Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mason’ny Samoina

Ny Mason’ny Samoina

Nisy Namorona Ve?

Ny Mason’ny Samoina

● Mazàna no amin’ny alina ny samoina no manidina. Mora hita ny biby sasany mpandeha alina, satria manjelatra ny masony rehefa tarafin’ny hazavana. Afaka miafina kosa ny samoina satria tsy mamerina hazavana ny tapotsimasony.

Diniho izao: Hafakely ny tapotsimason’ny samoina. Misy dongona bitika be dia be tsy taza-maso izy io, izay milahadahatra ka toy ny zavatra kely maro be misy lafiny enina. “Kely noho ny halavan’ny onjam-pahazavana hita maso” ireo dongona, hoy i Peng Jiang, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Floride, Etazonia. Tsy tafavoaka avy ao anaty mason’ny samoina ireo onjam-pahazavana, na avy aiza na avy aiza idirany, noho ny fomba filahatr’ireo dongona bitika sy ny habeny. Tena kely ireo dongona satria mitovy amin’ny singam-bolo iray zaraina 300!

Milaza ny injeniera fa raha alaina tahaka ny firafitry ny mason’ny samoina, dia azo hatsaraina ireo efijery LCD sy jiro kely arehitry ny diôda atao hoe DEL (diode électroluminescente), fahita amin’ny fitaovana elektronika. Azo alaina tahaka koa ireo dongona bitika, mba hanaovana fitaovana fakana herin’ny masoandro. Ny 35 isan-jaton’ny hazavana no tsy voarain’ireo takelaka mandray herin’ny masoandro. Be loatra anefa izany angovo very fotsiny izany. Naka tahaka ny filahatr’ireo dongona bitika àry ry Jiang sy ny mpiara-miasa aminy, ka afaka nanamboatra silisiôma tsy manary afa-tsy ny 3 isan-jaton’ny hazavana. “Be dia be ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny firafitr’ireny zavaboary ireny”, hoy i Jiang namarana ny teniny.

Ahoana ny hevitrao? Kisendrasendra ve no nahatonga ny mason’ny samoina tsy hamerina hazavana? Sa nisy namorona?

[Sary, pejy 30]

Misy dongona bitika be dia be tsy taza-maso ny tapotsimason’ny samoina, ka toy ny zavatra kely maro be misy lafiny enina

[Sary, pejy 30]

Takelaka fakana herin’ny masoandro, vita amin’ny silisiôma ary tsy mamerina hazavana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Mason’ny samoina: Courtesy of Dartmouth Electron Microscope Facility; silisiôma: Courtesy Peng Jiang