Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JANOARY 2015

 NISY NAMORONA VE?

Ny Tranon-tantely

Ny Tranon-tantely

SAVOKA no anamboaran’ny tantely (Apis mellifera) ny tranony. Fihary ao anaty kibony kosa no mamorona an’ilay savoka. Tena mahagaga ny fomba anaovan’ny tantely ny tranony. Nahoana?

Diniho izao: Efa an-jatony taona ny mpahay matematika no nihevitra fa tsara kokoa ny enin-dafy, noho ny telolafy na efamira na ny toy izany. Raha zarazaraina ho efitra enin-dafy mantsy ny trano iray, dia malalaka kokoa ny efitra tsirairay nefa kely kokoa ny fitaovam-panorenana lany. Tsy tena hain’ny manam-pahaizana anefa hoe inona no mahatonga an’izany. Tamin’ny 1999 vao afaka nanaporofo tamin’ny alalan’ny matematika ny Profesora Thomas Hales hoe ahazoana tombony tokoa io “teknikan’ny toho-tantely” io.

Savoka kely ihany dia efa ahavitan’ny tantely trano. Maivana àry ny tranon-tantely nefa mafy tsara. Betsaka ihany koa ny ranon-tantely voangony ao amin’ny efitra tsirairay, satria miendrika enin-dafy ireo efitrefitra ao anatiny. Tsy mahagaga raha antsoin’ny mpahay siansa hoe “trano naorina tamin’ny fomba miavaka” ny tranon-tantely.

Maka tahaka ny tranon-tantely izao ny manam-pahaizana, mba hanamboarana zavatra mafy nefa malalaka kokoa. Nampiasa an’io teknika io, ohatra, ny injeniera, ary nanao fiaramanidina mafy nefa maivana kokoa ka tsy mandany solika.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny tranon-tantely, sa nisy namorona?