Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Costa Rica

Fitsidihana An’i Costa Rica

TONGA voalohany tany ny Espaniola, dimanjato taona lasa izay. Nantsoin’izy ireo hoe Costa Rica (na Morontsiraka Manankarena) ilay tany, satria nanantena ny hahita volamena be dia be tany ry zareo. Tsy nahita anefa izy ireo na dia kely aza. Manankarena tokoa aloha ilay tany, saingy tsy volamena no betsaka any fa biby sy zavamaniry isan-karazany.

Lasa nantsoina hoe Ticos ny olona any Costa Rica, satria rehefa miresaka izy ireo dia matetika no manampy tovana “-ico”, izay midika hoe “kely.” Rehefa te hiteny, ohatra, izy ireo hoe “un momento” (na andraso vetivety), dia matetika no milaza hoe “un momentico” (na andraso kely vetivety). Fiteny mahazatra ny olona any koa ny hoe “¡pura vida!” (tsara ny fiainana an!), rehefa misy zavatra tiany, na ekeny, na koa rehefa miarahaba sy manao veloma.

Mahavariana ny alan’i Costa Rica satria tena feno zavamaniry sy biby isan-karazany, anisan’izany ity sahona mena maso mpiani-kazo ity (Agalychnis callidryas)

Anisan’ny sakafo be mpitia any Costa Rica ny gallo pinto (midika hoe “akoholahy misy pentimpentina), izay tsy inona fa vary sy tsaramaso. Samy andrahoana mitokana aloha izy ireo, fa avy eo afangaro dia asiana saosy. Mety foana izy io, na atao sakafo maraina na antoandro na hariva. Fisotron’ny olona koa ny café chorreado. Mampiasa kitapon-kafe hoatra antsika ry zareo, saingy misy tongony hazo ilay izy.

Misy 450 eo ho eo ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Costa Rica. Atao amin’ny fiteny folo ny fivorian’izy ireo, ka anisan’izany ny tenin’ny tanana fampiasa any, sy fitenim-paritra roa, dia ny bribri sy cabecar.

FANTATRAO VE? Misy vato voatefy boribory tsara an-jatony any Costa Rica. Mahatratra 2,4 metatra ny savaivon’ny lehibe indrindra amin’izy ireny. Heverina fa efa nisy hatramin’ny 1 400 taona mahery ny sasany aminy! Tsy fantatra mihitsy anefa ny antony nanaovana azy ireny.

Vato boribory