Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifarana Tsy ho Ela ny Fanararaotana Ankizy!

Hifarana Tsy ho Ela ny Fanararaotana Ankizy!

Hifarana Tsy ho Ela ny Fanararaotana Ankizy!

“NILAZA ny Firenena Mikambana, tamin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, fa manana zo hokarakaraina sy hampiana manokana ny ankizy”, araka ny voalazan’ny sasin-tenin’ny Fifanekena Momba ny Zon’ny Ankizy. Hoy koa izy io mba hilazana fa sarobidy ny fianakaviana: “Ny ankizy dia tokony hotezaina eo anivon’ny fianakaviana sambatra sy be fitiavana ary mifankahazo hevitra tsara, mba hampivelatra ny sainy sy hitomboany tsara amin’ny lafiny rehetra.” Mbola tsy tratra anefa io filamatra io hatramin’izao.

Tsy ampy anefa ny miresaka momba ny tontolo iray tsara kokoa ho an’ny ankizy. Miharatsy ny fitsipi-pitondran-tena hatraiza hatraiza ary mihevitra izany ho ara-dalàna ny olona maro. Miely patrana ny fitiavan-karena sy ny fitondran-tena maloto ary tsy mahafehy izany ny lalàna. Ny ray aman-dreny mihitsy aza matetika no milefitra loatra, fa tsy mba maneho fitiavana sy miaro ny zanany. Afaka manantena ve isika fa hifarana ny fampiasana ankizy hivaro-tena?

Tsy afaka manome tokantrano feno fitiavana sy hoavy azo antoka ho an’ny ankizy rehetra ity tontolo ratsy ity. Ny Mpamorona antsika kosa anefa dia hamarana ny fametavetana rehetra sy ny fijangajangana, ka anisan’izany ny fampiasana ankizy hivaro-tena. Tsy hampoizin’ity tontolo ity mihitsy fa, tsy ho ela dia hisalovana amin’ny raharahan’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakany. Tsy ho afaka handositra ny didim-pitsarany ny olona mampirisika ny hafa haloto fitondran-tena sy ny mpanararaotra. Ny olona tia ny mpiara-belona aminy ihany no ho tafavoaka velona, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”​—Ohabolana 2:21, 22.

Mba alao sary an-tsaina ange ny fanamaivanana ho tsapan’ny ankizy sy ny olon-dehibe, rehefa tsy hisy intsony ny fanambaniana sy ny fametavetana e! Hanjavona ny ratra ara-pihetseham-po sy ara-batana vokatry ny fanararaotana sy ny herisetra. Tsy hahatsapa ny voka-dratsin’ny fametavetana intsony ireo olona niharan’izany sady tsy hanakorontana azy ireo intsony ny fahatsiarovana ny lasa. “Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.”​—Isaia 65:17.

Tsy hisy intsony ny ankizy hampijalijalina na hovetavetaina. Tsy ho nofinofy fotsiny ny fahasambarana sy fitiavana ary fifankahazoan-kevitra. Hoy ny Isaia 11:9 mahakasika ny mponina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra: “Tsy handratra na hanimba izy.”

Toy inona tokoa moa ny fifaliana rehefa tsy hisy intsony ny fahantrana, fidorohana zava-mahadomelina, fianakaviana ory, ary ny fitondran-tena ratsy! Hanjaka ny fiadanana sy fahitsiana ary filaminana. “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.”​—Isaia 32:18.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Miaro ny Fianakaviany ny Ray Aman-dreny Be Fiahiana

● “Nampirisihin’ny ray aman-dreniko aho hianatra tsara tany am-pianarana ary nampirisihiny hianatra asa koa. Tsy nanery ahy hanaraka ny safidiny izy ireo, fa nanampy ahy hifidy sekoly izay afaka hanome ahy ny fiofanana nilaiko.”​—Tais.

● “Niaraka taminay mirahavavy foana ny reninay isaky ny hividy zavatra izahay. Nanampy anay hitsitsy vola izy sady nanampy anay mba hifidy akanjo tsy marevaka loatra na mampihanjahanja.”​—Bianca.

● “Rehefa namonjy lanonana izahay, dia nanontanian’ny ray aman-dreninay foana hoe iza no ho any, karazana mozika inona no halefa any ary amin’ny firy no hanomboka sy hifarana ilay lanonana. Izahay mianakavy no niaraka namonjy lanonana, matetika.”​—Priscila.

● “Nifampiresaka tsara foana izaho sy ny ray aman-dreniko nandritra ny fahazazako sy ny fahatanorako. Nisy mpiara-mianatra tamiko nahatsikaritra izany, ka nilaza hoe: ‘Mitsiriritra erỳ aho rehefa mahita anao tsy misalasala miresaka ny zavatra rehetra amin’ny ray aman-dreninao. Mahasadaikatra ahy mantsy na dia ny miresaka amin’ny reniko aza. Olon-kafa matetika no anontaniako rehefa misy zavatra tiako ho fantatra.’”​—Samara.

● “Olona miramiran-dava aho tamin’izaho mbola zatovo. Tsy mba niahiahy olona izany aho fa nihomehy foana. Tsy nihafahafa aho rehefa niaraka tamin’ny namako ary tiako ny niara-nivazivazy tamin’izy ireo. Fantatry ny ray aman-dreniko fa izany ny toetrako ary tsy nanandrana nampiova ahy izy ireo. Nanampy ahy tamin-katsaram-panahy kosa izy ireo mba hitandrina sy hahay hitondra tena rehefa mifandray amin’ny ankizilahy.”​—Tais.

● “Nanjary te hampiaraka toy ny tanora maro aho. Nametra ny taona hahafahako hanao izany anefa i Dada. Tsy nahasosotra ahy izany, satria tsapako fa niahy ahy ny ray aman-dreniko, sady te hiaro ahy amin’ny loza mety hitranga.”​—Bianca.

● “Nihevitra ny fanambadiana ho sarobidy aho, indrindra noho ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniko. Nifandray sy nifampiresaka tsara foana izy ireo. Tamin’izaho nanomboka niaraka tamin’ny ankizilahy dia tadidiko fa nilaza tamiko ny zavatra tokony hatao amin’ny toe-javatra sasany ny reniko. Nohazavainy koa ny ho vokatr’izany eo amin’ny fanambadiako.”​—Priscila.

[Sary, pejy 10]

Tsy hisy ankizy hampijalijalina intsony ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra