Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manandratra An’i Jehovah Ireo Zavaboary Mahatalanjona

Manandratra An’i Jehovah Ireo Zavaboary Mahatalanjona

Manandratra An’i Jehovah Ireo Zavaboary Mahatalanjona

LEHIBE lavitra noho izay mety hoeritreretin’ny olona tsy lavorary i Jehovah Andriamanitra. Midera azy ny zavaboariny eto an-tany sy any an-danitra, izay tena mampitolagaga antsika.—Salamo 19:1-4.

Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Jehovah, ka tena tokony hohenoina rehefa miteny. Ho zendana anefa isika raha miresaka amintsika olombelona bitika eto an-tany izy! Aoka hatao hoe miresaka aminao izy, angamba amin’ny alalan’ny anjely iray. Azo antoka fa ho nanongilan-tsofina ianao. Tsy isalasalana fa nanao an’izany i Joba, lehilahy marina, rehefa niresaka taminy Andriamanitra, 3 500 taona lasa teo ho eo izay. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nolazain’Andriamanitra taminy, momba ny tany sy ny lanitra?

Iza no nanorina ny tany sy mifehy ny ranomasina?

Ao anaty tafio-drivotra Andriamanitra no manontany an’i Joba, momba ny tany sy ny ranomasina. (Joba 38:1-11) Tsy nisy mpanao maritrano nanapa-kevitra ny amin’izay tokony ho haben’ny tany, na nanampy tamin’ny famoronana azy. Ampitahain’Andriamanitra amin’ny trano ny tany rehefa manontany an’i Joba izy hoe: “Iza no nametraka ny vato fehi-zorony?” Tsy olona mihitsy! Faly ireo anjely zanak’Andriamanitra rehefa nitazana an’i Jehovah namorona an’ity planeta ity.

Toy ny zaza ny ranomasina raha oharina amin’ny fotoana nisian’Andriamanitra. “Nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka” izy io, ka ampitafiny. Toy ny hoe feran’Andriamanitra amin’ny hidy sy varavarana ny ranomasina, ary ny hery misinton’ny volana sy ny masoandro no mampirindra ny fisondrotany sy ny fisintonany.

Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): ‘Ny rivotra no mahatonga ny ankamaroan’ny onja eny an-dranomasimbe. Manomboka amin’ireo alon-drano izany ka hatramin’ireo onja lehibe mihoatra ny 30 metatra ny haavony. Mbola mitopatopa izy ireny ary tonga lavitra be, na dia tsy mitsoka intsony aza ny rivotra. Mihamalefaka sy mihalava izy ireny, ary lasa roatra rehefa midona amin’ny morontsiraka.’ Mankatò ity baikon’Andriamanitra ity ny ranomasina: “Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao.”

Iza no mampipoaka ny andro?

Manontany an’i Joba momba ny zava-bitan’ny hazavana sy ny zavaboary hafa, Andriamanitra, avy eo. (Joba 38:12-18) Tsy misy olona afaka mandidy ny fifandimbiasan’ny andro sy alina. Toy ny hoe mandray ny sisin’ny tany ny hazavan’ny maraina ary manakopakopaka ny ratsy fanahy hiala. Mety hanao ny asa ratsiny mantsy ny mpanao ratsy rehefa “maizimaizina.” (Joba 24:15, 16) Tsy hita anefa izay alehan’ny maro aminy rehefa mipoaka ny andro.

Toy ny fitomboka eny an-tanan’Andriamanitra ny hazavan’ny maraina, ary mamela soritra tsara tarehy amin’ny tany. Miseho ireo loko maro be rehefa mazava ny andro, ka toy ny hoe mitafy lamba tsara tarehy ny tany. Tsy nandray anjara tamin’izany mihitsy i Joba. Tsy nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina koa izy mba hanao lisitra ireo harena any. Tsy mahagaga àry raha tsy mahalala afa-tsy zavatra kely momba ny zavaboary any an-dranomasina ny mpikaroka ankehitriny!

Iza no mitahiry ny orampanala sy ny havandra?

Mbola tsy nisy olona nanatitra ny hazavana sy ny haizina hatrany an-tranony, na niditra tany amin’ny firaketana ny orampanala sy ny havandra izay tahirizin’Andriamanitra ho amin’ny “andro misy ady sy tafika.” (Joba 38:19-23) “Be lavitra ny matin’ny havandra noho izay novonoin’ny Zanak’Isiraely tamin’ny sabatra”, rehefa nandatsahan’i Jehovah havandra ny fahavalony tao Gibeona. (Josoa 10:11) Mety handatsaka havandra koa izy, rehefa handringana ireo olona ratsy fanahy hotarihin’i Goga, na i Satana. Tsy fantatra anefa ny ho haben’izany havandra izany.—Ezekiela 38:18, 22.

Hoatran’ny haben’ny atody ny havandra nilatsaka tany afovoan’i Henan, any Chine, tamin’ny Jolay 2002, ka 25 no maty ary 200 no naratra. Nitantara momba ny andro iray nanavandra tamin’ny 1545, i Benvenuto Cellini, Italianina mpanao sokitra. Hoy izy ao amin’ny boky misy ny tantaram-piainany: ‘Lalana iray andro avy any Lyon no nisy anay, rehefa nanomboka nikotroka be ny andro. Nisy feo nirefodrefotra be sy nampahatahotra avy any an-danitra, rehefa nitsahatra ny kotroka, ka nihevitra aho hoe tonga ny fara andro. Najanoko vetivety àry ny soavaliko, kanjo nanomboka nisy havandra be dia be nilatsaka, nefa tsy nisy orana. Lasa nitovy habe tamin’ny voasarimakirana lehibe ny havandra. Naharitra elaela ilay andro ratsy, nefa nitsahatra ihany tamin’ny farany. Samy nampiseho ny ratra sy mangana teny aminay izahay. Ratsy kokoa noho ny nahazo anay anefa no nitranga tany amin’ny iray kilaometatra sy sasany teo ho eo avy teo amin’ny nisy anay. Tsy hay lazaina ilay faharavana. Tapatapaka sy nihintsan-dravina daholo ny hazo. Maty nitsitsitra ny biby teny an-tsaha, ary maro tamin’ny mpiambina azy ireo no namoy ny ainy. Betsaka koa ny havandra hitanay, ary tsy voafehin-tanan-droa ny habeny.’

Inona no hitranga rehefa hiady amin’ny fahavalony i Jehovah ka hanokatra ny firaketany ny orampanala sy havandra, mba hanatanterahany ny sitrapony? Tsy ho tafavoaka velona izy ireo.

Iza no nanao ny orana, ny ando, ny fanala, ary ny ranomandry?

Manontany an’i Joba momba ny orana, ando, fanala ary ranomandry i Jehovah, avy eo. (Joba 38:24-30) Andriamanitra no Mpanao ny orana, ary mandray soa avy amin’izy io na ny “any amin’ny efitra tsy misy mponina” aza. Tsy olona mihitsy no ray na mpamorona ny orana sy ny ranomandry ary ny fanala.

Hoy ny Gazetin’ny Natiora (anglisy): ‘Mihamitombo hadiry ny rano rehefa mihamangatsiaka. Izany no mahavariana indrindra amin’ny [ranomandry], ary angamba ny mampiavaka azy indrindra. Miforona sy mitsingevana eny ambony dobo ny soson-dranomandry amin’ny ririnina, ka velona foana ny zavamaniry sy ny biby any anaty rano (trondro, sns.). Raha nihanifintina sy nihanavesatra mantsy ny rano rehefa mivaingana, dia ho navesatra ny ranomandry ka ho nilentika. Hihabetsaka ny ranomandry hiforona, ka ho lasa vongan-dranomandry ilay dobo amin’ny farany. Ho vongan-dranomandry foana ireo renirano, dobo, farihy, eny fa na dia ny ranomasimbe aza, any amin’ny tany mangatsiaka.’

Velom-pankasitrahana tokoa isika fa tsy izany no mitranga! Azo antoka fa mankasitraka ireo zavatra nataon’i Jehovah isika, dia ny orana sy ny ando, izay mamelona ireo zavamaniry.

Iza no namoaka ny lalàn’ny lanitra?

Manontany an’i Joba momba ny lanitra Andriamanitra avy eo. (Joba 38:31-33) Kintana lehibe fito miaraka amin’ny kintana madinika kokoa maromaro no atao hoe Ikotokelimiadilaona na Pléiades, ary 3 600 tapitrisa tapitrisa kilaometatra eo ho eo ny elanelany amin’ny masoandro. Tsy misy olona “mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona”, na afaka mampifanakaiky an’ireo kintana ireo. Tsy misy “mahavaha ny Telonohorefy” koa, izay antsoina hoe Orion ankehitriny. Tsy misy olona mahavita mitari-dalana sy mibaiko ireo kintana antsoina hoe Mazarota sy Bera, na tsy fantatsika marina aza ny anaran’izy ireny ankehitriny. Tsy misy olona afaka manova ny “lalàn’ny lanitra”, na ny lalàna mifehy izao rehetra izao.

Andriamanitra no nanao ny lalàna mifehy ireo zavatra eny amin’ny lanitra. Misy fiantraikany eo amin’ny toetrandro izy ireny, amin’ny atmosfera, ny fisondrotry ny ranomasina sy ny fisintonany, ary indrindra fa ny fisian’ny fiainana eto amin’ity planeta ity. Diniho, ohatra, ny masoandro. Milaza toy izao Ny Rakipahalalana Amerikanina (Fanontana 1996): ‘Manome hafanana sy hazavana ho an’ny tany ny tara-masoandro, mahatonga ny zavamaniry hitombo, manova ny rano sy ny ranomasimbe ho etona, mandray anjara amin’ny fisian’ny rivotra, ary manatontosa zavatra tena ilaina maro mba hampisy fiainana eto an-tany. Misy angovo be dia be ny tara-masoandro. Mba hahatakarana izany, dia eritrereto fotsiny fa 150 tapitrisa kilaometatra ny elanelan’ny tany amin’ny masoandro, nefa avy amin’izy io ny angovo rehetra voatahirin’ity planeta kely ity. Tafiditra amin’izany avokoa ireo angovo voajanahary azo avy amin’ny hazo, arintany, solika, mbamin’ireo angovo azo avy amin’ny rivotra sy tohodrano ary renirano.’

Iza no nanao ny rahona ho fitoeram-pahendrena?

Asain’i Jehovah mieritreritra momba ny rahona i Joba. (Joba 38:34-38) Tsy afaka mibaiko ny rahona hiforona sy handatsaka orana ny olona. Tena miankina amin’ny tsingerin’ny rano nataon’ny Mpamorona anefa ny fiainany!

Inona moa no atao hoe tsingerin’ny rano? Hoy ny diksionera iray: “Misy dingana efatra miavaka tsara ny tsingerin’ny rano: mihandrona, lasa etona, milatsaka amin’ny tany, ary mikoriana. Mety hihandrona vetivety any anaty tany, ranomasimbe, farihy, renirano, ary vongan-dranomandry eny an-tendrombohitra ny rano. Lasa etona io rano io avy eo, mitambatra ho rahona, milatsaka etỳ indray (orana na ranomandry), ary miafara any an-dranomasina na lasa etona eny amin’ny atmosfera indray. Efa nitsingerina imbetsaka toy izany ny ankamaroan’ny rano eto an-tany.”—Microsoft Encarta Reference Library 2005.

Toy ny fitoeran-dranon’ny lanitra ny rahona feno rano. Mety ho oram-be tokoa no hiraraka rehefa ahilan’i Jehovah izy ireny. Hitambatra ho fotaka ny vovoka ary hivongana ho bainga. Hain’Andriamanitra ny mandatsaka na mampihantona ny orana.—Jakoba 5:17, 18.

Misy tselatra sy varatra matetika rehefa avy ny orana, nefa tsy afaka mibaiko azy ireny araka izay tiany ny olona. Lazaina ho toy ny manatona an’Andriamanitra ny tselatra ary miteny hoe: “Indreto izahay.” Hoy ny Rakipahalalan’i Compton (anglisy): “Mampisy fiovana simika lehibe eny amin’ny atmosfera ny tselatra. Mamoaka hafanana be eny amin’ny rivotra izy ireny, ka mampikambana ny azota sy ny oksizenina ho lasa nitirata sy zavatra simika hafa. Milatsaka etỳ an-tany miaraka amin’ny orana izy ireny. Afaka manome hatrany izay ilain’ny nofon-tany àry ny atmosfera, mba hisian’ny zavamaniry.” Mbola tsy tena mahatakatra ny momba ny tselatra ny olona. Tsy mba toy izany anefa Andriamanitra.

Midera an’Andriamanitra ireo zavaboary mahatalanjona

Manandratra an’ilay Mpamorona ny zava-drehetra tokoa ireo zavaboary mahatalanjona. (Apokalypsy 4:11) Azo antoka fa nampiaiky volana an’i Joba tokoa izay nolazain’i Jehovah taminy, momba ny tany sy ireo zavatra eny amin’ny lanitra!

Tsy ireo ihany no fanontaniana napetraka na zavatra noresahina tamin’i Joba. Na dia ireo zavaboary mahatalanjona nodinihintsika teo aza anefa, dia efa mahatonga antsika hiteny hoe: “Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy.”—Joba 36:26.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Orampanala: snowcrystals.net

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Pléiades: NASA, ESA and AURA/Caltech; trondro: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./William W. Hartley