Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raha Niharan’ny Loza Ianao

Raha Niharan’ny Loza Ianao

“Nisy tany nihotsaka sy tondra-drano tany aminay, dia fongana ny fanananay. Kivy tanteraka izahay rehefa nahita an’izany.”​—Andrew, Sierra Leone.

“Niverina tany amin’ilay trano nipetrahanay izahay, rehefa lasa ilay rivo-doza. Rava tanteraka ilay izy. Tsy nisy nahateny izahay. Nandohalika tamin’ny tany ny zanako vavy, dia nitomany.”​—David, Nosy Vierges.

INONA no tsapan’ny olona tratran’ny loza hoatr’izany? Taitra be izy ireny, tsy tonga saina, matahotra, mikorontan-tsaina, na manofy ratsy. Kivy sady reraka be ny sasany, ka tsy vonona hiatrika ny fiainana intsony. Azonao tsara angamba ny tsapan’ireny olona ireny, raha efa teo amin’ny toerany ianao.

Niharan’ny loza ve ianao vao haingana? Mafy be aminao angamba ilay izy. Mety hoe tsy te hiaina intsony aza ianao. Resahin’ny Baiboly anefa fa mbola misy dikany ny fiainana. Mampanantena koa izy io fa mbola ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy.

MANOME FANANTENANA NY BAIBOLY

Hoy ny Mpitoriteny 7:8: “Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany.” Raha vao avy niharan’ny loza ianao, dia hoatran’ny hoe tsy hisy mangirana intsony ny fiainanao. Hiverina amin’ny laoniny anefa izany, raha tsy kivy ianao fa miezaka foana.

Milaza mialoha ny Baiboly hoe: “Tsy ho heno ao ... intsony ny feon’olona mitomany na mitaraindraina.” (Isaia 65:19) Izany no hitranga rehefa lasa paradisa ny tany, ary ny Fanjakan’Andriamanitra no mitondra. (Salamo 37:11, 29) Ho tantara efa nivalona ny loza amin’izay. Tsy hisy intsony ny alahelo sy ny tahotra vokatr’izy ireny. Mampanantena mantsy Andriamanitra hoe: “Tsy hotsaroana intsony ny zavatra taloha, sady tsy handreraka fo.”​—Isaia 65:17.

Eritrereto ange e! Tian’Andriamanitra ‘hanana hoavy tsara sy fanantenana’ ianao. (Jeremia 29:11) Tena hisy dikany ny fiainanao raha mahafantatra an’izany ianao. Hoy i Sally, ilay voaresaka tany aloha: “Raha misaintsaina an’ireo zavatra tsara be hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, dia tsy hifantoka amin’ny lasa fa ho vonona hiatrika ny fiainana.”

Fantaro àry hoe inona avy ireo zavatra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho hitanao, ohatra, hoe tsy hisy intsony ny loza, ka hiaiky ianao fa mbola misy dikany ny fiainana. Dieny izao koa anefa ny Baiboly dia efa manampy anao tsy ho kivy, raha niharan’ny loza ianao. Inona, ohatra, no atorony?