Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao

Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao

“Niady saina be aho, kivy, ary nahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha. Izany foana no tsapako, dia hozy aho hoe aleoko mamono tena.”​—Adriana, Brezila.

EFA nahatsapa hoatran’i Adriana ve ianao? Kivy be foana izy, ary nilaza ny dokotera fa efa lasa aretina mihitsy ilay izy.

Nikarakara ny ray aman-dreniny i Kaoru, any Japon. Narary izy ireo tamin’izany sady efa be taona. Hoy i Kaoru: “Nandrera-tsaina be ny tany am-piasana tamin’izany. Nalain-komana koa aho sady tsy natory tsara. Nanomboka nieritreritra àry aho hoe milamina be aho izao raha maty.”

Izao koa no nolazain’i Ojebode, any Nizeria: “Nalahelo be foana aho ary nitomany mihitsy, dia nitady fomba hamonoana tena.” Soa ihany fa tsy namono tena i Ojebode sy Kaoru ary Adriana. Mampalahelo anefa fa efa ho 800 000 no manao an’izany isan-taona.

IZA NO AFAKA MANAMPY ANAO?

Lehilahy ny ankamaroan’ireo mamono tena. Betsaka tamin’izy ireny no menatra, ka tsy nangataka fanampiana. Nilaza i Jesosy hoe mila dokotera ny olona marary. (Lioka 5:31) Aza menatra mitady fanampiana àry raha kivy be ianao ka mieritreritra ny hamono tena. Mety ho efa lasa aretina mantsy ilay izy. Raha izany no izy dia ilaina ny manatona dokotera. Anisan’ny nandray soa tamin’izany i Ojebode sy Kaoru ary Adriana.

Mety hampiasa fanafody ny dokotera mba hitsaboana an’ilay olona kivy be. Mety ho amin’ny alalan’ny resadresaka koa anefa no itsaboany azy. Mila ny fanampian’ny namany sy ny fianakaviany koa izy. Tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ilay marary izy ireo, ho tsara fanahy, ary hanam-paharetana. I Jehovah anefa no namana tsara indrindra, ary mampiasa ny Teniny izy mba hanampiana antsika.

HIFARANA IHANY VE ILAY IZY?

Elaela mihitsy matetika ny fitsaboana ny olona kivy be. Mila manova ny zavatra sasany fanaony koa izy ireo. Matokia anefa fa mbola afaka ny ho sambatra ianao, na dia tratran’izany aza. Zavatra tsara hoatr’izany no ifantohan’i Ojebode. Hoy izy: “Tsy andriko ny hahatanterahan’ny Isaia 33:24. Resahina ao fa, indray andro any, dia tsy hisy intsony ny olona hiteny hoe ‘Marary aho.’” Afaka manao hoatran’i Ojebode koa ianao, ka misaintsaina an’ilay “tany vaovao” ampanantenain’Andriamanitra. Tsy hisy na inona na inona hampalahelo na hampiady saina intsony amin’izay. (Apokalypsy 21:1, 4) Tsy ho kivy intsony ianao mandrakizay. “Tsy hotsaroana intsony ... sady tsy handreraka [ny fonao]” ny zavatra rehetra mampalahelo anao.​—Isaia 65:17.