Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nampiova Ahy ny Nazia

Tsy Nampiova Ahy ny Nazia

Tsy Nampiova Ahy ny Nazia

Notantarain’i Hermine Liska

NAHAFINARITRA erỳ ny fahazazako. Niova tampoka anefa izany tamin’ny 1938, rehefa nofehezin’ny Nazia notarihin’i Adolf Hitler i Aotrisy, tany niaviako. Nasaina nanao “Heil Hitler” sy nihira ny hiran’ny Nazia ary niditra ho anisan’ny Tanora Mpanohana An’i Hitler izahay sy ny mpiara-mianatra tamiko. Tsy nanaiky hanao an’izany mihitsy aho. Aleo hotantaraiko izay nitranga.

Efa-dahy ny zokiko ary nipetraka tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray tany Sankt Walburgen, atỳ Aotrisy, izahay. I Johann sy Elisabeth Obweger no ray aman-dreniko. Lasa Bibelforscher, na Mpianatra ny Baiboly, i Dada, tamin’ny 1925. Izany no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. I Neny kosa vita batisa tamin’ny 1937. Mbola kely aho dia efa nampianarin’izy ireo ny toro lalan’ny Baiboly ary nampiany ho tia an’Andriamanitra sy ny zavaboariny. Nampianariny ahy, ohatra, fa ratsy ny mivavaka amin’ny olona, satria hoy i Jesosy Kristy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”—Lioka 4:8.

Tia nandray vahiny i Dada sy Neny. Be vahiny foana izahay ary nisy tantsaha maro niara-nipetraka taminay fito mianaka. Tia nihira izahay, ary efa fomban’ny mponin’i Carinthie izany, hatramin’izao. Imbetsaka koa izahay no niresaka momba ny Baiboly. Mbola tsaroako izahay mianakavy niara-nianatra Baiboly tao an-trano, isaky ny alahady maraina.

Fotoana nampihorohoro

Nofehezin’i Alemaina i Aotrisy, tamin’izaho valo taona teo ho eo. Noterena hanaiky an’izay nolazain’ny Nazia ny olona, nanomboka teo, ary lasa “Heil Hitler” no fomba fiarahabana. Tsy nety nanao an’izany aho satria “famonjena” no dikan’ny teny alemà hoe “heil”, ary tsy hanaiky mihitsy aho hoe avy amin’i Hitler ny famonjena! Fantatro fa i Jesosy Kristy no Mpamonjy ahy. (Asan’ny Apostoly 4:12) Nesoin’ny mpampianatra sy ny ankizy aho noho izany. Hoy ny talen’ny sekoly, tamin’izaho 11 taona: “Haveriko any amin’ny T1 any ianao ry Hermine a! Tsy mila ankizy mafy loha ato am-pianarana aho.”

Notsaraina i Dada satria tsy nety nanao “Heil Hitler” ny zanany. Nasaina nosoniaviny ny taratasy iray milaza hoe mandà ny finoany izy. Voalazan’ilay taratasy fa tokony hampianariny hanana ny fomba fihevitry ny Nazia ny zanany. Tsy nety nanao sonia i Dada ka tsy navela nitaiza anay intsony izy sy Neny. Nalefa tany amin’ny fitaizana zaza maditra aho, any amin’ny 40 kilaometatra avy tao an-trano.

Nalahelo ny tany an-trano aho ary nitomany foana. Nanery ahy hiditra ho anisan’ny Tanoran’i Hitler ilay vehivavy nitaiza anay nefa tsy nahomby. Nitady hanainga ny tanako ankavanana ny ankizivavy hafa, nandritra ny fananganan-tsaina, nefa tsy nahavita. Tsapako ny tsapan’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Hoy izy ireo: “Sanatria anay ny hahafoy an’i Jehovah mba hanompo andriamani-kafa.”—Josoa 24:16.

Tsy navela nitsidika ahy i Dada sy Neny. Nahita fomba hihaonana tamiko anefa izy ireo rehefa teny an-dalana hianatra aho, na tany am-pianarana. Tena nanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah ireny fotoana fohy ireny. Nomen’i Dada Baiboly kely aho ary nafeniko tao am-pandriana izany. Tiako be ny namaky an’ilay izy na dia tsy maintsy niafina aza aho rehefa namaky azy. Saika tratra aho indray mandeha, nefa nafeniko haingana tao anaty bodofotsy ilay izy.

Tany amin’ny tranon-drelijiozy

Niahiahy ny manam-pahefana hoe mbola nandresy lahatra ahy ny ray aman-dreniko matoa tsy niova mihitsy aho. Nalefa lamasinina ho any Munich, any Alemaina, àry aho tamin’ny Septambra 1942, ary napetraka tao amin’ny sekoly katolika sady tranon-drelijiozy nantsoina hoe Adelgunden. Hitan’ny masera ilay Baiboliko tamin’izay ka nalainy.

Tapa-kevitra ny tsy hiala amin’ny finoako mihitsy aho ary tsy nety nanatrika fotoam-bavaka. Nilazako ny masera iray hoe namaky Baiboly ho ahy ny ray aman-dreniko isak’alahady. Gaga aho fa naveriny ilay Baiboliko. Azo inoana fa nanohina ny fony ny teniko. Navelany hamaky Baiboly ho azy mihitsy aza aho.

Hoy ny mpampianatra iray indray mandeha: “Hermine a, mavo volo indrỳ ary manga maso. Alemà indrỳ fa tsy Jiosy. Andriamanitry ny Jiosy ange izany Jehovah izany e!”

“Fa i Jehovah no nanao ny zava-drehetra. Izy no Mpamorona antsika rehetra”, hoy aho.

Niezaka nandresy lahatra ahy koa ilay tale. Hoy izy indray mandeha: “Hermine a! Nanao miaramila ny anadahinao iray. Tena tokony hanao hoatr’azy ianao!” Fantatro fa nisy nanao miaramila ny anadahiko, nefa tsy nieritreritra ny hanao hoatr’azy mihitsy aho.

Hoy aho: “Tsy mpanara-dia ny anadahiko aho fa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.” Nampitahorin’ilay tale àry aho hoe halefa any amin’ny mpitsabo aretin-tsaina, ary nasainy nitondra ahy mihitsy ny masera iray. Tsy nataon’ilay tale akory anefa izany.

Nisy nanjera baomba tao Munich tamin’ny 1943 ary nalefa tany ambanivohitra ny ankizy tao Adelgunden. Matetika aho no nahatsiaro an’ilay tenin’i Neny hoe: “Tadidio fa eo anilan-drỳ foana i Jehovah sy Jesosy raha sanatria ka tafasaraka isika ary tsy mahazo taratasy avy atỳ amiko indrỳ. Mivavaha foana fa tsy handao an-drỳ mihitsy izy ireo.”

Navela hody

Naverina tao Adelgunden indray aho tamin’ny Martsa 1944. Tsy nisy farany ny zera baomba tao Munich ka tany amin’ny toby fiarovana amin’ny fanafihana ana habakabaka izahay, na andro na alina. Efa nangataka foana koa ny ray aman-dreniko mba haverina amin’izy ireo aho. Nekena izany tamin’ny farany ary niverina tany an-trano aho tamin’ny faran’ny Aprily 1944.

Niova be ilay tale rehefa nanao veloma azy aho. Hoy izy: “Mba manorata ry Hermine rehefa tonga any aminareo ianao a! Dia aza miova mihitsy!” Reko fa rehefa lasa kelikely aho dia ankizivavy sivy sy masera telo no matin’ny zera baomba. Mahatsiravina ny ady!

Faly aho fa tafaraka tamin’ny fianakaviako indray. Natao batisa tao anaty kovetabe aho, ho mariky ny fanokanan-tenako ho an’i Jehovah, raha mbola nafotaka ny ady, tamin’ny Mey 1944. Nifarana ny ady tamin’ny 1945 ary nanomboka nitory manontolo andro aho. Tsy andriko ny hitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ihany no azo antenaina hitondra fiadanana sy filaminana maharitra ho an’ny olombelona.—Matio 6:9, 10.

Nihaona tamin’i Erich Liska aho tamin’ny 1950. Vavolombelon’i Jehovah mpitety faritany izy ary avy ao Vienne, Aotrisy. Nivady izahay tamin’ny 1952 ary niaraka taminy aho rehefa nitsidika fiangonana izy.

Teraka ny zanakay voalohany tamin’ny 1953 ary niteraka roa izahay tatỳ aoriana. Nitombo ny andraikitray ka tsy nitory manontolo andro intsony izahay fa nikarakara ny fianakavianay. Hitako fa tsy mandiso fanantenana an’izay mifikitra aminy mihitsy i Jehovah fa manohana azy foana. Tsapako fa marina izany. Nampionona sy nampahery ahy tokoa i Jehovah, indrindra taorian’ny nahafatesan’ny vadiko, tamin’ny 2002.

Velom-pisaorana an’i Dada sy Neny aho rehefa mamisavisa ny lasa. Mbola kely aho dia efa nampian’izy ireo ho tia an’i Jehovah sy ny Baiboly, izay mirakitra ny tena fahendrena. (2 Timoty 3:16, 17) I Jehovah anefa no tena isaorako satria mbola omeny hery aho mba hahazakako ny olana eo amin’ny fiainana.

[Teny notsongaina, pejy 19]

“Tsy mpanara-dia ny anadahiko aho fa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy”

[Sary, pejy 19]

Izahay mianakavy tao amin’ny toeram-pambolena tany Sankt Walburgen

[Sary, pejy 19]

I Elisabeth sy Johann Obweger, ray aman-dreniko

[Sary nahazoan-dalana]

Sary roa: Foto Hammerschlag

[Sary, pejy 20]

Izahay mivady