Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mampahalaza ny Hira Sasany

Ny Mampahalaza ny Hira Sasany

Ny Mampahalaza ny Hira Sasany

VETIVETY dia miova ny mozika tian’ny olona ary betsaka ireo mifaninana mivarotra hira. Mora leo ny olona ary mivoatra foana ny teknolojia. Milaza i Kelli Burns, manam-pahaizana momba ny haino aman-jery, fa “mitady an’izay hira vaovao indrindra foana” ny mpandraharaha. Tsy mora anefa ny mampahalaza an’ilay hira. Hoy ny boky iray: ‘Ankizy maro no te ho lasa mpihira malaza. Matetika anefa izany no mbola ilana ezaka be.’—Jereo ilay efajoro hoe “Fiovana eo Amin’ny Tsenan’ny Mozika”, pejy 6.

Famoronan-kira

Miezaka ny mpamoron-kira (1) mba hanoratra tononkira mamoaka ny vetsovetsom-pon’ny olona sy ny nofinofiny ary izay tena tsapany. Resaka inona no tena tian’ny olona? Mazava ho azy fa ny resaka fitiavana. Mitady tononkira mambabo ny mpihaino sy mora tadidy koa ny mpamoron-kira.

Matetika ilay mpamoron-kira no manao hira andrana. Raha hitan’ireo mpandraharaha fa mety handeha ilay hira, dia mety hanao fifanarahana (2) amin’ilay mpamoron-kira izy ireo ka horaisim-peo ilay hira. Vidin’izy ireo kosa ilay hira mba hohirain’ny mpihira malaza, raha mampisalasala azy ireo ilay mpamoron-kira, ohatra hoe tsy dia malaza.

Fandraisam-peo

Matetika no misy olona efa za-draharaha karamaina mba hiandraikitra ny fandraisam-peo (3). Izy no manapa-kevitra hoe ahoana no hanaovana an’ilay hira. Izy koa no manofa ny toerana fandraisam-peo sy ny fitaovana ilaina mba hamokarana hira raitra sy azo amidy, sady manakarama sy manara-maso ny mpandrindra feon-kira, ny mpanao dika mitovy, ny mpitendry zava-maneno, ny mpanara-peo, ary ny mpandray feo.

Atao tsikelikely ny fandraisam-peo amin’ny ankapobeny, ka matetika no atomboka amin’ny feon’amponga, gitara, gitara mamoaka feo ambany, ary ny klavie. Ampidirina, avy eo, ny feon’ny mpitari-kira sy ny feon’ny zava-maneno hafa ary ny feon’ny mpihira hafa. Eo koa ny feon’ny zavamaneno tendrena mitokana sy izay feo manokana tiana hampidirina. Atambatra izany avy eo mba hahazoana an’ilay tena hira (4).

Varotra

Matetika ny mpandraharaha no mamoaka raki-tsary (5) maharitra telo na dimy minitra eo ho eo, mba hampandeha an’ilay hira. Afaka mijery ny hiran’ilay mpanakanto ny olona, amin’izay, sady ho afaka hientanentana toy ny rehefa mijery fampisehoana. Mety hampidi-bola be ho an’ireo mpandraharaha izany.

Betsaka kokoa ny raki-kira lafon’ny mpihira, any amin’ny toerana hanaovany fampisehoana (6). Manaparitaka an’ilay raki-kira vaovao àry izy ireo, rehefa mitety faritra mba hanao fampisehoana. Maro koa ny mpihira mamorona tranonkala ao amin’ny Internet (7), mba hametrahana hira sasany, sary, raki-tsary, fanamarihana, vaovao momba ny fampisehoana mbola hataony, rohy ho an’ny mpankafy, ary indrindra fa rohy mankany amin’ny tahirin-kira.

Miankina amin’iza no hampahalaza ny hira iray? Miankina aminao mpihaino. Ahoana àry no fomba ifidiananao mozika? Arakaraka ny feon-kira ve, sa arakaraka ny mpihira? Sa mba jerenao koa raha mendrika ilay hira na tsia? Tena ilaina ireo, satria mety hisy vokany lalina eo amintsika ny mozika. Mampahatsiahy antsika an’ity torohevitra lehibe avy amin’ny Mpamorona ity izany: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.”—Ohabolana 4:23.

Raha amin’ny resaka mozika, ahoana no hanarahanao an’io torohevitra mahasoa io? Raha ray na reny ianao, ahoana no hiarovanao ny finoan’ny zanakao sy ny toe-tsainy ary ny toe-pony?

[Efajoro, pejy 6]

Fiovana eo Amin’ny Tsenan’ny Mozika

Nampivoatra be ny tsenan’ny mozika ny Internet sy ireo fitaovana maoderina fandraisam-peo tsy dia lafo. Any an-tranony ihany izao ireo mpanakanto dia efa afaka mamokatra hira tsara sy manaparitaka an’izany eran-tany. Milaza ny gazety Toe-karena (anglisy) fa “mpihira malaza maro no tsy nila orinasa mpandray feo.”