Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mahazo Izay Raketin’ny Baiboly Ianao ary Hahafinaritra Anao Izany

Afaka Mahazo Izay Raketin’ny Baiboly Ianao ary Hahafinaritra Anao Izany

Afaka Mahazo Izay Raketin’ny Baiboly Ianao ary Hahafinaritra Anao Izany

MIRAKITRA fahamarinana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Hazavaina ao ny antony iainantsika, ny mahatonga ny fijaliana, ary ny hoavin’ny olombelona. Ampianariny antsika koa ny fomba ahitana fahasambarana, ny fomba ahazoana namana, sy ny fomba amahana olana. Ary ny tena zava-dehibe dia hoe mampianatra antsika momba an’i Jehovah, Mpamorona antsika sy Raintsika any an-danitra, izy io. Mahafinaritra ny mahafantatra zavatra toy izany, ary mahatonga antsika hanana tanjona eo amin’ny fiainana.

Milaza ny Baiboly fa mitovy amin’ny fihinanana sakafo ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4; Hebreo 5:12-14) Mila mihinana sakafo mahasalama isika isan’andro mba hahavelona antsika. Mitovy amin’izany koa fa mila mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay nampanantenainy.

Mahafinaritra antsika ny misakafo satria natao hahitantsika fahafinaretana izany, sady tena ilain’ny vatantsika. Misy zavatra hafa tena ilaintsika koa anefa, ary tsy maintsy tadiavintsika izy io raha tiantsika ny ho sambatra. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Mila an’Andriamanitra isika mba hahasambatra antsika. Noho izany, dia tena mila mahazo izay raketin’ny teniny isika.

Marina aloha, fa misy mihevitra hoe sarotra ny mahazo izay raketin’ny Baiboly. Mety hila fanampiana ianao, ohatra, rehefa misy andalan-teny sasany miresaka fanao tsy mahazatra anao na mampiasa fanoharana. Ahitana teny an’ohatra koa ny faminaniana sasany, ka tsy mazava ilay izy raha tsy mijery andalan-teny hafa mamelabelatra an’ilay loha hevitra ianao. (Daniela 7:1-7; Apokalypsy 13:1, 2) Na eo aza izany, dia tena afaka mahazo izay raketin’ny Baiboly ianao. Nahoana isika no mahazo antoka ny amin’izany?

Fahafinaretana natao ho an’ny rehetra

Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Ao anatin’izy io no ampahafantarany antsika ny sitrapony. Andriamanitra ve dia hanome boky tsy hazava amintsika mihitsy, na hoe ny olona nahita fianarana ambony ihany no hahazo izay raketiny? Tsia, tsy ratsy toetra toy izany i Jehovah. Hoy i Kristy Jesosy: “Ray iza eo aminareo moa no angatahan-janany trondro, kanefa hanolotra azy bibilava fa tsy trondro? Na angatahan-janany atody ka hanolotra azy maingoka? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!” (Lioka 11:11-13) Azo antoka araka izany, fa afaka mahazo izay raketin’ny Baiboly ianao. Raha mangataka amim-pahatsorana amin’Andriamanitra ianao, dia hanome izay ilainao mba hahazoana ny Teniny izy. Afaka mahazo tsara ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly na dia ny ankizy aza!—2 Timoty 3:15.

Marina fa mitaky ezaka ny fahazoana izay raketin’ny Baiboly. Hisy vokany lehibe eo amin’ny fiainantsika sy hampahery antsika anefa ny fanaovana izany. Niseho tamin’ny mpianany roa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary niresaka tamin’izy ireo momba ny faminanian’ny Baiboly. Hoy ny fitantaran’i Lioka: “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.” Inona no vokany? Nisaintsaina ny zavatra reny ireo mpianatra ireo ny harivan’io, ka nifampiresaka hoe: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:13-32) Finaritra izy ireo rehefa azony tsara ny Tenin’Andriamanitra, satria nanatanjaka ny finoany ny fampanantenan’Andriamanitra izany, sady nanampy azy ireo hiandrandra hoavy sambatra.

Tsy manahirana mihitsy ny mihinana sakafo mahasalama, fa mahafinaritra. Mahasoa sady mahafinaritra toy izany koa ny mahazo izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra. Inona no tsy maintsy ataonao mba hahazoana tsara azy io? Hanazava aminao ny fomba hankafizana “ny fahalalana an’Andriamanitra” ny lahatsoratra manaraka.—Ohabolana 2:1-5.

[Sary, pejy 4]

Toy ny ray be fitiavana i Jehovah, ka manome fanahy masina antsika mba hahazoantsika izay raketin’ny Baiboly