Fitondrana Alemà izany.” Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nahazo izany fampanantenana fanafahana izany. Nanda anefa aho, toa an’ireo Vavolombelona hafa an’arivony. Hoy àry ilay mpiambina: “Jereo tsara io fivoahan-tsetroky ny trano fandoroam-paty io. Eritrereto tsara ilay teniko teo, sao dia tsy hahazo fahafahana intsony ianao raha tsy amin’ny alalan’io fivoahan-tsetroka io.” Tsy niova hevitra mihitsy anefa aho, ary tsapako tamin’izay fa feno ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” aho.—Filipianina 4:6, 7.

Nivavaka aho mba ho afaka hifandray amin’ny mpiray finoana tao an-toby, ary notanterahin’i Jehovah izany. Anisan’ireny Kristianina ireny ilay rahalahy nahatoky atao hoe Gustaw Baumert, izay tena nikarakara ahy tamim-pitiavana. Tena tsapako fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” tokoa i Jehovah.—2 Korintianina 1:3.

Nihananakaiky ny tafika rosianina, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ka voatery nanafaka ny gadra rehetra ny Nazia. Nanao vivery ny ainay izahay teo am-panomanana ny dia, ka nankao amin’ny toerana nisy ny vehivavy mba hahitana hoe nanao ahoana ireo anabavy kristianina tokony ho 20 tao. Anisan’izy ireo i Elsa Abt sy Gertrud Ott. * Nihazakazaka nanatona izy ireo raha vao nahita anay. Nifampahery vetivety izahay, ary niara-nanao hiran’ilay Fanjakana izy ireo avy eo. Anisan’ny tonon’ilay hira ny hoe: “Reo tia an’i Jah sy mahatoky, dia tsy mba matahotra.” * Nanganohano ny ranomasonay rehetra!

Tany amin’ny fonja hafa

Nasisiky ny Nazia tao anaty vagao fitondrana saribao ny gadra 100 ka hatramin’ny 150. Nandeha tao anatin’ny orana mamirifiry izahay ary tsy nomena sakafo na rano. Nijaly noho ny hetaheta sy ny aretina izahay. Matin’ny harerahana sy ny aretina ireo gadra, ka nihena tsikelikely ny olona tao anaty vagao. Nivonto be ny tongotro sy ny tonon-taolako, ka tsy afa-nitsangana aho. Tonga tany amin’ny tobin’i Mittelbau-Dora, any akaikin’i Weimar, any Thuringe ireo gadra sisa tsy maty, rehefa afaka folo andro. Nahagaga fa tsy nisy rahalahy maty nandritra an’iny dia nahatsiravina iny.

Raha vao nihanatanjaka aho dia nivalan-dra indray. Nihanaka tao an-toby io aretina io ary nisy rahalahy voa. Tsy navela hihinana ny lasopy nozaraina tao an-toby aloha izahay, fa nasaina nihinana mofo nodorana. Nanaraka izany torohevitra izany aho ary tsy ela dia sitrana. Renay tamin’ny Martsa 1945, fa ny Matio 28:19 no andinin-teny ho an’ny taona. Izao no voalaza ao: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Nino izahay fa hafahana tsy ho ela ny voafonja, ary hitohy ny asa fitoriana ny vaovao tsara. Faly sy be fanantenana erỳ izahay. Nieritreritra mantsy izahay talohan’izay fa ny Hara-magedona no hamarana ny Ady Lehibe II. Tena nahavariana ny fomba nanatanjahan’i Jehovah anay nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny!

Fanafahana!

Notafihin’ny tafiky ny mpiray dina ny tobin’ny SS, tamin’ny 1 Aprily 1945, ary nodarohany baomba. Voa koa ilay toby nisy anay teo akaiky teo. Maro no maty na naratra. Vary raraka ny zera baomba ny ampitson’iny. Nisy baomba nipoaka teo akaikiko ka nasavoanany ambony be aho, ary tototry ny potipoti-javatra avy eo.

Tonga namonjy ahy ny rahalahy Fritz Ulrich. Nino izy fa mbola velona aho ka nokarohiny tao anatin’ireo potipoti-javatra. Hitany aho tamin’ny farany ary nosintoniny avy tao. Rehefa nahatsiaro tena aho, dia fantatro fa naratra be ny tarehiko sy ny tenako, ary tsy nandre na inona na inona aho. Nanimba ny ampongan-tsofiko ny feon’ilay baomba. Taona maro tatỳ aoriana vao sitrana ny sofiko.

Vitsy tamin’ireo gadra an’arivony no tsy maty tamin’iny zera baomba iny. Maty koa ny rahalahy sasany, anisan’izany i Gustaw Baumert, ilay rahalahy tsy foiko. Nanonitra ny ratrako ka nanavy be aho. Hitan’ny tafika mpiray dina anefa izahay tsy ela taorian’izay, ary nafahan’izy ireo. Nampisy areti-mifindra avy amin’ny parasy ireo faty simba, ka voa aho. Nentina tany amin’ny hopitaly ireo sisa tsy matin’ilay aretina, ary anisan’izy ireo aho. Nanao araka izay fara heriny ny dokotera, kanefa ny telo taminay ihany no velona. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, satria nanampy ahy tsy hivadika izy nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Misaotra azy koa aho satria namonjy ahy tsy ho faty izy.—Salamo 23:4.

Tafody ihany tamin’ny farany!

Nilavo lefona ny Alemà ka nafahana izahay. Nanantena ny ho tonga haingana tany an-trano aho, kanefa tsy mora araka ny nieritreretako azy izany. Nahita ahy ny mpiara-migadra tamiko taloha, izay anisan’ny Fikambanana Katolika, ka niantsoantso hoe: “Vonoy io!” Natosik’izy ireo hianjera tamin’ny tany aho, ary nohitsakitsahiny. Tonga namonjy ahy tamin’izany habibiana izany ny lehilahy iray. Ela anefa aho vao sitrana, satria naratra sady mbola reradreraka noho ilay areti-mifindra tany an-toby. Afaka nody ihany aho tamin’ny farany. Faly be aho fa tafaraka indray tamin’ny fianakaviako! Dibo-kafaliana izy rehetra rehefa nahita ahy, satria noheverin’izy ireo fa efa maty aho.

Nitory indray izahay, ary nandray anay tsara ireo olona tso-po maro nitady ny fahamarinana. Notendrena ho mpitatitra ny boky aman-gazety ho an’ny fiangonana teto Polonina aho. Nanana tombontsoa nihaona tamin’ireo solontenan’ny sampan’i Alemaina izahay sy ny rahalahy hafa, rehefa tonga tany Weimar. Avy tany izahay no nitondra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka voalohany taorian’ny ady. Avy hatrany dia nadika tamin’ny fiteny poloney izy ireo, nanamboarana modely ary natao pirinty. Nanomboka nahazo boky sy gazety tsy tapaka ny fiangonana, rehefa afaka nikarakara ny asa manerana an’i Polonina ny biraon’ny sampana tao Lodz. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, aho, ary nitory nanerana ny faritr’i Silezia. Anisan’ny Polonina ny ankabeazan’io faritra io, tamin’izany.

Tsy ela dia nenjehina indray ny Vavolombelon’i Jehovah teto Polonina, rehefa nandray fahefana ny fitondrana kominista. Voaheloka roa taona an-tranomaizina aho tamin’ny 1948, satria tsy nety nanao politika. Afaka nanampy gadra maro hifandray akaiky amin’Andriamanitra aho tany. Nifikitra tamin’ny fahamarinana ny iray tamin’izy ireny, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa, tatỳ aoriana.

Naiditra am-ponja indray aho tamin’ny 1952, satria nampangaina ho mpitsikilon’ny Amerikanina. Natoka-monina aho ary nalaina am-bavany andro aman’alina, mandra-pahatongan’ny andro nitsarana ahy. Mbola nanafaka ahy tamin’ny mpanenjika indray anefa i Jehovah, ary tsy niharan’ny fampijaliana toy izany intsony aho tatỳ aoriana.

Inona no nanampy ahy hiaritra?

Afaka manasongadina an’ireo lafin-javatra nanampy ahy hiaritra aho, rehefa manao jery todika ny lasa. Teo, ohatra, ny fampaherezana azoko avy tamin’i Jehovah sy ny Teniny. Nanampy ahy sy ny hafa hanana finoana matanjaka ny vavaka fitalahoana tamin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” sy ny fianarana ny Teniny isan’andro. Teo koa ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana nadika tanana. Ankoatra izany, dia tena nampahery ahy ireo mpiray finoana be fitiavana sy vonon-kanampy, tamin’izaho tany am-ponja.

Anisan’ny fitahiana azoko avy tamin’i Jehovah koa i Maria vadiko. Nivady izahay tamin’ny Oktobra 1950 ary niteraka an’i Halina. Nanjary tia an’i Jehovah sy nanompo azy, io zanakay vavy io rehefa lehibe. Nivady nandritra ny 35 taona izahay sy i Maria. Maty izy rehefa avy niady mafy tamin’ny aretina, nandritra ny fotoana ela. Nalahelo be aho rehefa maty izy. Nahatsiaro ho ‘nazera’ aho nandritra ny fotoana kelikely, kanefa “tsy maty.” (2 Korintianina 4:9) Nanohana ahy tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny ny zanako vavy, ny vadiny, ny zafikeliko, izay samy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana.

Manompo eto amin’ny biraon’ny sampan’i Polonina aho, nanomboka tamin’ny 1990. Fitahiana lehibe ny mifanerasera isan’andro amin’ireo mpiray finoana mahafinaritra, anisan’ny fianakavian’ny Betela. Efa miharatsy ny fahasalamako izao, ka tsapako indraindray fa toy ny voromahery efa reraka aho, ka tsy afaka mikopaka elatra intsony fa manaraka ny fitsokan’ny rivotra eny amin’ny habakabaka fotsiny. Mibanjina ny hoavy amim-pahatokiana anefa aho ary ‘mihira ho an’i Jehovah, satria nanisy soa ahy izy’ hatramin’izao. (Salamo 13:6) Hanaisotra ny fijaliana rehetra vokatry ny fitondran’i Satana i Jehovah, ilay Mpanampy ahy, ary tsy andriko ny hahatongavan’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1998, pejy 13, fehintsoratra 6.

^ feh. 20 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1980, pejy 11-14 ny tantaram-piainan’i Elsa Abt.

^ feh. 20 Hira faha-101 izy io tao amin’ilay fihirana hoe Hira Fiderana An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1928. Hira faha-56 kosa izy io ao amin’ny fihirana ankehitriny.

[Sary, pejy 10]

Nahazo nomerao sy telozoro volomparasy aho, tany amin’ny toby fitanana

[Sary, pejy 12]

Miaraka amin’i Maria vadiko, 1980