Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lisitra Tranainy Mitanisa Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly

Lisitra Tranainy Mitanisa Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly

Lisitra Tranainy Mitanisa Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly

“TOA natao hisarihana ny sain’ny olona liana amin’ny tantaran’ny Kristianina voalohany, ny andalana tsirairay.” Izany no nolazain’ny olona sasany momba ny lisitra tranainy iray. Fantatrao ve hoe inona io lisitra io?

Mety ho fantatrao ilay izy, nefa mety ho mbola tsy fantatrao koa. Tsy inona izy io fa ny Sombin-taratasin’i Muratori. ‘Inona no tena mampiavaka azy io?’, hoy angamba ianao. Izy io no kanôna na lisitra marina sy tranainy indrindra mitanisa ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao, araka ny ahalalan’ny besinimaro azy.

Aminao angamba, zavatra tsy iadian-kevitra ny hoe anisan’ny Baiboly ny boky ao anatiny. Mety ho gaga àry ianao raha ilazana fa nisy olona nisalasala ny amin’izany taloha. Mitanisa asa soratra izay inoana fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra, ilay Sombin-taratasin’i Muratori. Ekenao angamba fa zava-dehibe ny hahafantarana izay tena raketin’ny Baiboly. Inona àry no voalazan’ny Sombin-taratasin’i Muratori momba ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina? Andeha aloha hojerentsika ny mombamomba azy io.

Ny nahitana azy

Ampahany amin’ny boky sora-tanana iray misy ravin-taratasy 76 vita tamin’ny hodi-biby malefaka, ny Sombin-taratasin’i Muratori. Mirefy 27 santimetatra ny halavan’ny ravin-taratasy tsirairay, ary 17 santimetatra ny sakany. Toa tany amin’ireo taona 700 tany ho any no nanoratana an’ilay boky, tao amin’ny monasiteran’i Bobbio, tsy lavitra an’i Plaisance, any amin’ny faritra avaratr’i Italia. Nafindra tao amin’ny Tranombokin’i Ambroise, any Milan (Italia) izy io, tany am-piandohan’ireo taona 1600. Nahita azy io tao amin’io tranomboky io ilay mpahay tantara italianina fanta-daza atao hoe Ludovico Muratori (1672-1750). Izy no nampahalala azy io tamin’ny besinimaro tamin’ny 1740, ka izany no nahatonga ilay anarana hoe Sombin-taratasin’i Muratori.

Ireo andalana 85 amin’ny ravin-taratasy faha-10 sy faha-11 amin’ilay boky sora-tanana no atao hoe Sombin-taratasin’i Muratori. Amin’ny teny latinina izy io, ary hita ao fa tsy tena nitandrina tsara ilay nandika azy. Hita ny diso sasany nataony, rehefa nampitahaina ny Sombin-taratasin’i Muratori sy ny andalan-tsoratra mitovy aminy tao amin’ny boky sora-tanana hafa, nosoratana tany amin’ireo taona 1000 sy 1100.

Oviana no nanoratana azy?

Nadika avy tamin’ny andalan-tsoratra tamin’ny teny grika ny Sombin-taratasin’i Muratori. Oviana no nanoratana ireo andalan-tsoratra ireo? Toa efa taonjato maro talohan’ny nanoratana ny Sombin-taratasin’i Muratori. Misy fomba hamaritana ny daty nanoratana ireo andalan-tsoratra ireo ihany anefa. Voaresaka ao amin’ny Sombin-taratasin’i Muratori, ny boky iray tsy anisan’ny Baiboly, mitondra ny lohateny hoe Ilay Mpiandry Ondry. Voalaza ao amin’ilay Sombin-taratasy fa lehilahy iray atao hoe Hermas no nanoratra an’io boky io, ary nosoratana “vao haingana ilay izy [tamin’izany], tao an-tanànan’i Roma.” Milaza ny manam-pahaizana fa teo anelanelan’ny taona 140 sy 155 no namitan’i Hermas an’io boky io. Tsy mahagaga àry raha nolazaina fa teo anelanelan’ny taona 170 sy 200 no nanoratana ireo andalan-tsoratra tamin’ny teny grika.

Tany Roma angamba no nanoratana azy, satria misy resaka mivantana sy an-kolaka momba an’i Roma ao anatiny. Mbola iadian-kevitra anefa hoe iza no nanoratra azy. Misy milaza hoe i Clément avy any Aleksandria, na Méliton avy any Sardisy, na koa Polycrate avy any Efesosy. Milaza anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa i Hippolyte no nanoratra azy io. Mpanoratra tamin’ny teny grika izy ary nahavita boky maro. Nipetraka tany Roma izy tamin’ny fotoana nanoratana ireo andalan-tsoratra, izay nandikana ny Sombin-taratasin’i Muratori. Tsy mahaliana anao loatra angamba izany, fa ny tena tianao ho fantatra dia hoe inona no raketin’ilay Sombin-taratasin’i Muratori, ka mahatonga azy io ho sarobidy.

Inona no raketiny?

Tsy mitanisa ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina fotsiny izy io. Hazavaina ao koa ny mombamomba an’ireo boky ireo sy ny mpanoratra azy. Raha mamaky ny Sombin-taratasin’i Muratori ianao, dia ho hitanao fa misy andalana maromaro banga eo am-piandohana, sady hoatran’ny mifarana tampoka ilay izy. Ny Filazantsaran’i Lioka no voaresaka voalohany, ary voalaza ao fa dokotera i Lioka. (Kolosianina 4:14) Voalaza ao koa fa Filazantsara fahatelo ilay nosoratany. Noho izany, dia mety ho niresaka momba ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ireo banga teo am-piandohana. Manaporofo izany ny Sombin-taratasin’i Muratori, satria voalaza ao fa Filazantsara fahefatra ny an’i Jaona.

Hamarinin’izy io fa i Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ho an’i “Teofilo hajaina.” (Lioka 1:3; Asan’ny Apostoly 1:1) Tanisaina aorian’izay ireo taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Korintianina (roa), ho an’ny Efesianina, ho an’ny Filipianina, ho an’ny Kolosianina, ho an’ny Galatianina, ho an’ny Tesalonianina (roa), ho an’ny Romanina, ho an’i Filemona, ho an’i Titosy, ary ho an’i Timoty (roa). Voalaza ao koa fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny taratasin’i Joda sy ny taratasy roa nosoratan’i Jaona. Efa voaresaka an-kolaka tany aloha kokoa ilay taratasy voalohany nosoratan’ny apostoly Jaona sy ilay Filazantsarany. Ny Apokalypsy no mamarana ny lisitr’ireo boky izay inoana fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra.

Marihina fa misy resaka bokin’ny Apokalypsy hafa nosoratan’i Petera ao amin’izy io. Voalaza ao koa anefa fa tsy tokony hovakin’ny Kristianina izy io, araka ny hevitry ny sasany. Nampitandrina ilay mpanoratra ny Sombin-taratasin’i Muratori, fa na tamin’ny androny aza, dia efa nisy boky nolazaina fa anisan’ny Baiboly nefa sandoka. Hazavaina ao anatin’ilay Sombin-taratasin’i Muratori fa tsy tokony hekena ireny boky sandoka ireny, “satria toy ny ranon’afero izy ireny, ka tsy tokony hafangaro amin’ny tantely.” Milaza anarana boky hafa tsy tokony hampidirina ho anisan’ny soratra masina koa ny Sombin-taratasin’i Muratori. Angamba noho izy ireo nosoratana taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, toy ilay bokin’i Hermas hoe Ilay Mpiandry Ondry, na noho izy ireo nanohana ny fivadiham-pinoana.

Voamarikao angamba fa tsy hita tao amin’ilay lisitra, ny taratasy ho an’ny Hebreo sy ireo taratasy roa nosoratan’i Petera ary ny taratasin’i Jakoba. Hoy anefa ny Profesora Geoffrey Hahneman, rehefa niresaka momba ny asan’ilay nandika ny Sombin-taratasin’i Muratori: “Azo inoana fa niresaka boky hafa izy io, saingy very ny taratasy nisy an’izany. Mety ho voaresaka tao anatin’izany ny bokin’i Jakoba sy ny Hebreo (ary ny Petera Voalohany).”

Hamarinin’ny Sombin-taratasin’i Muratori àry, fa efa nekena ho anisan’ny Baiboly ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na dia tamin’ny taonjato faharoa aza. Tsy voatery ho hita ao amin’ny lisitra tranainy iray anefa ireo boky ao amin’ny Baiboly, vao ho azo ekena hoe avy amin’Andriamanitra. Ny zavatra raketiny kosa dia efa manaporofo izany. Tsy mifanohitra ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, fa mifameno sy mirindra tsara, ary hita fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra tokoa. Handray soa àry ianao raha manaiky fa Tenin’i Jehovah avy amin’ny herin’ny fanahiny masina izy ireo sady marina, ary voatsimbina mandraka ankehitriny.—1 Tesalonianina 2:13; 2 Timoty 3:16, 17.

[Sary, pejy 13]

Ludovico Muratori

[Sary, pejy 14]

Ny Tranombokin’i Ambroise

[Sary, pejy 15]

Sombin-taratasin’i Muratori

[Sary nahazoan-dalana]

Diritti Biblioteca Ambrosiana. Vietata la riproduzione. Aut. No. F 157 / 05

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Sombin-taratasy: Diritti Biblioteca Ambrosiana. Vietata la riproduzione. Aut. No. F 157 / 05; Muratori: © 2005 Brown Brothers