Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoavy Azo Antoka Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Hoavy Azo Antoka Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Hoavy Azo Antoka Hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra

KELY sisa dia tsy hanahy momba ny hoavy intsony isika. Handray an-tanana ny fikarakarana ny Tany mantsy Andriamanitra, ka hampanjaka ny Fanjakany etỳ. Izany hoavy mahafinaritra izany no tao an-tsain’i Jesosy Kristy, tamin’izy nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.

Tsy hiara-miasa amin’ny mpitondra ara-politika ary tsy hampiasa azy ireo mihitsy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanafoana ny fitondran’olombelona rehetra tsy miantehitra amin’Andriamanitra kosa izy io, araka ny asehon’ny faminanian’i Daniela momba ny “andro farany” iainantsika. (2 Timoty 3:1) Hoy i Daniela: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ... fa ireo fanjakana [naorin’olombelona] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Tsy manome fanantenana na mampahery an’ireo tia ny fitondran’olombelona ireo teny ireo, saingy mahavelom-panantenana an’ireo miandrandra ny fitondran’Andriamanitra ampihariny amin’ny alalan’ilay Fanjakany kosa.

Hoavy mahafinaritra!

Tsy hampizarazara ny olombelona intsony ny politika, ny firazanana, ny fivavahana ary ny sisin-tany, rehefa hitondra ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho lasa mpirahalahy eran-tany kosa izy ireo, ary ho tafaray noho ny tena fitiavana sy ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. (Jaona 13:34, 35; 17:3, 17) Hiroborobo tokoa “ny marina” rehefa hitondra ilay Fanjakana, ary “ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.”—Salamo 72:7.

Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra lasa lavorary ny vatan’ny olombelona sy ny sainy, ary hofoanany ny aretina sy ny fijaliana rehetra ary ny fahafatesana. (Apokalypsy 21:3, 4) Inona no ho vokatr’izany? Ho lasa paradisa ny tany manontolo, ka ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra nambarany tany Edena. *Genesisy 1:28.

Ilay tena vaovao tsara

Nisy zavatra niavaka nolazain’i Jesosy, rehefa niresaka momba ireo lafiny samihafa hamantarana ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izy. (Matio 24:3-7) Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa eo ho eo àry tamin’ny 2007, no faly nitory an’io hafatra io tamin’ny mpiara-monina taminy, tany amin’ny tany 236. Nanome an-tsitrapo ny fotoanany izy ireo, ka nanokana 1 400 tapitrisa ora mahery tamin’ilay asa. Nahoana ny Vavolombelona no matoky tanteraka an’ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly? Satria mitana ny teny nataony foana Andriamanitra, araka ny hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Romanina 3:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Teny notsongaina, pejy 7]

Milaza ny Baiboly fa “ho be ny fiadanana”