Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fahafatesana

Fahafatesana

Lasa aiza ny olona rehefa maty?

“Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” —Genesisy 3:19.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Mihevitra ny mpivavaka sasany fa misy fiainana any ankoatra, ka raha maty ny olona dia lasa any an-danitra, na any amin’ny afobe, na koa afofandiovana. Misy kosa mino fa teraka indray ao amin’ny vatana vaovao ilay olona. Ao koa anefa ireo tsy mpivavaka mihitsy, izay mihevitra fa rehefa maty ny olona dia tsy misy fotsiny ary vita hatreo ny aminy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Hoy ny Mpitoriteny 9:10: “Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.” Manazava koa ny Baiboly fa mitovy ihany ny manjo ny olona sy ny biby rehefa maty. Hoy ny Mpitoriteny 3:20: “Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra. Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.”

Mbola mahatsiaro tena ve ny maty?

“Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”Salamo 146:4.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no nampianarina hoe raha nanao ny tsara ny olona iray nandritra ny fiainany, dia ho sambatra mandrakizay izy rehefa maty. Fa raha nanao ratsy kosa izy teto an-tany, dia hampijalijalina mandrakizay. Ny hafa indray milaza fa mila diovina ho afaka amin’ny fahotana, hono, ny olona rehefa maty, fa raha tsy izany tsy mahazo mankeo anatrehan’Andriamanitra.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona”, hoy ny Mpitoriteny 9:5, 6. “Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.” Tsy mahatsiaro tena àry ny maty. Sady tsy sambatra izy no tsy mijaly. Tsy mahare na inona na inona izy, ary tsy afaka mitahy na mampijaly ny velona.

Mbola azo antenaina ho velona ve ny maty?

“Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? Hiandry aho mandritra ny andro rehetra anerena ahy hiandry, mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.”Joba 14:14.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mino fa raha vao lasa any amin’ny afobe ny olona iray dia tsy avotra intsony, ary mijalijaly ao mandrakizay. Izay ao amin’ny afofandiovana kosa, hono, mbola afaka mankany an-danitra rehefa voadio ny fahotany.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Mbola hatsangan’ilay Zanak’Andriamanitra ireo matory ao amin’ny fahafatesana, ka ho velona eto an-tany indray. Izao mantsy no lazain’ny Jaona 5:26, 28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” Raha manao ny tsara izy manomboka eo, dia hiaina mandrakizay. *

^ feh. 14 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.