Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! APRILY 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA

Nahoana ny Ankizy no Lasa Tsy Voafehy?

Nahoana ny Ankizy no Lasa Tsy Voafehy?

Niova be ny fianakaviana tato ho ato, indrindra fa ny any amin’ny tany tandrefana. To teny mantsy ny ray aman-dreny taloha, fa amin’izao kosa hoatran’ny hoe ny ankizy indray no mibaiko. Diniho ireto ohatra ireto:

  • Midongy hividianana kilalao ny zaza iray efa-taona. Miezaka manazava ny reniny hoe: “Angaha ianao tsy efa manana be dia be e?” Teo vao tonga saina ilay reniny hoe tsy tokony nanontany akory. “Izaho ho’aho ividiano!”, hoy ilay ankizy. Nanaiky tsy sazoka ny reniny sao hila vaniny be eo indray ilay zaza.

  • Mbola miresaka amin’olon-dehibe hafa ny dadan’ny ankizivavikely iray dimy taona, nefa tonga izy dia miteny hoe: “Dada, andao hody!” Miondrika haingana àry ny dadany, ka manambitamby azy hoe: “Kely sisa akia a! Izany an?”

  • Nisy nitantara hoe namalivaly mpampianatra indray i Hery, 12 taona. Henon’ny dadan’i Hery izany ka tezitra be izy. Tsy ny zanany anefa no nahatezitra azy, fa ilay mpampianatra! Hoy izy: “Hoteneniko amin’ny tale izany mpampianatra izany, fa mampijaly anao foana!”

Ohatra fotsiny ireo, nefa ahitana ny tena zava-misy. Matetika mantsy ny ray aman-dreny no manaiky fotsiny an’izay rehetra angatahin’ny zanany. Tsy bedy akory ny ankizy, na dia tsy mahalala fomba aza. Ny ray aman-dreny indray no “miaro” azy, na dia tokony ho voasazy aza izy. Hoy ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): ‘Ray aman-dreny maro no tsy mahafehy ny zanany, fa ny zanany indray no avelany hibaiko azy. Taloha anefa, fantatry ny ankizy tsara hoe tsy izay tiany no atao, fa izay tian’ny ray aman-dreny.’

 Marina aloha fa maro no miezaka mitaiza tsara ny zanany. Manome modely harahin’ny ankizy izy ireo, sady hentitra nefa tsara fanahy rehefa manitsy azy. Tsy mora anefa izany, satria mifanohitra amin’ny fanaon’ny besinimaro.

Fa nahoana ny ray aman-dreny no lasa tsy mahafehy ny zanany, nefa taloha tsy mba hoatr’izany?

Tsy to teny intsony ny ray aman-dreny

Voalaza fa taorian’ny 1960 no nanomboka nihena ny fahefan’ny ray aman-dreny. Nisy mpanoro hevitra mantsy nilaza fa tsy tokony hofehezina be ny ankizy. Hoy izy ireo: ‘Ataovy namana ny zanakao, fa aza aseho hoe ianao no mandidy. Derao izy fa aza sazina. Aza bedesina izy na tsy mety aza ny ataony, fa miezaha foana ho tsara fanahy.’ Tsy mba nilaza ireny mpanoro hevitra ireny hoe samy ilaina ny teny fiderana sy ny famaizana. Mora malahelo, hono, ny ankizy ka tsy tokony hobedesina, sao izy ireo hankahala ny ray aman-dreniny rehefa lehibe.

Nanazava ny manam-pahaizana tamin’izany, fa tsotra ihany no tokony hatao raha te hahay hitaiza ianao: ‘Ataovy izay hahatsapan’ny zanakao hoe tena misy dikany izy.’ Marina fa ilaina ny manampy ny ankizy mba hatoky tena. Tafahoatra loatra anefa ny zavatra nasaina nataon’ny ray aman-dreny. Ohatra hoe: ‘Aza lavina mihitsy ny teniny, ary aza miteny hoe ratsy ny nataony.’ ‘Averimbereno aminy kosa fa ankizy miavaka izy, ary ho vitany daholo izay tiany hatao.’ Natao fotsiny izay hahatsapany hoe olona tsara izy, nefa tsy nampianarina akory izy mba ho olona tsara.

Lasa manantena ny ankizy hoe hanome an’izay tadiaviny foana ny olona

Inona no vokatr’izany fitaizana izany? Lasa manantena ny ankizy hoe hanome an’izay tadiaviny foana ny olona. Mihevitra izy fa zony izany. Hoy ilay boky hoe Taranaka Tia Tena (anglisy): “Tanora maro no tsy vonona hiatrika ny tena fiainana. Tsy maintsy hisy hanakiana mantsy izy, ary tsy voatery handeha tsara foana izay ataony.” Hoy ny raim-pianakaviana iray, ao amin’io boky io: ‘Tsy hisy hanambitamby anao izany rehefa miasa ianao. Raha tsy nety, ohatra, ny tatitra nataonao, dia tsy hiteny mihitsy ny lehibenao  hoe: “Tsara kosa ny lokon’ny taratasy nampiasainao an!” Tsy ho vonona hiatrika an’izany ny zanakao, raha tambatambazina foana satria hoe tsy te hampalahelo azy ianao.’

Fitaizana miovaova

Miovaova be ny hevitry ny olona, anisan’izany ny momba ny fitaizana. Hoy ilay mpampianatra atao hoe Ronald Morrish: “Miova foana ny fomba fitaizana. Ny toe-tsain’ny olona mihitsy no miovaova, raha ny marina.” * Tanteraka amin’ny ray aman-dreny maro ilay lazain’ny Baiboly hoe ‘atopatopan’ny onja sy avezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao.’—Efesianina 4:14.

Mazava àry fa ratsy foana ny vokany, rehefa avela hanao izay tiany fotsiny ny ankizy fa tsy fehezina. Lasa tsy to teny intsony mantsy ny ray aman-dreny. Ny ankizy koa tsy mba misy manoro an’izay tokony hataony, mba hahaizany hanao safidy tsara eo amin’ny fiainana sy hahatonga azy hatoky tena nefa tsy tafahoatra.

Ahoana àry no tokony hitaizanao ny zanakao?

^ feh. 15 Izahay no manao sora-mandry. Nalaina tao amin’ilay boky hoe Mila Famaizana ny Zanakao: Torohevitra 12 Hahatonga ny Ankizy ho Olom-banona (anglisy).

 

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hananarana ny Ankizy?

Misy fomba telo tena mandaitra azonao ananarana ny zanakao, ao amin’ny Baiboly.

Ampio ny Zanakao mba Hankatò

Midika hoe mampianatra ny hoe mifehy. Hanampy anao hampianatra ny zanakao hankatò fa tsy hikomy ny toro lalan’ny Baiboly.

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. Jereo ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady, ray aman-dreny, ary zanaka.