Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Volombavan’ny Saka

Ny Volombavan’ny Saka

BIBY tia mandehandeha amin’ny alina ny saka. Ny volombavany no manampy azy rehefa ao anaty haizina, ka afaka misambotra voalavo, ohatra, izy, na mamantatra an’izay zavatra manodidina azy.

Diniho izao: Misy hozatra kely be dia be any amin’ny fakan’ny volombavan’ny saka. Henon’ireny hozatra ireny, na dia ny fitsokan’ny rivotra malefaka kely aza. Tonga dia fantatry ny saka àry raha vao misy zavatra eny amin’ny manodidina azy eny, na tsy hitany aza ilay izy. Tena ilainy izany ao anaty haizina.

Ny fitsokan’ny rivotra àry no ahafantaran’ny saka hoe aiza ho aiza no misy zavatra na biby, dia fantany koa hoe mihetsika ve ilay izy ary mankaiza. Ny volombavany no ahafantarany an’izany. Rehefa hiditra amin’ny toerana tery kely koa ilay saka, dia ny volombavany no amantarany raha ho antonona eo izy na tsia. Hoy anefa Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Tsy tena mazava hoe inona avy no asan’ny volombavan’ny saka. Fantatra fotsiny hoe mihena ny zavatra vitany, rehefa tapaka ny volombavany.”

Nanao robots misy volombava hoatran’ny an’ny saka ny mpahay siansa. Mahay miala amin’ny sakantsakana isan-karazany izy ireny. Nantsoin’ny manam-pahaizana hoe volombava elektronika ny volombavan’ireny robots ireny. Hoy i Ali Javey, avy ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Berkeley: ‘Azo inoana fa be dia be no azo ampiasana an’ilay izy, na amin’ny fanamboarana milina tena raitra, na amin’ny resaka fitsaboana.’

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny volombavan’ny saka, sa nisy namorona?