Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpifindrafindra Monina Nahaorina Fanjakana

Mpifindrafindra Monina Nahaorina Fanjakana

Mpifindrafindra Monina Nahaorina Fanjakana

Nihorohoro sy sahiran-tsaina ny mponin’i Rosia. Toy ny andiam-balala mantsy ilay tafika mitaingin-tsoavaly avy any Azia. Namakivaky tany lemaka midadasika io tafika io, namono olona, nandroba, ary nandripaka an’izay tafika niady taminy. Ny fanjakan’i Novgorod ihany no tsy azony tany Rosia. Very hevitra ny olona iray nanatri-maso izany, ary nilaza fa fanafihan’ny “foko tsy fanta-piaviana” sy hafahafa fiteny ilay izy.

TSY iza ireo mpanafika ireo fa ny Mongols. Avy any amin’ilay lembalemba midadasika misy an’i Mongolia ankehitriny izy ireo, izany hoe any amin’ny faritra afovoany sy avaratra atsinanan’i Azia. Tena nanova be an’i Azia sy ny antsasak’i Eoropa ny fanafihana faran’izay haingana nataon’izy ireo, nanomboka tamin’ny taona 1202. Betsaka kokoa ny faritany azon’ny Mongols tao anatin’ny 25 taona, noho ny faritany azon’ny Romanina tao anatin’ny 400 taona. Tena lehibe ny faritany nanjakan’izy ireo tamin’ny fotoana tena nampahatanjaka azy. Nanomboka tany Korea ka hatrany Hongria izany, ary tany Siberia ka hatrany Inde. Izany no anisan’ny fanjakana midadasika indrindra hatramin’izay!

Ahafantarana ny tantaran’i Azia sy Eoropa ny fitantarana momba ny Fanjakana Mongol, izay tsy dia naharitra ela loatra. Manamarina ny tenin’ny Baiboly momba ny toetran’ny olombelona sy ny fitondran’olombelona koa izy io. Anisan’izany ny hoe zava-poana ny voninahitra azon’ny olombelona ary mihelina ihany. (Salamo 62:9; 144:4) Ary koa ny hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Ampitahain’ny Baiboly amin’ny bibidia ny fanjakana matanjaka, satria manafika firenen-kafa amin-kabibiana mba hahafahany hifehy azy. *

Iza ireo Mongols?

Foko maromaro mpifindrafindra monina izy ireo, ary tena nahay nitaingin-tsoavaly. Niompy sy nivarotra ary nihaza izy ireo mba hivelomana. Ny olona sasany ihany no miofana ho miaramila any amin’ny firenena hafa. Ny an’ny Mongols kosa saika ny vatan-dehilahy rehetra no mpiady tsy mifaditrovana sady mafy toto, ary manana soavaly sy tsipìka. Tsy mivadika amin’ny mpitondra azy mihitsy ny foko mongol tsirairay. Antsoina hoe khan ireny mpitondra ireny.

Afaka nampivondrona an’ireo foko mongols 27 teo ho eo, ny khan iray atao hoe Témudjin (1162-1227 tany ho any), taorian’ny fanafihana naharitra 20 taona. Niara-nanafika tamin’ny Tatars (Silamo tiorka) ny Mongols, tatỳ aoriana. Nantsoin’ny Eoropeanina hoe Tartara mihitsy aza ny tafika mongol tsy hay tohaina, rehefa nizotra niankandrefana. * Nantsoin’ny Mongols hoe Gengis Khan i Témudjin tamin’ny taona 1206, tamin’izy 40 taona mahery kely. Midika hoe “mpitondra mahery” na “mpitondra an’izao rehetra izao” angamba io anarana io. Nantsoina hoe Khan Lehibe koa izy.

Haingana be ny fanafihan’ireo mpitaingin-tsoavalin’i Gengis Khan, ary tsy nitsitsy izay sendra azy. Nanao fanafihana maro be tamin’ny lalana an’arivony kilaometatra izy ireo, matetika. Nitovy tamin’ny fahaizan’ny tafik’i “Aleksandra Lehibe sy Napoléon I” ny fahaizan’ny tafik’i Genghis Khan, hoy ny Rakipahalalana Encarta (anglisy). Nilaza i Juzjani, mpahay tantara persianina, izay niara-belona taminy, fa olona “tena natanjaka, mahay manavaka, ary marani-tsaina” i Gengis Khan. Nantsoiny hoe “mpijinja olona” koa izy.

Nanafika firenen-kafa

Ny Mandchou no nipetraka tany amin’ny faritra avaratr’i Chine fahiny, ary nantsoiny hoe Jin na “Volamena” ny tarana-mpanjaka nitondra tao. Namakivaky ny Tany Efitr’i Gobi ny Mongols mba hahatongavana tany. Faran’izay ngazana io tany efitra io, kanefa tsy nahasakana azy ireo izany. Afaka mivelona amin’ny ronono sy ran-tsoavaly mantsy izy ireo, rehefa tsy mahita hohanina. Na dia nanitatra ny faritaniny hatrany Chine sy Mandchourie aza i Gengis Khan, dia mbola nitohy nandritra ny 20 taona teo ho eo ny adin’izy ireo. Naka manam-pahaizana sy mpanao asa tanana ary mpivarotra tamin’ireo Sinoa ireo izy mba hampiasainy. Naka enjeniera koa izy, mba hanamboatra vanja, sy fitaovana fanipazana vato be sy fanaovana fahirano.

I Gengis Khan no nitantana ny lalana falehan’ny mpivarotra nampitohy an’i Eoropa sy Chine, tatỳ aoriana. Antsoina hoe Lalan’ny Lasoà izy io. Nikasa hifampiraharaha ara-barotra tamin’i Mohammed, mpanjaka silamo tiorka, izy taorian’izay. Nidadasika ny fanjakan’io mpanjaka io, satria nahafaoka an’i Afghanistan, Ouzbékistan, Tadjikistan, Turkménistan, ary ny ankamaroan’ny faritr’i Iran.

Tonga teo amin’ny sisin-tanin’io mpanjaka io ireo irak’i Gengis Khan tamin’ny 1218, kanefa novonoin’ny manam-pahefana tao izy ireo. Izany no nahatonga ny Mongols hanafika voalohany ny tanin’ny Silamo. Voalaza fa maro be toy ny vitsika ny Mongols nanafika ny fanjakan’i Mohammed, nandritra ny telo taona taorian’izay. Norobainy sy nodorany ny tanàna sy ny saha. Tsy nasiany niangana koa ny mponina, afa-tsy ireo nanana fahaizana manokana nilainy ihany.

Namakivaky an’i Azerbaïdjan sy Géorgie avy eo ny miaramila mongols 20 000 teo ho eo, ary tonga tany amin’ireo lemaka midadasika eo avaratr’i Caucase. Resiny avokoa izay tafika sendra azy, anisan’izany ireo miaramila rosianina 80 000. Nandeha tamin’ny lalana 13 000 kilaometatra teo ho eo nanodidina ny Ranomasina Caspienne izy ireo tamin’izany. Io no voalaza fa zava-bita niavaka indrindra nataon’ny miaramila mpitaingin-tsoavaly. Santatra am-bavarano ihany anefa ireny, satria mbola maro ny fandresena azon’ireo khan nanaraka, rehefa nanafika an’i Eoropa Atsinanana izy ireo.

Ireo khan tatỳ aoriana

Niteraka efa-dahy tamin’ny vadibeny i Gengis Khan, ka i Ogoday zanany lahy fahatelo no Khan Lehibe nanaraka. Mbola nifehy an’ireo tany efa resin-drainy i Ogoday, ary naka hetra tamin’izy ireo. Izy no namita ny fandresena ny tarana-mpanjaka Jin tao Mandchourie.

Nanapa-kevitra ny handroba an’izay fanjakana mbola tsy notafihiny ny Mongols, mba hanitarany ny fanjakany sy hananany fomba fiaina mirenty foana, izay efa lasa nahazatra azy. Nozarain’i Ogoday roa ny miaramilany. Ny iray nanafika firenena eoropeanina tany andrefana, fa ny iray kosa nanafika ny tarana-mpanjaka Song tany amin’ny faritra atsimon’i Chine. Nandresy izy ireo tany Eoropa, fa tsy toy izany kosa tany atsimo. Resiny ihany ny sasany tamin’ny faritanin’ny Song, saingy tsy azony ny tanàna lehibe.

Fanafihana tany Eoropa

Miaramila mongols 150 000 teo ho eo no nanafika tany Eoropa, tamin’ny 1236. Ireo faritra manamorona ny Reniranon’i Volga aloha no notafihiny. Nanafika an’ireo fanjakana rosianina izy ireo taorian’izay, ary nataony kila forehitra i Kiev. Nampanantena ny Mongols fa tsy handrava tanàna izy, raha omena azy ny ampahafolon’ny fananan’izy ireo. Naleon’ny Rosianina anefa niady. Nampiasa fitaovana manokana ny Mongols mba hanipazana vato sy zavatra narehitra tamin’ny solitany. Nirohotra tao amin’ilay tanàna izy ireo rehefa loaka ny manda, ary naripany ny mponina. Hoy ny mpahay tantara iray momba izany: “Tsy nisy olona tavela mba hitomany an’ireo namoy ny ainy.”

Nandrava tanteraka an’i Polonina sy Hongria ny Mongols, ary tonga teo akaikin’ny sisin-tanin’i Alemaina ankehitriny. Efa niandry ny fanafihan’ny Mongols ny faritra andrefan’i Eoropa, kanefa tsy tonga mihitsy izy ireo. Maty mantsy i Ogoday tamin’ny Desambra 1241, angamba noho ny fisotroan-toaka. Niverina haingana tany Karakorum renivohitra, tany amin’ny 6 000 kilaometatra, ireo mpitari-tafika mba hifidy mpitondra vaovao.

I Güyük, zanak’i Ogoday, no nandimby azy. Nanatrika ny fanendrena an’i Güyük ho mpanjaka ny relijiozy italianina iray, izay nanao dia naharitra herintaona sy telo volana mba hanome azy taratasy avy amin’ny Papa Innocent Faha-4. Te hahazo toky mantsy ny papa fa tsy hanafika an’i Eoropa intsony ilay mpanjaka vaovao. Niangaviany koa izy mba handray ny fivavahana kristianina. Tsy nampanantena na inona na inona anefa i Güyük. Nasainy ho tonga tany aminy kosa ny papa miaraka amin’ny mpanjaka maromaro, mba hanome voninahitra azy.

Nozaraina roa indray ny tafika

I Mongka no Khan Lehibe nanaraka, tamin’ny 1251. Nozaraina roa indray ny tafika. Nanafika ny tarana-mpanjaka Song tany amin’ny faritra atsimon’i Chine izy sy Kubilay rahalahiny. Ny tafika iray kosa niankandrefana, ary nanamontsamontsana an’i Bagdad sy nampilavo lefona an’i Damaskosy. Faly erỳ ireo nitonona ho Kristianina niady tamin’ny Silamo noho izany, ary izay nipetraka tany Bagdad nandroba sy namono an’ireo Silamo niara-nonina taminy.

Efa saika resin’ny Mongols tanteraka ny Silamo, no tonga indray ny filazana fa maty i Mongka. Nody indray ireo mpanafika, ary vatan-dehilahy 10 000 monja no najanona mba hiambina sisin-tany. Naripaky ny tafika ejipsianina anefa izy ireo, tsy ela taorian’izay.

Nahazo fandresena ireo nanafika an’ilay tarana-mpanjaka manankarena, tany amin’ny faritra atsimon’i Chine. Nilaza mihitsy aza i Kubilay Khan, fa nahavita nanorina tarana-mpanjaka vaovao tany Chine izy, izay nantsoiny hoe Yuan. I Beijing ankehitriny no renivohitr’io fanjakana vaovao io. Resy ireo mpanohana ny tarana-mpanjaka Song, taloha kelin’ny taona 1280. I Kubilay avy eo no nitondra an’i Chine iray manontolo, izay sambany vao tafaray indray taorian’ny nionganan’ny tarana-mpanjaka Tang tamin’ny taona 907.

Nizarazara ary rava avy eo

Nanomboka nikororosy ny Fanjakana Mongol taoriana kelin’ny taona 1300. Maro ny antony nahatonga izany. Niady seza ny taranak’i Gengis Khan, ka nanjary nizarazara ilay fanjakana. Nanaraka ny fomba fiainan’ny mponina tao amin’ny firenena nozanahiny koa ny Mongols. Lasa nihen-danja koa ny fahefan’ny taranak’i Kubilay tany Chine, satria maro no te hahazo fahefana. Leo koa ny Sinoa fa tsy nahay nitantana ny mpitondra ary nidangana be ny hetra. Niongana tamin’ny 1368 àry ny fitondran’ny tarana-mpanjaka Yuan, ka voatery nandositra tany Mongolia izy ireo.

Toy ny oram-be mivatravatra ny fanafihan’ny Mongols. Tonga tampoka ilay izy nefa koa tsy naharitra ela. Na izany aza, dia namela soritra teo amin’ny tantaran’i Eoropa sy Azia izy io, anisan’izany ny fanakambanana ho iray an’i Mongolia ary koa i Chine. Manome voninahitra an’ilay khan lehibe voalohany ny Mongols ankehitriny. Milaza izy ireo fa i Gengis Khan no rain’ny firenena mongol.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mariho ireto andinin-teny ireto, izay miresaka bibidia sy fitondram-panjakana: Daniela 7:6, 12, 17, 23; 8:20-22; Apokalypsy 16:10; 17:3, 9-12.

^ feh. 7 Nihevitra ny Eoropeanina fa devoly avy ao amin’ny “Tartara” ny Tatars.—2 Petera 2:4.

[Efajoro/Sary pejy 13]

Nampiroborobo ny varotra izy ireo

Nampirisika ny olona hanao raharaham-barotra sy hanao dia lavitra ny fitondran’ny tarana-mpanjaka Yuan, nandritra ny fotoana nampahatanjaka azy. Tamin’izany no nisian’ny “raharaham-barotra niroborobo indrindra teo amin’i Eoropa sy Azia.” Tamin’ny andron’i Marco Polo (1254-1324), Italianina mpikaroka tany vaovao, no nisehoan’izany. * Nanao dia an-tanety na an-dranomasina ny Arabo, Persianina, Karàna, ary Eoropeanina, rehefa ho any amin’ny fanjakana mongol. Nitondra soavaly, karipetra, vatosoa, ary zavamanitra izy ireo, mba hatakalo lasoà sy zavatra vita amin’ny bakoly ary fanaka misy verinia.

Niala tao Eoropa i Christophe Colomb tamin’ny 1492. Nandeha sambo niankandrefana izy ary nentiny ny taratasy mirakitra ny dia nataon’i Marco Polo. Nikasa hamerina indray ny fifampiraharahana ara-barotra teo amin’ny Eoropeanina sy ny Mongols izy. Tsy fantany anefa fa efa 100 taona mahery talohan’izay no rava ny fanjakana mongol! Tapaka ny fifandraisana rehefa rava ilay fanjakana, sady tsy navelan’ny Silamo handehanana intsony ny lalana nampitohy an’i Eoropa sy Azia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 33 Mitantara ny dia nataon’i Marco Polo tany Chine ny Mifohaza! (frantsay) 8 Jona 2004.

[Efajoro/Sary pejy 14]

Tsy manavakavaka fivavahana

Nivavaka tamin’ny natiora ny Mongols fahiny, kanefa navelany hanaraka izay fivavahana tiany ny olona. Milaza ilay boky hoe Ireo Mpitaingin-tsoavalin’ny Devoly (anglisy), fa talanjona ny Eoropeanina rehefa niditra tao Karakorum, renivohitry ny Mongols. Hitany mantsy fa tena nanan-karena ilay tanàna sady be dia be ny trano fivavahana tao. Nifanakaiky ny eglizy sy ny mosquées ary ny tempoly.

Ny Nestorianina no Fivavahana Kristianina tonga voalohany tany amin’ny fanjakana mongol. Maro tamin’ny Tiorka nipetraka tany Azia no lasa Nestorianina. Ireo indray no nifankahita tamin’ny Mongols, ary lasa vadin’ny fianakavian’ny mpanjaka mihitsy aza ny vehivavy sasany taminy.

Maro ny fivavahana arahin’ny Mongols ankehitriny. Rehefa atao ny salan’isa, dia hita fa mpivavaka amin’ny natiora ny 30 isan-jaton’izy ireo, Bodista ny 23 isan-jato, ary Silamo ny 5 isan-jato. Tsy manana fivavahana kosa ny ambiny.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Faritra Nanjakan’ny Mongols

HONGRIA

ROSIA

Kiev

Reniranon’i Volga

SIBERIA

Ranomasina Caspienne

Damaskosy

IRAN

Bagdad

OUZBÉKISTAN

MONGOLIA

Karakorum

Tany Efitr’i Gobi

KOREA

CHINE

Beijing

INDE

Novgorod

[Sary, pejy 15]

Andian-tsoavaly, Mongolia

[Sary, pejy 15]

Gengis Khan

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Bildarchiv Preussischer Kulturbesitz/Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Toerana mahafinaritra: © Bruno Morandi/age fotostock; Gengis Khan: © The Stapleton Collection/The Bridgeman Art Library