Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JANOARY 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Inona no heverinao fa marina?

NY FIAINANA DIA ․․․․․.

  1. NIVOATRA MIANDALANA

  2. NISY NAMORONA

MISY mihevitra fa ny olona nandalina momba ny siansa no hamaly hoe “nivoatra miandalana”, fa ny mpivavaka kosa hamaly hoe “nisy namorona.”

Tsy voatery ho izany anefa.

Nilaza toy izao, ohatra, i Rama Singh, mpampianatra biolojia ao amin’ny Oniversiten’i McMaster, any Kanada: “Tsy ny mpivavaka ihany no mihevitra hoe tsy marina ny evolisiona [na fiovana miandalana], fa olona maro nahita fianarana ihany koa.”

Mpampianatra siansa momba ny bibikely, ohatra, i Gerard Hertel, nefa tsy nino ny evolisiona. Hoy izy: “Rehefa nanala fanadinana aho tamin’izaho nianatra, dia nosoratako fotsiny izay valiny nandrasan’ny mpampianatra fa izaho tsy nino an’ilay izy.”

Hita àry fa na ny olona nandalina momba ny siansa aza tsy resy lahatra hoe evolisiona no nampisy ny fiainana. Nahoana? Mba hamaliana izany dia andeha isika handinika fanontaniana roa manahiran-tsaina ny mpikaroka: 1) Ahoana no niandohan’ny fiainana? Ary 2) ahoana no nampisy an’ireo zavamananaina be dia be?