Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsory ny Fiainanao!

Tsory ny Fiainanao!

Tsory ny Fiainanao!

MILA eritreretinao mialoha izay fomba hampiasanao ny volanao, raha kely ny vola anananao. Hoy i Jesosy: ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’ (Lioka 14:28, 29) Tsara àry ny “manao kajy ny amin’izay ho lany” na manao teti-bola, mba hahitanao izay azonao ampiasana ny vola anananao. Ahoana no anaovana izany? Andramo izao:

Rehefa mahazo vola ianao, dia tsinjarao izany, ka fero hoe ohatrinona no tokony holaninao izao sy holaninao any aoriandriana kokoa. (Jereo ny efajoro eo amin’ny  pejy faha-8.) Ho hitanao amin’izay hoe mankaiza ny volanao, ary ohatrinona no laninao amin’ny zavatra tsy dia ilaina. Hanampy anao hitsitsy izany.

Araho ireto soso-kevitra ireto, mba hahafahanao manao teti-bola mety tsara.

Mahaiza Miantsena

Rehefa tsy an’asa i Raúl, dia novan’i Bertha vadiny ny fomba fiantsenany. Hoy izy: “Nitady fivarotana manao fihenam-bidy sy mivarotra zavatra mora kokoa aho.” Ireto koa misy soso-kevitra hafa:

Eritrereto izay sakafo mora vidy, azo atao sakafo ao anatin’ny herinandro.

● Aleo mividy sakafo mbola tsy voakarakara, toy izay mividy sakafo vonona andrahoana.

● Mividiana betsaka amin’izay zavatra mora. Hararaoty izay vokatra miakatra. Tehirizo izy ireny.

● Rehefa mividy zavatra, dia betsaka atao indray mividy, raha izany no mora. Aza mitahiry be loatra zavatra mora simba anefa.

● Akanjo fripy mbola tsara vidina, mba hitsitsianao ny volanao.

● Mandehana any amin’ny toerana malaza ho mora entana, raha tsy mahafaty antoka ny saran-dalana.

● Ahenao ny isan’ny fotoana andehananao miantsena. *

Manaova Teti-bola

Hoy i Alfred: “Tsy maintsy nanao teti-bola izahay, ka nosoratako izay vola tsy maintsy naloanay avy hatrany sy izay vola hampiasaina mandritra ny volana.” Hoy koa ny vadiny: “Rehefa niantsena aho dia fantatro tsara hoe ohatrinona no azoko nolanina. Raha nila nividy zavatra ho an-janako aho, na zavatra ilaina ao an-trano, dia nojereko ilay teti-bola aloha, ka raha hitako hoe tsy ampy ny volako, dia naleoko niandry ny volana nanaraka. Nanampy ahy ilay taratasy nanaovanay teti-bola.”

Mieritrereta Tsara vao Mividy!

Ataovy fahazarana ny mieritreritra toy izao, alohan’ny hividianana zavatra: ‘Tena ilaiko ve ity? Efa simba ve ny an’ahy sa izaho fotsiny no te hahazo vaovao?’ Eritrereto koa hoe raha tsy hampiasainao matetika ilay izy, sao dia ny manofa no mety? Na raha hampiasaina matetika ilay izy, sao dia mety raha zavatra efa niasa nefa mbola tsara no vidina?’

Toa tsy dia misy dikany ny sasany amin’ireo soso-kevitra ireo, kanefa tena manampy ireo rehefa mitambatambatra. Rehefa mahay mitsitsy amin’ny zavatra kely ianao, dia hahay hitsitsy amin’ny zavatra lehibe.

Mitadiava Hevitra

Mila mahay mitady hevitra ianao, mba hahafahanao mitsitsy. Nilaza, ohatra, i Adèle fa namidin’izy ireo ny fiarany. Miezaka tsy hivezivezy koa izy ireo, ka rehefa mivoaka ny trano, dia vitaina daholo izay zavatra rehetra tokony hatao any ivelany. Nilaza koa izy hoe: “Nanapa-kevitra izahay fa izay tena ilainay ihany no andaniana vola.” Ireto koa misy hevitra hafa:

● Mambole legioma.

● Araho tsara ny toromarika momba ny fikojakojana ny fitaovana anananao, mba hampahateza azy.

● Soloy ny akanjo fentina mandeha raha vao tonga ao an-trano ianao, mba hahatonga azy ireny ho toy ny vaovao foana.

Aza mitokantokana

Lasa tsy be teny sy mitokantokana ny olona maro voaroaka amin’ny asany. Tsy toy izany anefa i Alfred. Niaraka tamin’ny fianakaviany izy, anisan’izany ireo zanany efa lehibe. Nampahery azy sy niombom-pihetseham-po taminy izy ireo. Hoy i Alfred: “Niezaka nifampiahy izahay ka lasa nifankatia kokoa. Niara-nizaka an’ilay izy izahay mianakavy.”

Nanatanjaka an’i Alfred koa ny fiarahana mivory tsy tapaka tamin’ireo Kristianina namany, tany amin’ny Efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Nahatsiaro ho nahazo fampaherezana foana aho taorian’ny fivoriana. Tsara fanahy sy niahy ahy ny rehetra. Tsapanay fa tsy irery izahay, satria nanampy sy nampahery izy ireo.”—Jaona 13:35.

Ilaina ny matoky an’Andriamanitra

Sosotra sy mahatsiaro ho voafitaky ny mpampiasa azy ny olona an-tapitrisany voaroaka amin’ny asany. Indroa very asa tampoka, ohatra, i Raúl, voalaza terỳ aloha, ka kivy be. Tany Peroa, tanàna niaviany, ny voalohany, ary avy eo tany New York. Hoy i Raúl, tamin’izy very asa fanindroany: “Tsy misy zavatra azo antoka mihitsy eto amin’ity tontolo ity.” Mbola tsy nahita asa izy volana maromaro taorian’izay. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Niezaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra aho. Tsapako fa mila mitoky aminy fotsiny aho mba tsy hanahy.”

Vavolombelon’i Jehovah i Raúl. Nanampy azy hatoky an’ilay Ray be fitiavana any an-danitra ny fianarany Baiboly. Nampanantena toy izao mantsy Izy io: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” (Hebreo 13:5) Tsy mora ny niatrika ny zava-misy, kanefa inona no nanampy azy ireo? Hoy i Raúl: “Nivavaka foana izahay mba hahazo izay tena nilainay, ary nifaly tamin’izay nomen’Andriamanitra anay.” Hoy koa i Bertha vadiny: “Tena nanahy aho indraindray nieritreritra hoe hahita asa ihany ve i Raúl. Hitanay anefa hoe namaly vavaka i Jehovah ka nanome izay nilainay isan’andro. Tsy dia manan-javatra betsaka toy ny taloha izahay, kanefa hitanay fa nanampy anay hanana fiainana tsotra kokoa izany.”

Vavolombelon’i Jehovah koa i Alfred. Tena nanampy azy hiatrika ny toe-javatra nisy azy ny fianarany Baiboly. Hoy izy: “Miantehitra amin’ny asa na ny toerana tanana na ny kaonty any amin’ny banky isika indraindray, mba hahazoana filaminan-tsaina. Hitako anefa fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka manome izany ho antsika, ary rehefa mifandray akaiky aminy ihany isika vao tena hilamin-tsaina.” *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Milaza ny tatitra iray fa ny 60 isan-jaton’ny zavatra novidin’ny olona, dia tsy noeritreretiny hovidina akory.

^ feh. 30 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba fitantanam-bola ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2009, pejy 10-12.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Nivavaka foana izahay mba hahazo izay tena nilainay, ary nifaly tamin’izay nomen’Andriamanitra anay”

[Efajoro/Tabilao, pejy 8]

 Fanaovana Teti-bola

(1) Soraty ny fandaniana nataonao tao anatin’ny volana. Ohatra hoe ny vola lany tamin’ny sakafo, hofan-trano, jiro sy rano, saran-dalana ary fandaniana hafa. Zarao 12 kosa ny vola mila aloa isan-taona, mba hahalalana ny habetsahan’ny lany isam-bolana.

(2) Soraty hoe inona avy no tena ilanao vola. Soraty ohatra hoe sakafo, hofan-trano, saran-dalana sy ny sisa.

(3) Eritrereto hoe ohatrinona no kasainao holanina isam-bolana amin’ireo zavatra ireo. ‘Manaova’ koa “kajy” hoe ohatrinona ny vola mila atokanao isam-bolana mba handoavana an’ireo vola mila aloa isan-taona.

(4) Soraty ny fitambaran’ny vola miditra rehetra eo anivon’ny ankohonanao, ary analao ny vola tsy maintsy aloa, toy ny hetra. Soraty izay vola ambiny, ary ampitahao amin’ny vola tena lany.

(5) Atokàny amin’ny valopy samy hafa ny vola ilaina amin’ny fandaniana tsirairay. Ataovy isam-bolana izany.

Tandremo: Raha nahazo alalana hitrosa amin’ny fivarotana sasany ianao, dia mahaiza mandanjalanja! Maro no tsy afaka nanaraka ny teti-bola nataony, noho ny fakam-panahy hitrosa.

[Tabilao]

(Jereo ny gazety)

Vola Miditra Isam-bolana

KARAMARAMA KELY

ISAM-BOLANA Ar․․․․․ VOLA AZO HAFA Ar․․․․․

VOLA AZON’NY

MPIANAKAVY HAFA Ar․․․․․ TONTALINY

Ar․․․․․

Vola Kasaina Vola Tena Lany

Holanina Isam-bolana Nony Tapitra ny Volana

Ar․․․․․ Hofan-trano Ar․․․․․

Ar․․․․․ Hetra Ar․․․․․

Ar․․․․․ Jiro sy Rano Ar․․․․․

Ar․․․․․ Saran-dalana Ar․․․․․

Ar․․․․․ Fialam-boly Ar․․․․․

Ar․․․․․ Telefaonina Ar․․․․․

Ar․․․․․ Sakafo Ar․․․․․

Ar․․․․․ Zavatra Hafa Ar․․․․․

TONTALINY TONTALINY

Ar․․․․․ Ar․․․․․

Ampitahao ny Vola Miditra sy ny Vola Tena Lany

VOLA MIDITRA ISAM-BOLANA Ar․․․․․

ANESORANA NY ELANELANY

VOLA TENA LANY Ar․․․․․ Ar․․․․․