Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Miaina Amin’ny “Andro Farany” ve Isika?

Tena Miaina Amin’ny “Andro Farany” ve Isika?

Tena Miaina Amin’ny “Andro Farany” ve Isika?

MISY lafin-javatra roa manampy antsika hamantatra ilay antsoin’ny Baiboly hoe andro farany. Anisan’izany ny fisehoan-javatra sasany lazain’ny Soratra Masina fa hitranga mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3) Eo koa ny fiovan’ny toetra sy ny fanaon’ny olona miaina amin’ny “andro farany.”—2 Timoty 3:1.

Porofoin’ny zava-mitranga eran-tany sy ny toetran’ny olona mbamin’ny fanaony, fa miaina amin’ny andro farany isika. Porofoin’izany koa fa tsy ho ela dia hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ireo tia an’Andriamanitra, ny Fanjakany. Handinika lafin-javatra telo nolazain’i Jesosy fa hanamarika ny andro farany isika izao.

“Fiandohan’ny fahoriana”

Hoy i Jesosy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary hisy fanjakana hamely fanjakana, ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa. Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana, toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka.” (Matio 24:7, 8) Hodinihintsika tsirairay “izany rehetra izany.”

Maro be ny olona novonoina tamin’ny adim-poko sy ady hafa, nandritra ny taonjato lasa. Hoy ny tatitra iray avy amin’ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao: “Avo telo heny noho ny olona maty tamin’ny ady tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny 1899, ny olona maty tamin’ny ady nandritra ny taonjato [faha-20].” Nilaza toy izao koa i Jonathan Glover ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fitondran-tenan’ny Olona Nandritra ny Taonjato Faha-20 (anglisy): ‘Tombanana ho 86 tapitrisa ny olona maty tamin’ny ady, teo anelanelan’ny 1900 ka hatramin’ny 1989. Maro be tokoa izany maty nandritra ny taonjato faha-20 izany, ka tsy tonga dia azo sary an-tsaina. Marina fa tsy afaka ny hitovy ny isan’ny maty tamin’ny fotoana rehetra nandritra ilay taonjato, satria maty nandritra ireo ady lehibe roa ny roa ampahatelony (58 tapitrisa). Raha atao ihany anefa ny salanisa, dia 2 500 eo ho eo isan’andro no maty, izany hoe 100 mahery isan’ora, ary tsy an-kijanona izany nandritra ny 90 taona.’ Mba eritrereto ange ny alahelo sy fahorian’ireo olona an-tapitrisany namoy havana sy namana tamin’izany e!

Anisan’ny lafin-javatra mampiavaka ny andro farany koa ny mosary, na dia betsaka aza ny sakafo vokarina eran-tany. Milaza ny mpikaroka fa nitombo haingana kokoa noho ny mponina ny sakafo novokarina, nandritra ny 30 taona farany. Misy mosary anefa any amin’ny tany maro, satria tsy manana tany ampy mba hambolena ny olona, na tsy manana vola ampy hividianana sakafo. Any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, dia olona 1 200 tapitrisa eo ho eo no tsy manana afa-tsy vola kely (iray dolara amerikanina na latsaka), mba hivelomana isan’andro. Tsy manan-kohanina ny 780 tapitrisa eo ho eo amin’izy ireo. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, fa ankizy dimy tapitrisa mahery isan-taona no maty, satria tsy ampy sakafo.

Ahoana kosa ny amin’ny horohoron-tany? Milaza ny Fikambanana Amerikanina Mpanadihady Momba ny Tany fa nanomboka tamin’ny 1990, dia misy horohoron-tany 17 eo ho eo isan-taona mahavita manimba trano. Misy koa horohoron-tany mahery be mandrava trano, indray mandeha isan-taona. Hoy ny boky iray: “Nahafaty olona ana hetsiny ny horohoron-tany tao anatin’ny 100 taona lasa.” Anisan’ny mahatonga izany ny fitomboan’ny mponina eny amin’ny faritra matetika isehoan’ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1914.

Fisehoan-javatra miavaka hafa

Hoy i Jesosy: “Hisy areti-mandringana ... any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:11) Mandroso kokoa noho ny hatramin’izay ny fitsaboana ankehitriny. Mbola mandripaka olona foana anefa ny aretina efa nisy hatramin’izay sy ny aretina vaovao. Hoy ny tatitra avy ao amin’ny biraom-panjakana amerikanina iray: “Aretina 20 efa fantatra tsara no mamely indray, na mihanaka any amin’ny tany maro kokoa, nanomboka tamin’ny 1973. Anisan’izany ny tioberkilaozy (BK) sy ny tazo ary ny kôlerà. Matetika izy ireny no mahery vaika kokoa sy tsy andairam-panafody. Tsimokaretina vaovao sy tsy ahitam-panafany 30, fara fahakeliny, no hita nanomboka tamin’ny 1973. Anisan’izany ny VIH, ny Ebola, ny hepatita C, ary ny virosy Nipah.” Milaza ny tatitra nataon’ny Vokovoko Mena tamin’ny 28 Jona 2000, fa avo 160 heny eo ho eo noho ny olona matin’ny hetraketraky ny natiora, ny olona matin’ny areti-mifindra, tamin’ny 1999.

Lafin-javatra iray mampiavaka ny andro farany koa “ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.” (Matio 24:12) Any amin’ny faritra maro eran-tany izao, dia manidy varavarana foana ny olona rehefa miala ao an-trano, ary matahotra mandeha eny an-dalana amin’ny alina. Ary ahoana ny amin’ny fandotoana ny rivotra sy ny rano ary ny tany, izay matetika no vokatry ny fanaovan-javatra tsy ara-dalàna? Fahatanterahan’izay nolazain’ny Baiboly mialoha koa izany. Resahin’ny bokin’ny Apokalypsy fa efa misy fotoana voatondron’Andriamanitra mba ‘handringanany izay manimba ny tany.’—Apokalypsy 11:18.

Toetra sy fanaon’ny olona amin’ny andro farany

Sokafy ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 ange ny Baibolinao e, ary vakio ireo andinin-teny ireo. Hoy ny apostoly Paoly eo: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Tanisainy avy eo ny toetra 20, izay hampiavaka ny olona tsy tia an’Andriamanitra. Mahita olona manana ireo toetra ireo ve ianao eo amin’ny manodidina anao? Diniho izay voalaza tato ho ato, momba ny toetran’ny olona ankehitriny.

“Tia tena.” (2 Timoty 3:2) “Mikiry hanao izay tiany [ny olona], mihoatra noho ny hatramin’izay. Lasa toy ny andriamanitra [izy ireo], ary manantena hoentina toy izany.”—Gazety Momba ny Toe-karena (anglisy), Angletera.

“Tia vola.” (2 Timoty 3:2) “Mahatonga ny olona ho tia tena ny fitiavan-karena, ka resin’izany toe-tsaina izany ny fahaiza-mianina, tato ho ato. Tsy misy dikany ny fiainanao, raha tsy hitan’ny mpiara-monina fa manankarena ianao.”—Gazetin’i Jakarta (anglisy), Indonezia.

‘Tsy mankatò ray aman-dreny.’ (2 Timoty 3:2) ‘Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny rehefa mahita ny zanany efa-taona mandidindidy azy ireo toy ny fanaon’ny [Mpanjaka], na ny zanany valo taona mikiakiaka hoe: “Halako ianao!” ’—Mpanabe Amerikanina (anglisy), Etazonia.

‘Tsy mena-mivadika.’ (2 Timoty 3:2) “Mirona kokoa handao ny vady aman-janany ny lehilahy. Io angamba no fiovana lehibe indrindra nisy teo amin’ny fitondran-tenan’ny olona, tao anatin’ny [40 taona farany].”—Gazetin’i Wilson (anglisy), Etazonia.

‘Tsy tia ny mpianakaviny.’ (2 Timoty 3:3) “Lafin-javatra tena fahita isan’andro eo amin’ny fiaraha-monina eran-tany, ny herisetra ao an-tokantrano.”—Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (anglisy), Etazonia.

‘Tsy mahafehy tena.’ (2 Timoty 3:3) “Asehon’ny tantara maro mivoaka eo amin’ny pejy voalohany amin’ny gazety isa-maraina, fa tsy mahafehy tena sy tsy vonona hanaraka fitsipi-pitondran-tena ary tsy misy indrafo ny olona, rehefa mifandray amin’olon-kafa, ary na dia amin’ny tenany aza. ... Ho lasa fanjakan’i Baroa tsy ho ela ny fiaraha-monina misy antsika, raha mbola mankasitraka ny fahasiahana toy izao foana.”—Gazetin’i Bangkok (anglisy), Tailandy.

“Masiaka be.” (2 Timoty 3:3) ‘Misafoaka tsy amin’ny antony ny olona sady tsy mahafehy ny fahatezerany. Hita taratra izany eo amin’ny fifandraisan’ny samy mpamily, ny fampijaliana ao an-tokantrano, ary ny herisetra tsy amin’ny antony ataon’ireo mpanao heloka bevava. Na iza na iza dia mety hiharan’ny herisetra tsy ampoizina. Lasa sahiran-tsaina sy matahotra ny hotafihina àry ny olona.’—Andron’ny Varotra (anglisy), Afrika Atsimo.

‘Tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’ (2 Timoty 3:4) ‘Lazaina hatraiza hatraiza fa afaka misafidy malalaka izay karazana firaisana tiany ny olona. Toherina kosa ny fitsipi-pitondran-tena kristianina.’—Tsy Manam-petra (anglisy), gazety ao amin’ny Internet.

“Jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Timoty 3:5) “Niaiky [ny vehivavy iray any Holandy, izay nivaro-tena taloha], fa ny antokom-pivavahana mazàna no manohitra ny fanekena ny [fivarotan-tena] ho ara-dalàna. Niato izy ary nitsiky sady nilaza fa nisy mpitondra fivavahana maromaro anefa anisan’ny mpiaraka taminy matetika, tamin’izy mbola nivaro-tena. Nihomehy izy avy eo sady niteny hoe: ‘Milaza foana ny mpivaro-tena fa ny olona mpivavaka no tena mpiaraka amin’izy ireo.’ ”—Gazetim-pirenena Katolika (anglisy), Etazonia.

Hanao ahoana àry ny hoavy?

Feno zava-manahirana ny tontolo ankehitriny, araka ny nambaran’ny Baiboly mialoha. Misy zavatra mampahery anefa resahin’ilay faminaniana momba ny “famantarana ny fanatrehan[’i Kristy] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hoy i Jesosy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:3, 14) Tany 230 mahery izao no itoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mazoto mitory azy io ny olona enina tapitrisa mahery avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apokalypsy 7:9) Inona no vokatry ny fahazotoan’izy ireo amin’io asa io? Efa ho ny olona rehetra eran-tany no afaka mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana, izany hoe izay hataon’izy io sy ny fomba hahazoana ny fitahiana hoentiny. Marina tokoa fa ‘mitombo ny fahalalana’ amin’ny “andro farany.”—Daniela 12:4.

Tokony handray izany fahalalana izany ianao. Eritrereto izay hitranga, rehefa ho vita araka izay mahafa-po an’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara. Hoy i Jesosy: “Ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Izany dia ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Hoy ny Ohabolana 2:22: “Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” Hatao ahoana i Satana sy ny demoniany? Hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka izy ireo, ka tsy ho afaka hamitaka ny firenena intsony. (Apokalypsy 20:1-3) ‘Ny olona mahitsy sy ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa hitoetra’ eto an-tany aorian’izay. Hankafy ny fitahiana faran’izay tsara hoentin’ilay Fanjakana izy ireo.—Ohabolana 2:21; Apokalypsy 21:3-5.

Inona no azonao atao?

Azo antoka fa hifarana tsy ho ela ny tontolon’i Satana. Izay tsy miraharaha ny porofo hoe miaina amin’ny andro farany isika, dia tsy ho vonona rehefa ho tonga ny farany. (Matio 24:37-39; 1 Tesalonianina 5:2) Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”—Lioka 21:34-36.

Ireo mitsangana eo anatrehan’i Jesosy Zanak’olona, izany hoe ireo mahazo sitraka aminy ihany, no afaka hanantena ny ho tafavoaka velona amin’ny fifaranan’ity tontolo ity. Tena zava-dehibe ny hampiasantsika ny fotoana sisa tavela, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy! Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Tena hendry àry ianao raha mianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny zavatra takiny. Ho faly hanampy anao hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny manodidina anao. Manasa anao amim-pitiavana izahay mba hifandray amin’izy ireo, na hanoratra any amin’ny mpampanonta ity gazety ity.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

LAFINY MAMPIAVAKA NY ANDRO FARANY

FISEHOAN-JAVATRA MIAVAKA:

▪ Ady.—Matio 24:6, 7.

▪ Mosary.—Matio 24:7.

▪ Horohoron-tany.—Matio 24:7.

▪ Areti-mandringana.—Lioka 21:11.

▪ Fitomboan’ny fandikan-dalàna.—Matio 24:12.

▪ Fanimbana ny tany.—Apokalypsy 11:18.

TOETRAN’NY OLONA:

▪ Tia tena.—2 Timoty 3:2.

▪ Tia vola.—2 Timoty 3:2.

▪ Miavonavona.—2 Timoty 3:2.

▪ Tsy mankatò ray aman-dreny.—2 Timoty 3:2.

▪ Tsy misaotra.—2 Timoty 3:2.

▪ Tsy mena-mivadika. —2 Timoty 3:2.

▪ Tsy tia ny mpianakaviny. —2 Timoty 3:3.

▪ Tsy mahafehy tena. —2 Timoty 3:3.

▪ Masiaka be.—2 Timoty 3:3.

▪ Tia fahafinaretana. —2 Timoty 3:4.

▪ Mpivavaka mihatsaravelatsihy. —2 Timoty 3:5.

NY TENA MPIVAVAKA:

▪ Mitombo fahalalana. —Daniela 12:4.

▪ Mitory ny vaovao tsara maneran-tany.—Matio 24:14.

[Sary nahazoan-dalana]

UNITED NATIONS/Photo by F. GRIFFING