Nahoana no Mbola Misy Foana ny Ady?
Resahin’ny Baiboly hoe inona avy no mahatonga ny ady, ary nahoana no misy ady foana.
OTA
Noforonin’Andriamanitra hitovy endrika aminy i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. (Genesisy 1:27) Midika izany hoe voajanahary amin-dry zareo ny manahaka ny toetran’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe tia fihavanana sy be fitiavana. (1 Korintianina 14:33; 1 Jaona 4:8) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva dia nanota. Nandova ota sy fahafatesana àry isika rehetra. (Romanina 5:12) Mora mieritreri-dratsy sy mahery setra isika satria mpanota.—Genesisy 6:5; Marka 7:21, 22.
FANJAKAN’OLOMBELONA
Tsy noforonin’Andriamanitra hifampitondra isika. Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.” (Jeremia 10:23) Tsy mahavita manafoana tanteraka ny ady àry ny fanjakan’olombelona.
SATANA SY NY DEMONIANY
Hazavain’ny Baiboly hoe ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) I Satana Devoly no antsoina hoe “ilay ratsy”, ary tia mamono olona izy. (Jaona 8:44) Tsy hita maso izy sy ny anjely ratsy hafa, ary ry zareo no mpampirisika ny olona hiady sy hahery setra.—Apokalypsy 12:9, 12.
Tsy vitantsika ny manala ny fototry ny ady sy ny herisetra, fa vitan’Andriamanitra.