Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandaitra ve ny Fampianaranao?

Mandaitra ve ny Fampianaranao?

Mandaitra ve ny Fampianaranao?

TOKONY ho mpampianatra daholo ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy ary ny mpitory ny vaovao tsara. Ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany, ny anti-panahy mampianatra ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana, ary ny mpitory ny vaovao tsara kosa mampianatra ny olona liana. (Deoteronomia 6:6, 7; Matio 28:19, 20; 1 Timoty 4:13, 16) Inona no azonao atao hampandaitra kokoa ny fampianaranao? Azo atao, ohatra, ny manahaka ny modely sy fomba fampianatr’ireo mpampianatra mahay resahin’ny Tenin’Andriamanitra. Iray amin’ireny i Ezra.

Tahafo ny ohatr’i Ezra

Mpisorona taranak’i Arona i Ezra, ary nipetraka tany Babylona, 2 500 taona lasa izay. Nankany Jerosalema izy tamin’ny 468 talohan’i Kristy, mba hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio teo anivon’ireo Jiosy nipetraka tany. (Ezra 7:1, 6, 12, 13) Nilainy àry ny nampianatra ny vahoaka ny Lalàn’Andriamanitra. Inona no nataon’i Ezra hampandaitra tsara ny fampianarany? Nisy dingana maromaro nataony. Jereo ny itanisana izany dingana izany, ao amin’ny Ezra 7:10:

“Fa Ezra [1] nampiomana ny fony [2] hitady ny lalàn’i Jehovah ka [3] hankatò izany ary [4] hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” Andeha hodinihintsika tsirairay ireo dingana ireo, ary hojerentsika izay azo ianarana.

“Ezra nampiomana ny fony”

Manomana ny tanimboly ny mpamboly alohan’ny hamafazana, ka miasa ny tany amin’ny angadin’omby. Toy izany koa no nataon’i Ezra. Nivavaka izy aloha ka nanomana ny fony handray ny tenin’Andriamanitra. (Ezra 10:1) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe ‘nampitandremany’ ny fampianaran’i Jehovah ny fony.—Ohabolana 2:2.

Milaza koa ny Baiboly fa ‘nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitra’ i Josafata Mpanjaka. (2 Tantara 19:3) Nolazaina kosa hoe “taranaka maditra sy miodina” ny Isiraely, satria “tsy nampiomana ny fony.” (Salamo 78:8) Hitan’i Jehovah ny “toetra miafina ao am-po.” (1 Petera 3:4) Eny, “mampianatra ny mpandefitra ny làlany” izy. (Salamo 25:9) Tena mila manahaka an’i Ezra àry ireo mpampianatra ankehitriny, ka manomana tsara ny fony amin’ny alalan’ny vavaka!

‘Mitady ny lalàn’i Jehovah’

Tsy maintsy nitady na nandinika ny Tenin’Andriamanitra i Ezra, mba hahaizany mampianatra. Raha mitady torohevitra amin’ny dokotera tokoa ianao, ohatra, moa ve ianao tsy hihaino tsara azy, mba hahazoanao tsara izay lazainy na asainy ataonao? Azo antoka fa hanao izany ianao, satria te ho sitrana. Koa tokony hotandremantsika be lavitra noho izany izay lazain’i Jehovah na asainy atao ao amin’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” Ny aintsika mihitsy mantsy no voakasika! (Matio 4:4; 24:45-47) Mety ho diso ihany ny dokotera, fa “tsy misy tsiny” kosa ny “lalàn’i Jehovah.” (Salamo 19:7) Tsy mila hevitra hafa hanamarinana ny hevitr’i Jehovah isika.

Hita avy amin’ireo bokin’ny Tantara (nosoratan’i Ezra ho boky iray tany am-boalohany) ao amin’ny Baiboly, fa mpianatra nazoto i Ezra. Nampiasa loharanon-kevitra maro izy, rehefa nanoratra ireo boky ireo. * Nilain’ireo Jiosy vao nody avy tany Babylona mantsy ny famintinana ny tantaran’ny fireneny. Tsy fantatr’izy ireo tsara ny fanaon’ny fivavahany, ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ary ny asan’ny Levita. Tena nilain’izy ireo koa ny tetirazana. Ireo no tena nanaovan’i Ezra fikarohana. Tokony ho firenena mahaleo tena foana ny Jiosy mandra-pahatongan’ny Mesia, izany hoe manana tany, tempoly, fisoronana, ary mpitondra. Soa ihany fa teo ny fanazavana nangonin’i Ezra, ka voaro ihany ny firaisan-tsaina sy ny fivavahana marina.

Manao ahoana ny fomba fianatrao raha ampitahaina amin’ny an’i Ezra? Handaitra kokoa ny fampianarana Baiboly ataonao, raha mazoto mianatra ny Baiboly ianao.

Fianakaviana ‘mitady ny lalàn’i Jehovah’

Tsy ny fianarana samirery ihany akory no azo andinihana ny lalàn’i Jehovah. Fomba tena tsara hanaovana izany koa ny fianaram-pianakaviana.

Mpivady mipetraka any Holandy i Jan sy Julia. Namaky teny tamin’ny zanany roa lahy foana izy mivady, nanomboka tamin’ny nahaterahan’ireo zanany ireo. Efa 15 taona izao i Ivo ary 14 taona i Edo. Mbola manao fianaram-pianakaviana indray mandeha isan-kerinandro ry zareo. Hoy i Jan: “Tsy ny hianatra zavatra be dia be no tanjonay, fa ny hahazoan’izy mirahalahy tsara izay zavatra ianarana.” Hoy koa izy: “Manao fikarohana be dia be izy mirahalahy. Fantariny ny dikan’ireo teny sarotra sy ireo olona resahin’ny Baiboly, toy ny hoe oviana ilay olona no velona, iza marina izy io, inona no asany, sy ny sisa. Mijery boky toy ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, diksionera, ary rakipahalalana izy ireo, nanomboka tamin’ny nianarany namaky teny. Lasa mahafinaritra àry ny fianaram-pianakaviana. Tsy andrin’izy mirahalahy foana izay hanaovana azy io.” Izy roa lahy no voalohany any am-pianarana, amin’ny taranja momba ny teny, ka mbola tombontsoa koa izany.

Mpivady mipetraka any Holandy koa i John sy Tini. Niara-nianatra tamin’izy mivady i Esli zanany lahy (24 taona ankehitriny ary mpisava lalana any amin’ny fiangonana hafa), sy Linda zanany vavy (20 taona ankehitriny ary manambady rahalahy tanora mahafinaritra). Tsy nanao fanontaniana sy valiny toy ny mahazatra izy mivady rehefa nianatra ireo boky sy gazety, fa nampifanarahiny tamin’ny zavatra nilain’ireo zanany sy ny taonany ny fianaram-pianakaviana. Ahoana no nataon’izy mivady?

Nohazavain’i John fa nifidy loha hevitra nahaliana izy mianadahy, ka ny “Fanontanian’ny Mpamaky” (ao amin’ny Tilikambo Fiambenana) na “Ny Fiheveran’ny Baiboly” (ao amin’ny Mifohaza!) no nijereny izany. Namelabelatra izay zavatra efa nomaniny izy ireo avy eo, ka nahafinaritra foana ny dinidiniky ny mpianakavy. Nahatonga ireo tanora ireo hahay hanao fikarohana sy hanazava ny vokatry ny fianarana nataony izany. ‘Mitady ny lalàn’i Jehovah’ miaraka amin’ny zanakao ve ianao? Sady hanatsara ny fahaizanao mampianatra izany no hanampy ny zanakao ho lasa mpampianatra mahay kokoa.

‘Mankatò izany’

Nampihatra izay nianarany i Ezra. Nety ho niadana be izy tany Babylona. Nilaozany anefa izany, rehefa fantany fa afaka nanampy ny fireneny tany an-tany lavitra izy. Naleony nandeha lavitra nankany Jerosalema, tanàna nanahirana sy nandreraka ary nampidi-doza. Hita amin’izany àry fa tsy nanangona fahalalana ara-baiboly fotsiny i Ezra, fa vonona hampihatra izay nianarany koa.—1 Timoty 3:13.

Mbola nasehon’i Ezra koa fa nampihatra izay nianarany sy nampianariny izy tatỳ aoriana, tamin’izy nipetraka tany Jerosalema. Niharihary izany rehefa nandre izy fa nanambady vehivavy mpanompo sampy ireo lehilahy isiraelita. Tantarain’ny Baiboly amintsika fa ‘nandriatra ny lambany sy ny akanjony izy sady nandrompotra ny volon-dohany sy ny somony ary nipetraka tahaka ny torana mandra-paharivan’ny andro.’ Nahatsiaro ho ‘menatra sy nangaihay izy raha niandrandra’ tamin’i Jehovah.—Ezra 9:1-6.

Nanan-kery tamin’i Ezra tokoa ny fianarana ny Lalàn’Andriamanitra! Tsinjon’i Ezra fa hampidi-doza be ny tsy fankatoavan’ilay firenena. Vitsy kely mantsy ny Jiosy tafaverina tany amin’ny taniny, ka tena hifangaro amin’ireo firenena mpanompo sampy manodidina izy ireo raha manambady hafa firenena. Hanjavona mora foana ny fivavahana madio, raha mitranga izany!

Natahotra an’Andriamanitra sy be zotom-po i Ezra, ka izany ohatra navelany izany no nahatonga ny Isiraelita hanova ny lalany. Nisaraka tamin’ireo vehivavy hafa firenena ny Isiraelita ary niverina tamin’ny laoniny ny zava-drehetra, rehefa afaka telo volana. Tena nandaitra ny fampianaran’i Ezra satria nankatò hatrany ny Lalàn’Andriamanitra izy.

Toy izany koa ankehitriny. Nisy ray kristianina nilaza hoe: “Tsy izay lazainao no ataon’ny ankizy, fa izay ataonao!” Toy izany koa eo anivon’ny fiangonana kristianina. Afaka manantena ny anti-panahy fa hampihatra ny fampianarany ny fiangonana, raha manome ohatra tsara izy ireo.

‘Mampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika’

Mbola misy antony hafa koa nampandaitra ny fampianaran’i Ezra. Tsy ny heviny no nampianariny fa “didy sy fitsipika”, izany hoe ny didy na lalàn’i Jehovah. Andraikiny ny nampianatra an’izany, satria mpisorona izy. (Malakia 2:7) Sady nampianatra ny olona ho tia rariny izy no nanome ohatra ny amin’izany. Nanaraka ny lalàna foana àry izy, nefa sady nanao izany araka ny rariny sy tsy nisy fanavakavahana ary nifanaraka tamin’ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy. Manjaka ny filaminana raha manao ny rariny ny manam-pahefana, ary misy vokany tsara izany. (Ohabolana 29:4) Hanjaka toy izany koa ny filaminana ara-panahy eo anivon’ny fiangonana sy any an-tokantrano ary amin’ireo olona liana, raha ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny no ampianarin’ireo anti-panahy kristianina sy ny ray aman-dreny ary ny mpitory ilay Fanjakana, izay mahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra.

Ekenao àry ve fa handaitra kokoa ny fampianaranao raha tahafinao tanteraka ny ohatr’i Ezra, lehilahy nahatoky? Noho izany, dia ‘omano ny fonao, tadiavo ny lalàn’i Jehovah, ankatoavy izany, ary ampianaro ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny.’—Ezra 7:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Misy lisitry ny loharanon-kevitra 20, ao amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 1, pejy 449, 450, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

INONA NO NAMPANDAITRA NY FAMPIANARAN’I EZRA?

1. Nanomana ny fony izy

2. Nitady ny Lalàn’i Jehovah izy

3. Nanome ohatra tsara izy, satria nampihatra izay nianarany

4. Niezaka mafy izy mba hampianarana ny Soratra Masina